ANTSAHANEMBONA
Dafy Noely
Moa fantatrao Malala
fa any Antsahanembona…
Ny lanitra diavina,
ny tany lolohavina,
ny vava no mandinika, ny saina no mivolana,
ny fahoriam-panahy no lasa vaha-olana?
Any Antsahanembona
mifototra ny ora,
isika hiha-tanora,
ka ny tsiaro indray no mialoha lalana,
ny efa tsy azo atao no ahazoana alalana …
Any Antsahanembona
tsy misy ny ahiana,
ny tia tsy maintsy ho tiana.
Ny ho avy rehetra dia efa any aoriana
ka ny zava-bita hiofo ho faniriana.
Any Antsahanembona
no entiko ianao hiala sorisory
raha tsy mahita tory.
Tangosako ho anao eny an-tsisin-dalana,
ny voninkazo rehetra maniry mitsivalana.
Raha iny ianao moa reraka, ho entiko hiala sasatra
amoron-drenirano mikoriana miakatra.
Any Antsahanembona
ny soratra manidina.
Ny teny no mitoetra.
Ny fiakarana dia midina amin’ny lalana rehetra
k’ireo mpandeha lanaka … no indro indray matanjaka.
Dia any Antsahanembona
ny filan’ny nofy,
dia tsy iriana intsony,
fa sainina dia ary.
… Raha toa ianao ka leo,
ny vohitry ny nofy tsy tena lavitra eo
f’indray mahamasa-bary…
Dafy Noely Mpanoratsora-poana
30/03/2014
Dafy Noely: mpanoratra mitety ny lohasaha sy havoanan’ny lohahevitra maro samihafa ; indraindray mampihomehy, mazàna mampalahelo fa matetika manetsika ny saina sy ny fon’ny mpamaky hamerina hamaky fanindroany. Tsy tononkalo ny ahy ireny, hoy izy … fa soratsora-poana.