NY TENINDRAZANTSIKA

NY TENINDRAZANTSIKA

(Kabary nataon'i Rado tao amin’ny Fizaran-doka sy Fandraisan-tanana ireo Mpianatr’Antananarivo nandray anjara tamin’ny Fifaninana Nampanaovin’ny Akademia Malagasy ho Fankalazana ny "Roa Andron’ny Teny Malagasy" : Akademia Malagasy, Tsimbazaza, Alarobia 26 Janoary 1994)

Raha mahita ny tsipak’adrisa, hono, mahatsiaro ny diamangan’ankizy ; mandre ny don- tokan’Ankaratra, mahatsiaro an’Ikaky sy Neny. Raha mandre ireto tenim-bahiny, ny an’ny tena no tonga ao an-tsaina. Fa mamy ka mamy izy izay : sitra-kibo no telim-panahy.

Satria ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany aniriana no tsara ; ary ny katsaka manao baby telo, ny tany aniriany no lonaka. Ny Firenena no be voninahitra, ny tenin-drazany no andrianiny.

Ka hoy aho amintsika rehetra : ny Tenin-drazana re no tiavo. Aza avela ho komavoky ny andro, aza avela ho rotan’ny taona, ampaleso ho soa mandimandina fa antoky ny fandrosoana!

Teny nomen-Janahary io, ka tandrifin’ny vava hivolana. Trano natao hialofana io, ka mendrika ho kojakojaina. Akanjo natao tsara didy io, ka hajain’izay ndeha hianjaika.

F’io no teny ifanatsafana,

Io no teny ifaneraserana,

Io no teny andrindram-pihavanana,

Fa raha sendran’izay fahoriana, ny Tenin-drazana no mampionona. Raha tojo an’izay hasoavana, ny Tenin-drazana no mahadiboka. Raha toa ka solafaka an-dàlana, ny Tenindrazana no avy manarina.

Koa tiavo ny Teny Malagasy. Aza amponenina ankilahila, fa ampitoero eny an-tany marina. Aza atao voangory mifikitra am-bato, fa ataovy akondro mielo amin-dreniny. Aza atao ravoravo natentina fa ataovy atifo maharary. Ka tiavina tahaka ny tena fa anton’ny fahavelomana.

Sao noana am-pototry ny sompitra na maloto manan-tsavony, manan-jiro fa dia mihina-maizina, mana-teny ka dia tsy hivolana. Tahaka ny mpivaro-tantely : mitelin-drora eo anilan’ny mamy.

Fa manan-karena izy io, mahafantatra izay holazainy. Fa hainy ny atao hoe manina raha toa manavia amin’ny sasany. Tsapany ny hoe vetsovetso fa sahirana be izay tsy tompony. Raha hilaza fotoana izy mantsy dia manan-karena amin’izany fa ao ny "indray mipi-maso monja", ao koa ny "poa tahaka izay", ao ny "indray mitono valala", ny fahelan’"ny mahamasa-bary". Ka tena mazava avy hatrany izay tiany holazaina amin’ireny. Ary ireny no anolokoloany ny zanaka sy ny taranany.

Mbola maro no azo lazaina. Mbola maro ny azo tononina : ny ohabolana sy hainteny, ny ankamantatra miampy ny angano : tsy nindramina isika fa tompony.

Koa tiavo ny Teny Malagasy fa azo ibeazana tsara. Lalào ny Teny Malagasy fa manan-karen- kozaraina. Mbola azo itarina hatrany, hisampana sy hidoroboka, fa loharano tovozin-tsy ritra sy hazo tsy maty solofo : toy ny anamamin’Ivolosarika izy io, misy anongotana vao dofodofotra ; ary sampam- boaloboka lohataona, misy andrantsanana vao misandrahaka. Fa izany no Teny Malagasy !

KA HAJAO NY TENIN-DRAZANAO.

Fa na tsara aza anie ny an’ny hafa, ny antsika tsy ambakan’ireny. Raha manitra koa ny an’ny sasany, ny antsika mba mamerovero. Raha tera-bololona ny any, ny antsika tsy ringi-dririnina. Fa sakamalaho sy havozo, ka samy manana ny hanitra ho azy.

Io Teny Malagasy io mantsy no tenin’ny mpihary mipetraka amin’ny mpandova, tenin’ny maty mipetraka amin’ny velona, ary tenin’ny raiamandreny mipetraka amin’ny zanaka.

Koa aza apetraka amin’ny hazo, fa ny hazo mora boboka. Aza apetraka amin’ny bozaka fa ny bozaka mora mirehitra. Fa ataovy vato natelim-boay, tsy miova amin’izay niandohany.

Ny valalan’amboa no tsy tian’ny tompony, ny omby mahia no tsy lelafin’ny namany. Ny fitiavana ny teny malagasy kosa ataovy tahaka ny amberivatry eny an-tany mena, na mavomavon’ny hafa aza dia tian’ny landy hiraketana ; na bantibantian’ny sasany aza tsy foin’ny tompony ho very, ka sady tsy avariny an-tany no lolohaviny an-tampon’ny loha.

Koa raha manindrahindra ny azy ny olona, ny anao osory menaka tsy hisy harafesina. Raha lazainy ho tonga lafatra ny azy, ny anao kajio tsy ho mena-mitaha. Raha mitonona ho mahatadidy ny any, ianao misehoa ho Ambatonamelankafatra. Raha zanaky ny efa mafana izy, ianao taranaky ny mangorovitsika, fa samy zanaky ny mpanefy ka tsy mifampidera taim-by.

Tsy misy hoatra ny an’ny tena tsy akory. Fa na mitsiriritra ny ao avaratra ianao : tsy taovana ny any tsy volovolo. Aza misambotra ny ao andrefana ianao, tsy havan-dray ny any tsy havan-dreny. Na maniry ny ao atsinanana ianao, sakaiza ny any fa tsy mifehy faty. Na misingotra ny any atsimo aza ianao olom-pantatra ny any fa tsy havana.

Koa saino lalina, saino marivo ! F’isika izao no velona fanovan’ny maty, solofo dimbin’ny ala, kolokolo dimbin’ny vary. Raha mizahozaho tsy hanaja ny an’ny tena, sao manao tahaka ny tsikobokobondanitra : ny anarana miakatra ambony, fa ny toerana mirefarefa amin’ny tany.

Raha tsy manaja ny antsika isika, fa finaritra hitavana ny an’ny hafa dia ho marina amintsika ilay tenin-drazana mampieritreritra hoe : "manakodi-by, mahandro fanjaitra, ka voky ihany fa manevitevika, ary kamboty manao vary amin-tsakay, ka ny nataon’ny tena ihany no androtsahan-dranomaso".

KOA TIAVO LAHY NY TENY MALAGASY !

RADO

Ilay mpangalatra tolona

Ilay mpangalatra tolona

Mpangalatra ikoizana sy nanana ny maha-izy azy Rajokotsoriaka. Tsy mba irony mpangalatra mahery setra mpanao ambozizy irony anefa izy.

“Aleoko lavitra mampiasa ny herin-tsaiko sy ny hakingan-tanako,” hoy ny ambetin-dresany amin’ireo sakaizany, “toy izay hanao barofo sy hampiasa herin-tsandry sy fitaovam-piadiana handrobana fananan’olona.”

Fantam-poko fantam-pirenena ny fahaizany sy ny fahakingany mangalatra n’inon’inona na firavaka io na vakoka sarobidy. Akoatran’ny maha-mpangalatra azy dia malaza ho mpandala ny lalao fanorona koa izy. Tena miondana mihitsy. Tsy misy izay tsy zendana mahita ny fifehezany sy ny fahaizany an’io lalao netim-paharazana io. Indraindray, tena indraindray tadiavina ihany mihintsy, vao mba resy amin’ny fanorona izany Rajokotsoriaka.

Vanim-potoana namaivay teo amin’ny tantaram-pirenena no nisehoan’ity resaka ity. Vanim-potoana nitondran-dRakiribiby, ilay filoham-pirenena mpanao didy jadona mahery vaika, ilay mpanao amboletra sy mpitsentsitrra ny harem-pirenena. Araky ny siosiondresaka dia nitahiry vakoka iray izay manana hery miafina hafakely Rakiribiby. Solaitra vita tamin’ny andramena voasikotra izy io ary misy ny soram-panoron’Andrianampoinimerina, ilay mpanjaka hendry sy mamy hoditra, ilay nanambatra ho iray an’Imerina enin-toko, na zavatra ohatr’izany.

“Mananjara handrobaka ny fahefana ka ho lasa filoham-panjakana izay tompon’ilay soram-panorona,” hoy ny lovan-tsofina mandeha momba an’ilay solaitra, “raha toa ka mandresy hatrany amin’ny lalao fanorona imasoany.”

Mazava loatra fa betsaka ny olona nikasa ny handroba an’ilay soram-panorona malaza io. Anisan’izy ireny ny lehiben’ny mpikomy, lehilahy efa zokinjokiny antsoina hoe Solohery, izay nitarika ny fanoherana an-dRakiribiby.

“Raha azontsika ilay soram-panorona,” hoy izy tamin’ny mpanolon-tsainany, “dia hitsangana toy ny olona iray ny vahoaka valalabemandry, ka ho mora amintsika ny handrodana io fanjakana tsy refesi-mandidy mpanao letrezana io, ary hamerina eto indray ny fahafahana sy ny demokrasia.”

“Mety ho sarotsarotra ihany an!” hoy ny mpanolon-tsaina. “Toa tsara ambina mihitsy hono izy izao.”

“Tsy olana izany fa isika koa manana jocker e!”

Indray hariva, nampanatsoin’i Solohery tany amin’ilay zohy fiafenan’ny mpikomy tery andafy andrefan’Ivohitsara Rajokotsoriaka.

“Raikitra izany fa ho karamaina vola aman-karena tsy toko tsy forohina ise hangalatra ilay solaitra misy ny soram-panoron’Andrianampoinimerina izay voatahiry tao amin’ilay lapam-panjakana fipetrahan-dRakiribiby,” hoy ilay lehibe mpitari-tolon’ny mpikomy. “Mbola ho ampianay toerana minisitra na farafahakeliny Sekiretera Jeneraly ao amin’ny governemanta hijoro eo ilay karama rehefa tanteraka ny tolona.”

Nahaliana sy nanintona an’ilay mpangalatra ny tolotrasa ka rehefa nieritreritra vetivety izy dia nanaiky.

Tsotra dia tsotra tamin-dRajokotsoriaka, zary kilalaon-jaza, ny nitsofoka tsimoramora tao an-dapa. Rehefa avy nanova endrika sy nisalotra ny fanamian’ny mpiambina izy dia niroso nankany amin’ny efitranon-dRakiribiby, izay nisy ilay solaitra. Hitany namirapiratra teo ambony latabatra teo akaikin’ny larimoara, voahodidin’ny mpiambina, ilay izy. Mody nifangaro tamin’ireo mpiambina teo Rajokotsoriaka niaraka tamin’ ny fanamiana sandoka nanaovany.

Tsy nampiasa ody na fonoka akory izy fa niandry mandra-pahavarian’izy ireo fotsiny, dia noraisiny faingana ilay solaitra ary nafeniny tao ambanin’ny akanjony. Toy ny tsy teo izy nanao tongotra an-katoka, nihazakazaka nandositra, ary nihazo amin’ilay zohi-toerana tokony hihaonana tamin’i Solohery, ilay revolisionera lehiben’ny mpikomy.

Teny am-pandehanana anefa dia lasa ny eritreriny. Toa nahatsapa hery sy sintona hafahafa avy amin’ilay solaitra Rajokotsoriaka. Hery toa niantso azy, nibitsibitsika tao an-tsofiny, naka fanahy azy tamin’ny fampanantenana laza sy haja ary voninahitra. Nijery ilay solaitra izy, ary hitany fa tsy kilalao fe kilalao izy io, fa vakoka masina mariky ny fahefana sy ny anjara.

“Mba ohatry ny hanao ahoana ary izany ho mpitondra filoham-pirenena izany, ho ankatoavin’ ny rehetra, hahazo izay rehetra tiany,” hoy izy nanontany tena. Tsapany nibosesika avy tany anatiny tany ny ambo-po sy ny fitiavana vola sy fahefana. Tonga ny fakampanahy ka nahatonga azy hiova hevitra.

Niova hevitra Rajokotsoriaka: tsy hanolotra ilay solaitra nisy soram-panorona ho an’i Solohery, ilay lehiben’ny mpikomy, fa hitazona izany ho an’ny tenany samirery. Nihaona rizareo ary nilaza izy fa efa any aminy ilay solaitra.

“Rehefa nandinika aho anefa,” hoy izy, “dia tokony ho lehibe kokoa noho ny valisoa nifanarahana no omena ahy. Tokony izaho no mpitarika ny fikomiana, ary tokony ho izaho koa no hifanandrina amin-dRakiribiby ho amin’ny seza fiandrianana.”

“Tena tsy menatra mivadika amin’ny teny nifanaovana anie ise izany,” hoy I Solohery, taitra sy zendana. “Aza manody.”

“Tsy maninona izay fandraisanao azy,” hoy Rajokotsoriaka namaly. “Fa raha sahy ianao dia avelao ny fanorona no hanaporofo izay topon’ny laka, ka izay mpandresy no hahazo ny solaitra sy hibata ny zo ho lasa mpitondra.”

Tezitra sy niaka-pofona i Solohery, saingy sady tsy afaka nanoatra no tsy nanana safidy. Nanaiky ny hifanandrina ary hifampikatroka fanorona tamin-dRajokotsoriaka izy, nanantena ny hivoaka mpandresy ka hahazo ilay solaitra. Nanantena koa izy ny hamaky bantsilana ny fitaka nataon’ilay mpangalatra taminy. Nifankahita tao amin’ilay zohy fiafenan’ny mpikomy tery andafy andrefan’Ivohitsara ny roa tonta, ary novelarina ilay solaitra misy ny soram-panoron’Andrianampoinimerina.

Samy nilalao tamin’ny fara-heriny sy ny fahaiza-manaony, ka samy niezaka ny handresy na ny andaniny na ny ankilany. Henjana ny lalao, niady tena niady saingy nandresy ihany ilay mpangalatra tamin’ny farany. Nosamboriny ny vaton’ilay lehiben’ny mpikomy farany ary nambarany fa izy no mpandresy. Nobedain-dRajokotsoriaka ilay solaitra, ary navelany ho kivy sy ketraka irery teo i Solohery.

Roa na telo andro taorian’izay, niantso an-dRakiribiby, ilay mpanao didy jadona, Rajokotsoriaka ary nihantsy azy tamin’ny lalao fanorona.

“Izaho izao no tompon’ilay solaitra mirakitra ny soram-panoron’Andrianampoinimerina,” hoy izy, “koa raha tena lehilahy sahy ianao, Prezida, dia andao raiketina ny fanorona fa samy nosoran-dreniny menaka.”

Kevokevoka sy natoky tena fatratra Rakiribiby, natoky tena loatra aza ka avy hatrany dia nanaiky ny fanamby, ary nihevitra fa ho afaka handresy mora foana ilay mpangalatra sy hitazona ny fahefany. izay mety hahatonga azy ho mpitondra.

“Tairo izay tairina, fa izay rovitra zairina e!” hoy taim-bavany mantsy an-dRajokotsoriaka. “Tsy fantatr’ialahy angaha fa tompondakan’ny fanorona anie aho nandritry ny taona maro nifanesy?”

Dia nifanekena fa eny amin’ny kianja malalaka izy roa lahy no hihaona. Talata ny andro tamin’izay. Talata goraobaka. Tomefy olona ny kianja, olona tonga hanatrika ilay lalao. Nilalao tamim-pientanentanana sy fieboeboana ny roa tonta, samy niezaka nifehy ny hafa. Lava sy henjana ny lalao, saingy nandresy ihany ny mpangalatra tamin’ny farany. Nosamboriny ny vato faran’ilay mpanao didy jadona.

“Lany hetsika ianao, Prezida,” hoy ny fitrerony.

Avy hatrany dia nambarany ampahibemaso fa izy no mpandresy. Noho izany, izy tokony ho lasa mpitondra. Nihoraka ny vahoaka. Nitsangana toy ny olona iray tokoa ny valalabemandry. Vetivety dia nirodana ny fanjakana mpanao didy jadon-dRakiribiby teo aloha. Nanaiky tsy sazoka Rakiribiby, nandao fanjakana nifitsaka tany Lafrantsa.

“Lasa Filoham-pirenena Rajokotsoriaka, ilay nangalatra ny soram-panoron’Andrianampoinimerina” hoy ny lohatenin-gazety. “Tonga ny fahalalahana sy ny demokrasia.”

Tsy ela lontra taorian’izay anefa dia nanomboka tsapany fa tsy fitahiana ny fananana ilay solaitra fa tena lasa ozona. Tsy maintsy nilalao ny lalao rehetra azony natao izy, ary tsy maintsy nandresy tamin’ny lalao rehetra nataony. Nandreraka ny sainy sy ny fanahiny izany, ka nahatonga azy ho variana tamin’ny hery sy ny fandresena. Nanimba azy, ary nanova azy ho filoha mpanao didy jadona ratsy kokoa noho ilay filoha nahongany. Nanjary nampahory vahoaka sy nitsetsitra ny harem-pirenena, toy ny nataon-dRakiribiby. Lasa nankahalaina sy natahoran’ny olona, toy ny tamin’ilay iraikalahy taloha koa izy.

Tsapany koa fa nanjary nanana fahavalo maro izy, izay naniry hanala ilay solaitra sy ny seza fiandrianana taminy. Tsy maintsy niatrika fanamby sy fandrahonana tsy tapaka izy, avy amin’ny mpikomy sy ny mpifanandrina ary ny mpamadika. Anisan’ireny i Solohery sy ny mpanara-dia azy.

“Raha azontsika ilay soram-panorona,” hoy indray ity lehiben’ny mpikomy tamin’ny mpanolon-tsainany, “dia hitsangana toy ny olona iray ny vahoaka valalabemandry, ka ho mora amintsika ny handrodana io fanjakana tsy refesi-mandidy mpanao letrezana io, ary hamerina eto indray ny fahafahana sy ny demokrasia.”

Nangalatra solaitra Rajokotsoriaka, dia avy eo nangalatra tolona, izao izy very fanahy. Nandresy tamin’ny lalao izy, saingy resy tanatin’ny fihavanana.


MAHAZO TENY GASY TOKOA !

Comment

MAHAZO TENY GASY TOKOA !


Ny toro-hevitra apetrako, ombieny ombieny, dia hoe : vakio mafy satria rehefa ren’ny sofina ny feo mahazatra dia tsy hanavao ny maso ny litera sy ny soratra. Moa va tsy irony zazakely miana-miteny irony.


Tanisao ny abidian-dRadama : a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z (marihina ihany fa tsy Radama no namolavola io abidia io : ny Misionera britanika no nandroso ny litera ho tanana, ny vahiny frantsay teto no nanome hevitra hanononana ny litera tsy hiovaova : dia Radama hono no nanao hoe «Rehefa A dia a, rehefa E dia e»)... 

Angamba koa ny fampianarana ny teny gasy any an-tsekoly any no tsy mahasarika ny ankizy satria sanatria ka maha-monamonaina tahaka ny tsianjery sekoly alahady. Tokony hatsidika tsindraindray ny zavatra mahatsikaiky.


Isan’ny ezaka manokana andraisako anjara amin’izany no ho tanisaiko anao manaraka eto.


Rehefa avy nibadabada ny abidia tsy misy ny litera vazaha «c, q, u, w, x» dia raiso ny zanatsoratra efatra : «a, e, i, o».


Araho ny sary fanazavana : raha atambatra amin’ny litera telo hafa (ohatra eto f, r, y) dia firy no teny (voambolana) misy dikany na voambolana miteny ? Tsy fanadinana akory ity fa fanazaran-tena tsotsotra rehefa iny vizambizana iny. Samia mitady teny mitovy rafitra amin’io ohatra io ka tsy maintsy misy dikany avokoa ny teny tsirairay isaky ny mivady amin’ny zana-tsoratra voatondro.

Whatever it is, the way you tell your story online can make all the difference.


Tsy fantatro izay mety ho hitanareo any ambadika any fa ny ahy aloha dia io «FARY, FERY, FIRY, FORY» io no tena masaka an-dohako. Raha ny litera «v, r, y» indray ohatra no andramana dia mety ny «vary», mety ny «very», mety ny «vory» fa tsy haiko izay dikan’ny «viry» raha teny misy akory ary io. Tahaka izany koa ny «sary», «sery», «sory», fa inona ary izany hoe «siry» ? Mandringa noho ny «tiry» ny «tary» sy «tery» ary «tory». Raha ny litera «v, d, y» indray : ny «vedy» no tsy azo andraisana ny «vady», «vidy», «vody»... Ny litera «v, l, y» angamba no mety ho azo raisina : «valy», «vely», «vily», «voly», saingy tsy mahazatra intsony ny «valy». 


«FARY, FERY, FIRY, FORY» : aha !, dia mba finaritra miteny ratsy loatra koa izao olona izao, hoy angamba hoy ianao. Ndry, fa angaha moa teny ratsy ny «fory» ? Ka raha teny ratsy ny «fory», izay faritra amin’ny tenan’ny vavy, moa tsy ho teny ratsy ihany koa ny «nono», ny «kibo», ny «fe» ? Ny tena marina dia isan’ireo nozimbain’ny Vazaha io teny «fory» io.


Indray andro, hono, raha niakatra avy any Soatsimanampiovana, Mantasoa toerana niasany, i Jean Laborde, dia izao no tatitra nataony tamin-dRanavalona Reniny : «Vita ilay fourneau». Nisafoaka hono ny Andriana (ny Andriamanjaka no atao hoe ny Andriana) satria hay noheveriny fa «vita ilay forinao» no sahin’ity vazahalahy tonontononina...


Mbola ao an-tsaina hatrany koa ilay hainteny, nanaitra vao niserana indray mandeha monja teo ambany maso : 


Ny kindin’ise ve sarangan’ambiaty ?

Tsy voron’Itasy aho fa vorin’i Tasihanaka

Mahalam-pila aho fa tsy afa-kanina

Tsy atin-kena aho fa atin-kavana


Hainteny, milalao teny, mivolana zaka hafahafa amin’ny sofina ankehitriny. Ka izany ary no fiteny talohan’ny nahatongavan’ny misionera vazaha ! Ny misionera tokoa no nirakitra antsoratra tamin’ny Baiboly ny teny malagasy. Izy ireo ihany koa no nahitana ny Rakibolana tamin’ny taonjato faha-19 : Dictionary of the Malagasy Language (Joseph John Freeman sy David Jones, LMS, 1835) ; Dictionnaire Français-Malgache (Joseph Webber, Jesoita, 1853) ; Malagasy-English Dictionary (James Richardson, LMS, 1885) ; Dictionnaire Malgache-Français (Antoine Abinal sy Victorin Malzac, Jesoita, 1888). François Callet (1822-1885), Jesoita nanangona ny «Tantara ny Andriana», dia indrisy maty talohan’ny nahavitany ilay «dictionnaire» lehibe efa natombony ary nisy sombiny navoakan’ny Akademia Malagasy taty aoriana. 


Isaorana mitafotafo nanangona teny gasy be dia be. Saingy manafintohina ihany koa sahy «nanadio», «nanaisotra», «nanilika» teny gasy sasantsasany lazaina fa «tsy mendrika».


Nialoha ny nanoratana hoe «fivaviana» na «filahiana», inona no teny gasy nanondroana ireo faritra amin’ny tenan’olombelona ? Manahy aho sao dia any amin’ny teny gasy lazaintsika hoe «ratsy» no miafina ireny teny natao anjorombala ireny. Akanga sisa nanamborana amin’ireny teny ireny ny «kindy» (ny an’ireo havana vavy rehetra), ny «fory» (mahasosotra ahoana fa tsy azoko hatrany), ny «lataka».


Mahagaga fa tena «cours d’anatomie» mihitsy no am-bavan’ny Gasy rehefa mingoso izy...


Hitako anaty Kamus Bahasa Melayu fa ny «bibit» dia ny tsiron’ain’ny lahy fa ny «faraj» no «fory»...


Raha mandray «dictionnaire» vazaha ianao dia ahitana tsy misy fihatsaram-belatsihy ireto teny ireto : «testicule», «pénis», «vagin». Indraindray koa, fa arakarakin’ny dictionnaire satria ny rakibolana sasany saro-kenatra, hita ao ny hoe «bite», «quéquette», «zizi», «foufounne», «cul». 


Dia tsy mba izaho kosa no mandainga fa ny dictionnaire mihitsy izany no fatra-piteny ratsy...



VANF (NASOLO-VALIAVO Andriamihaja): Mpanoratra, mpanao gazety, mpandinika fiarahamonina, ary mpamakafaka vaovao monina eto Antananarivo, Madagasikara. Nianatra tao amin’ny Kolejy Masina Misely sy teny amin’ny Oniversite an’Antananarivo (sampana “Lalàna”).

Comment

Momba ny fanagasiana anaran-tsamirery vahiny

Comment

Momba ny fanagasiana anaran-tsamirery vahiny

Tsetsatsetsa tsy aritra momba ny fanagasiana anaran-tsamirery vahiny sasantsasany

Razanabaratra

 

 

Zava-misy

 

Rehefa injay mamaky lahatsoratra iny aho indraindray, dia mba somary gaga ihany mahita ny fomba fiantsointsika ireny anaran’olona vahiny ireny na ireny anaran-tanàna vahiny ireny. Matetika moa dia ny fomba fanoratra azy amin’ny teny frantsay no ampiasaintsika na koa ny fanagasiana ny fanafrantsaiana ireny anaran-tsamirery ireny no ataontsika. Nahoana tokoa moa no izany no lasa mahazatra antsika ? Somary lasa saina ihany aho indraindray satria heverin’ny vahiny ho olona kamo mieritreritra isika na heveriny ho olona tsy mahavita mieritreritra lavitra ka lasa mandika fotsiny. Ny hambom-poko tokoa angamba no tafahoatra ka izany dia manohina ahy. Na izany aza dia ity mba misy sosokevitra omeko. Raiso raha mety aminao, ario raha tsy tianao. 

 

Sosokevitra

 

Fomba roa no hitako azo atao entina managasy anaran’olona na anara-tanàna vahiny. Na ajanona amin’ny anarany niaviany ilay anarana, dia ilay anarany amin’ny fomba fiteniny, na gasiana ilay anarany niaviany. Raha ny fomba voalohany no jerena, dia tsy misy fiovana firy atao ankoatra ny mitady ilay anarana tena niavian’ilay anarana tiantsika ho gasiana. Raha ny fomba faharoa no jerena, dia fanovana faran’izay kely araka ilay anarany niaviany no tokony hataontsika : fanovana ireo litera tsy misy ao amin’ny abidiantsika amin’izay litera misy izay mifanakaiky indrindra, famaranana ilay anarana amina zana-tsoratra (tsy maintsy miafara amina zana-tsoratra ny teny amin’ny teny malagasy raha ny fitadidiako), fandikana ny kianteny amin’ny teny malagasy raha misy.

 

Ohatra

 

Saint Augustin : i Saint Augustin dia filozofy sy mpahaifinoana kristiana romana niaina teo anelanelan’ny taonjato fahaefatra sy ny taonjato fahadimy teo. Saint Augustin ny fomba fampiasantsika matetika ny fiantsoina azy. Amin’ny naha-romana azy dia fantatra fa teny latina no teny fampiasany tamin’ny fotoan’androny, koa tokony ho Aurelius Augustinus na Aurelius Augustinus Hipponensis (izay anarany latina) izany no tokony hiantsointsika azy raha ajanona amin’ny anarany niaviany, na koa tokony ho Masindahy Aogostinosy na Aoreliosy Aogostinosy na Aoreliosy Aogostinosy Hipponensisy.

 

Norvezy : Norvezy dia firenena iray ao avaratr’i Eoropa. Ny teny hoe Norvezy dia fanagasiana ny teny frantsay Norvège, izay fanafrantsaiana ny hoe Norge na Noreg na Norgga. Tokony ho Norge izany no tokony hiantsointsika io firenena io satria izany no mifanakaiky indrindra amin’ny fitenintsika. 

 

Alemana : Alemana dia firenena iray ao Eoropa. Ny teny hoe Alemana dia fanagasiana ny teny frantsay Allemagne. Deutschland no anaran’io firenena io amin’ny teniny ka tokony hajonona ho Deutschland ny fiantsoina azy. Sarotra ihany koa manko ny managasy io anaran-tsamirery io.

 

Nouvelle-Zélande : Nouvelle-Zélande dia firenena iray ao atsimo andrefan’ny Ranomasimbe Pasifika. Teny frantsay ny hoe Nouvelle-Zélande ary izay no ampiasaintsika matetika. Raha jerena anefa dia misy fiteny roa ofisialy iantsoina io firenena io : na New Zeland na Aotearoa (amin’ny teny maori). Ny teny maori dia teny mifanakaiky sy mitovy fianakaviana amin’ny teny malagasy, koa raha ny tokony ho izy dia  mazava fa Aotearoa no tokony hiantsointsika io firenena io.

 

Teny famaranana

 

Maro ireo ohatra mbola azo aroso. Hita aloha fa mety manavao antsika io sosokevitra io, kanefa dia heveriko ho mora kokoa. Tsy hila mpanelanelana (teny frantsay) intsony manko isika vao hahay hiantso anaran’olona na anaran-tanàna, fa tonga dia mivantana avy hatrany amin’ny fanagasiana (raha maniry ny hanagasy).  

Comment

HASOHASO: HO AN'ILAY MPANAO TONONKIRA TANORA

HASOHASO: HO AN'ILAY MPANAO TONONKIRA TANORA

 

"Si le monde a changé, si ma voix elle-même

renonce à ta musique, ô parler ancestral,

et que, sous le sillon du clair Navire-Austral,

elle chante selon une langue que j'aime,

 

le sang héréditaire et l'âme de mes morts,

sève toujours vivante en l'arbre qui décline,

m'animent à jamais comme, sur la colline,

le vent du sud souffle au cœur des ficus tors ... " 

            

Jean-Joseph Rabearivelo (extrait de "Iarivo", Volumes,

Imprimerie de l'Imerina éditions, Antananarivo, 1928).

 

Manana karine iray izay aho. Ataoko ao daholo ny eritreritro, ny an’ny hafa reko kisendrasendra. Na boky hovakiana na voavaky. Na tantara an-tsehatra hitako na tiako ho hita, na tantara nahavariana. Ny an'i Zetwal izay nanonofy sambondanitra vatsian'ny tononkalon'i Aimé Césaire hananika ny habakabaka (poezia no atao angovo !) Na lisitra-mozika. Na sary mahazendana na ireo tenikelin'ireo zanako. Apetrako ao koa ny fifamotoanana tokony hovonjena. Na kasin-teny tsy hay antenaina. Misy ao koa anaram-borona tsy dia fahita hitako tery amin'ny taninahitr’i Caen. Sy tondro samihafa, kojakojan-tsolosaina, fiofanana fanatanjahantena na fivahiniana ianarana teny hafa ho an'ny ankizy amin'ity asara ity. Ny oran'ny Ouibus mankany Parisy. Misy zotra miafina mitondra an'Iarivo koa ao. Tiako atao hoe tononkalo ireo dia omeko lohateny hoe Andininy.

Mahatsiaro olona iray aho, ny handriny mandondona, ny teniny baomba tsy mitsaha-mipoaka. Miteny amin'ity fiteny mihira aminy izy, nefa ao anatiny ao mitomany amin'ny tenin-drazany. Natorony ahy ny lalan-kombana tao anatin'ny Hira(ny) ankolaka (Chants voilés), dia nanaraka aho tsy nahatakatra. 

Tamin'ny andro fohy irain'ny volana jona 1937 dia namono tena tao an-tranony tao Ambatonakanga ny poety Jean-Joseph Rabearivelo. Namela taratasy ho an'ny vady aman-janany izy, ary rehefa avy nanoroka alavitra ny bokin'i Baudelaire dia nitelina sirana-sianora 10 grama « anaty vera misy siramamy ».

Asara izao aty Frantsa. Lasa lavi-masoandro Iarivo miditra anatin'ny andro ririnina. Ny hazo afa-dravina, ny havoana makina, ny tanimbary mavo ary ny renirano an-kitrokely. Mandondona ny tanàna toa ny mahazatra azy Analamanga. Manontany tena aho momba ny maha zava-poana ny fikasako.

Tsy hanoratra intsony afa-tsy ho an'ny tena irery.

Fa iza no tsy manoratra ho an'ny voninahitra, 

Na farafahakeliny ho an'ity hambom-batovandana

Izay sokirin'ny tsirairay anakampo ?

Iny maraina iny, nanoratra izy tamin'ny diariny hoe : « Mahatsikaiky izany hoe latìna teraka teo anivom-bahiny izany.  (…) Ary io, dia izaho mihitsy : amin'ny fomba jadona, an-kerisetra, am-pahariana ». Manindry izy ; ary mijery miakandrefana, mamehy hoe « Tsia, tsy afaka mitohy intsony izany. » Tsy ireo akory no teny farany. Mbola hanoratra izy hatramin'ny itelomany ny katra-kininina « hahavesatra tsara ny loha » ka hatramin'ny vera farany, adiny iray avy eo.

Fa ny fiainanay fatra mpidrikina

Ary tapitra ritran'ny tantely ny vovom-bony.

Teraka tao Antananarivo tamin'ny voalondohan'ny taon-jato faha-roapolo Rabe. Ny reniny sy ireo zamany no nitaiza ity zaza sary – izany no filaza ny zaza teraka tsy manan-dray. Zana-dRalambo ry zareo ; andriana reraka norerahan'ny fanjanahatany sy ny fanafoanana ny fanandevozana tamin'ny 1896. Dimy taona izy no nalefa nianatra tao amin'ny St-Michel ary dimy taona tao aorian’izay dia voaroaka tao. Noho izy namaky boky voarara hono. Nianatra vetivety tamin'ny toeran-kafa ihany izy fa nijanona tanteraka raha izy telo amby folo taona monja. Boky sisa no nihazona ity zazalahy. Vitsy tamin'ireny no teny malagasy. Manabe voho ny teny frantsay rangiranginy izy tamin'ny fifampikasohana tamina-vazaha mpiasam-panjakana iray izay nandray azy ho mpanampy sy mpandika-teny tany ambodin'Ankaratra Ambatolampy. Tapitra voavakiny ny bokin'ny sefo kantao, ary nisy naverimberiny aza. 

Feno fito amby folo taona izy no nody tany Antananarivo, noana boky ary mamba soratra. Poezia. Nanoratra tamin'i Esther Razanadrasoa (1892-1931) izy – izay antsoina koa hoe Anja Z., mpanao gazety sy mpanao tononkalo vehivavy malagasy nahatonta boky voalohany – , nangataka toro-lalana. 

Saro-piaro momba ny teny malagasy Ratovovavy. Latsa-pitia tamin'ny ny teny frantsay kosa Razazalahy. Mandroso ambanin'ny orambaratr'ity vehivavy be mokondoha nefa be fitiavana ity Rabe, mandra-pombàny ny diany maha poety azy ; ny fitiavan'i Esther moa sady misokatra no manokatra. Tantarain'i Douna Loup ao amin'ny Hotsaka (nadika avy amin'ny L'oragé, Mercure de France) ny fifankahitan'izy roa ireo.

Esther sy Rabearivelo. 

Mino aho fa raha miaina amin'izao fotoana izao ireto tanora poety ireto dia hanoritsoritra ireo fiara marobe mameno ny sisin'araben'Antananarivo, hiditra amin'izay fety hitany ary hidongy mikro sy hidradradradra ny slàm-ny doroka, ka tsy hanaiky mihitsy an’izy ireo ny fiadidian'ny Fikambanan'ny poety  na fiadidiana holafitra hafa, na iza na iza. Hanangana angamba izy ireo faritra mahazaka-tena an-tselika, ho an'ny mpitady ravinahi-baovao, hizara haisoratra sy fitiavana tsy manara-pomba. Angamba izy ireo hanaiky mpitia tahaka ahy hiaraka aminy, izaho izay tsy mihira fa mihaino, miaro ny tsiambaratelony, miaro aman'ahimaniry. 

Zato taona lasa izay, feno sonian-drazazalahy ny gazety marobe : K. Verbal, na Andriamatoa io na Ramatoa, Jean Osmé, na koa Amance Valmond. Taty aoriana kely izy, raha namoaka ny amboara-tononkalony voalohany, amin'ny teny frantsay La coupe des cendres (1924), no nandray ny anarana hoe Jean-Joseph Rabearivelo

Tsy niraharaha izay vola aman-karena izy, na nampalahelo ny fianakaviany aza izany. Nokaliany tsara nefa ny famindrany – ho famindrana-poety – sy ny fianjaikany. Tsy niresaka izany vahoaka izany izy. Antananarivo no tiany ary tsy ilaozany firy. Tiany ny mandia ny lalan'Antananarivo, ny elakelantrano sy ny tohatohatra, ary ny mitsidika izay trano azo sy tsy azo idirana, hatramin'ny trano fifohan-java-mahadomelina, ny tranon-dompy, ny filibàna. 

Miasaasa eny izy, irakiraka, mpikirakira dantelina, mpanampy amin'ny tranomboky, mpampianatra an-trano, mpanoratra an-gazety mikarama isan-takila, na maimaim-poana aza tsindraindray, mandra-pahazony asa raikitra tao amin'ny Imprimerie de l'Imerina tamin'ny 1926.

Any ny mpanao dabokandro

Mananika ny lanitra any.

Ny ankabeazan'ny poeziany, ny tantara foronina, ny sombitantara, ary ny diariny dia nosoratany tamin'ny teny frantsay. Nadikany tamin'ny teny gasy ny lahatsoratr'i Baudelaire,  Whitman, Gide, Rilke, Góngora, Valéry, Robert-Edward Hart, …, anitaran-tsaina, ny azy sy ireo namany mpiondam-boky miaraka aminy : Ratany Samuel (1901-1926), Rajaofera Fredy (1902-1968), Raoely James, Élie Raharolahy na Harioley (1901-1945) ary koa Rabekoto Joseph-Honoré na Lys-Ber (1902-1932).

Nitantana gazety sy revio Rabearivelo ary nifanoratra tamin'ny tontolon'ny haisoratra tamin'ny androny. Nandray hatramin'ny taratasy sy boky 30 kilao izy tsindraindray avy amin'ny Messageries maritimes ary nandefa toa izany koa. Indray andron'ny oktobra 1935 dia nanoratra « taratasy telo amby fitopolo izy ho any ivelany (…) ary anisan'izany pejy manga roa ho an'i Gide ». Afaka herinandro vitsivitsy dia dedaka izy fa nahazo « taratasy mendrika andriana : avy amin'i Gide sy avy amin'i Valéry ». Io farany io dia nanome fankasitrahana izay tsy telin-dralehilahy loatra : « Nanao lahasa matotra, mitory herim-po sy fahafoizan-tena ho an'ny Haisoratra frantsay tao amin'ny nosy lehibe (hono) Andriamatoa Jean-Joseph Rabearivelo ».

Tsindraindray izy miara-manoratra amin'ny teny roa, ny iray eo am-pitan'ny ilany, ka tsy fantatra izay nialoha ka nadika. Ao anatin'ny teny frantsay izay nikirizany nefa dia tsy mitsahatra izy ny miantso sy mamelom-bolo ny hanitry ny razana, ary mihira ny very. Fony kely aho nibadabada ny andinin'ny tononkalo iray, vela ho anisan'ny Lova.

Ilay fasako, fasako ihany, / fa ny foko dia fasana koa ! / Io no fasako ivelan’ny tany, / io no fasako iray faharoa.

Natao vazivazy tany am-pianarana ity « fasan'akoho » ity. Tsy fantatro mantsy ny naleviny anakampo. Tsy ho ampy hitsabo ny alahelony ny zava-mahadomelin'Antananarivo manontolo, na ny vehivaviny, na ny aliny. Nisedra tanteraka ny fanjanahatany izy ; ny nofony, ny sainy, ny fanahiny dia nokorotanin'ny fifanosonan'onja samihafa (lohatenin'ny tantara noforoniny tamin'ny 1929 hoe L’Interférence). Tsy fihavanana nofinidy io fa rary tantsorohana. Manainga antsika izy hivoha amin'izao tontolo izao ka hitondra ao ny maha malagasy. Nanangana hetsika izy niaraka tamin-dRajoelisolo Charles sy Ny Avana Ramanantoanina tamin'ny 1931 « Mitady ny very ». Ny asasorany farany dia hasohaso ho an'ny haintenin'ny Ntaolo, nataony amin'ny teny frantsay. Namelany hafatra i Robert Boudry, namany mpitantana asam-panjakana, hamoaka ny bokiny Les Vieilles Chansons des pays d’Imerina

Ny tsy manam-pitiavana ihany no ho faty. 

Iza no hitsoaka ady ?

Mahatsiaro an-dRabearivelo aho, ny handriny mandondona, ny teniny baomba be. Maty aho, hoy izy, fa velon-tsy miaina. Nataony tantara ny fiainany. Eny, na nodorany aza ny diariny enina voalohany tamin'ireo nataony hoe Mes calepins bleus, misy pejy roa arivo mahery eo no tody aty amintsika. Ka na ny nihafarany aza, izy handeha, natsangany toa an-dampihazo an-tsoratra. 

Nitelina siramamy kely aho. Sempotra. Ndeha handry...

« Manaraka eo teny tsy manana endrika mazava, tsy vita, hoatran'ny hoe veloma, na koa sonia », hoy ilay mpanamarika, anaty fonosana, tao amin'ny Œuvres complètes niara-navoakan'ny Tranomboky CNRS sy Présence africaine ...  Notadiaviko tao anaty tranokala ny sarin'ny pejy voasora-tanan-dRabearivelo. Ny fandikany ny poezian'i Paul Valéry no hitako. Nitsonga tononkalo vitsivitsy izy hadika dia nomeny lohateny ny amboara hoe Hantsana ao anaty. Nihivingivin-doha aho, voadonako hatramin'ny jiro tsy nirehitra teo akaikiko.

Amin'ny telo izao. Mandondona am-baravaran'ny lavarangana ny masoandro. Ndeha handoro loha ery an-taninahitra aho. Honahona ampovoan-tanàna, maitso mavana voadidina hazo midoroboka, manintona ny vorona sy ny ankizy izy ity. Eo afovoamboany eo misy farihim-borofotsibe. Mandeha haingana aho, manao dingambe, manitsaka ny fota-maina.

Tamin'ny telo sy roa, izay tolakandro izay. Efa hody ny masoandro. Zara raha 36 taona izy, mety ho 34 aza na 33 ; tsy fantatra marina. Namela zazalahimatoa iray izy, zara raha andolantsento, ary telo mirahavavy zandriny. Zazakely tokoa ny farany ; solon'ilay faravaviny izay nopaohin’ny fahatesana efa-taona teo aloha. Raha nipaika ny lakolosy dia nanoratra izy hoe hikimpy maso hahita an'i Voahangy. Nanao veloma mangina ireo zanany hafa izy dia nandefa azy ireo hanao sakoda. Solofo, Sahondra, Noro ary Velomboahangy. Nafarany Ramary vadiny hianatra asa. Ho mpanjaitra. Misorata anarana hanaraka ny fianarana manontolo. Tsy nisy teny na iray aza ho an'i Paula vazomaminy, izay nahitan'ny mpikaroka tondro avo roa heny noho ny an'ny vadiny anefa tao amin'ny diariny. Sa nahazo taratasy hafa tany ramatoa ? Toa misy koa, hono, any Boky mavokely na mainty avy amin'ny filibany ?

Mary, rankizy, anareo ny fara eritreritro...

Efa ela aho no nihoatra ny taona niainany. Miady aho aty ho lasan-ko razana amin'ny teny fihiran-dRabearivelo. Tsy manao poezia aho fa mamadi-bainga an-tanin-janako. Mitraka mijery ny habakabaka aho tsindraindray, dia avy any andafin'ny hazo am-polony mijoala sy ny tafo an’arivony volon-davenona any misy aloka montsam-bolofotsy. 

−          Iza io eo atsinanam-parihy io ?

−          Zaho ihany, ilay voromangamainty mihira ny fasana anakampo.

 

 

                                                            Caen, faha-22 jona 2017.

 

 

(Nivoaka t@ Takelaka Tsara Soratra, lah. 1, sept-nov 2017)

13 Mey 1972

13 Mey 1972

Toko faha-valo nadikan’Ilaibaliha, avy @ boky “Amour, patrie et soupe de crabe”, nosoratan’i Johary Ravaloson