Volana hafakely

AnjarHanitra

 

Nigagana ianao ry volana iny alina iny .
Variana izay nahita ny hatsaranao tsy nisy tsiny.
Faly ny rehetra izay nijery, nomenao taratra hafa kely. 
Hazavana nibaliaka, nitondra tsiky tao tsy ho ritra.
Niverina tan-tsaiko ilay " Ry Volana Baliaka ..."
Tsianjery kanto izy iny fony mbola zaza isika.

 

Dia hanahoana ny ampitso mbola ho eo ve ianao,
Hanome taratra sy Jiro, handresy ny aizi-mankalao?
Hanohizako ny alina ho tra-maraina vaovao.
Ka hiainako ny andro mba ho faly sy hilalao. 
Dia hiverina ilay alina hibanjinako ny lanitra.
Ka ho hitako ianao ho fenomanana maharitra.

 

AnjarHanitra
Nov 15 2016

 

AnjarHanitra no nofidin’I Hanitriniony Rakotoarivelo Rabemananjara ho anarany eto amin’ny sehatry ny fanoratana. Izy dia tia manoratra tononkalo, tononkira, angano sy Tantara. Mipetraka eto Etazonia miaraka amin’izy telo mianadahy zanany. Miezaka mianatra sy mikolo ary mizara ny teny Malagasy. 

Comment