TIAKO IANAO

 Maharavo.A


Angamba tsy hay intsony
Ireo izay mety hiseho
Fa toa manembona azy
Ny fanahy mivelovelo

Te hiantso an-telefaonina
Te hiaona aminy ihany koa
Te hanambara aminy hoe"tiako ianao"
Te hanamafy hoe"tiako re ianao"
         K'anefa ankehitriny
Vahotra ny vavako
Hanambara ilay fitiavako
     Hoe
Tiako ianao rahavako
Tsy foiko ianao ry malalako.

Ity foko tony hono
     Indrisy
Toa manembon-dava
Mahatsiahy azy indray
Ka maloka ny tava.

Ny hany ao an-tsaiko
Dia faly mitanisa,mamisavisa
Ireo izay ao an-dohako,ao an-tsaiko
       hoe
Mba mahatsiaro ahy ihany ary ve?
Izay havako izay
  sa
Lasa nanadino ny amiko koa va re?
Izay malalako izay.


         Maharavo.A

Comment