VOLANA
Dafy Noely Mpanoratsora-poana
Hafahafa koa itsy volana itsy androany
fa misarizoro sy mangataka ho tarafina.
Angamba be mpijery any ambadimbadika any
dia aty anaty masoko no tonga mba hiafina.
Hafahaha loko, tsy hita atao hoe mena
no tsy hita atao hoe mavo ny tara-drotsirotsiny.
Babony ny masoko, maniry, manantena
fa ahy irery hono izy androany hariva fotsiny.
Dia iny aho te-hanaraka no sady saro-piaro
mahita ireto soratra velominy amin’ny ainy.
Fa mionona ny foko satria poeta maro
no babony sy tiany … fa mody tsy lazainy.
Dafy Noely Mpanoratsora-poana
14/11/2016
Dafy Noely: mpanoratra mitety ny lohasaha sy havoanan’ny lohahevitra maro samihafa ; indraindray mampihomehy, mazàna mampalahelo fa matetika manetsika ny saina sy ny fon’ny mpamaky hamerina hamaky fanindroany. Tsy tononkalo ny ahy ireny, hoy izy … fa soratsora-poana.