FESIBOKY : SOLIKA FANDREHITRA SA POIZINA HO AN’NY LITERATIORA ?

Riambola Mitia

Fesiboky : mampifanakaiky ny mifanalavitra hoy ny sasany ; mampifanalavitra ny mifanakaiky hoy ny hafa. Marina izany. Fitaovam-pifaneraserana isan’ny be mpampiasa indrindra maneran-tany ny Fesiboky. Tsy natao ho sehatra hifaneraserana fotsiny anefa fa kianja iray hifanakalozana sy hifampizarana ny “MANTA” sy ny “MASAKA” ihany koa. MANTA satria tsy ny tsara sy ny mahasoa rehetra akory no hita ao. MASAKA satria ahitana ny mahasoa sy mahafinaritra ihany koa.

 

Fesiboky : solika fandrehitra mampiroborobo ny literatiora.

Aman-jatony ireo mpanoratra teraka tato anatin’ny folo taona farany noho ny fifanakalozana sy fifaneraserana tao amin’ny Fesiboky, indrindra fa ny mpanao tononkalo. Toa antso manainga ny hafa hanoratra ohatra ny fizarana tononkalo ataon’ny Poeta iray. Tsy voatery hamoaka ny sanganasany amin’ny Boky aman-gazety (izay sarotra sy lafo) ny mpanoratra dia afaka mizara ny vetsovetsom-pony sy ny aingam-panahiny. Malalaka rahateo ny fanapariahana ary tsy misy sivana.

Fesiboky : Poizina ho an’ny literatiora

Etsy an-kilany anefa toa sambon-danitra hamarina ny literatiora any an-kady ny Fesiboky. Be tsy andraofana ireo asa soratra mivoaka ankehtriny satria tsy misy sivana ny fanapariahana azy. Manjary  misora-tena ho poeta ireo izay mahavita “adi-rima” kely sy “ tora-po” mirediredy. Manampy trotraka izany ny fanafohizan-teny mamiravira ny teny malagasy. Farany, raha tahiny ka mahafeno ny fepetra kanto takiana amin’ny literatiora ny asa soratra mivoaka dia tsy azo antoka ny fiarovana azy.

 

Na izany aza anefa, mila mahay manavaka ny voatsiparifary sy ny vary isika. Sehatra iray azo hampivelarana sy hampiroboroboana ny literatiora ny Fesiboky raha samy mahay mampiasa azy araka ny tokony ho izy isika. Tsy tokony maika hizara sy handray be fahatany koa anefa fa poizina mety hamono sy hanimba ny literatiora malagasy izany.

 

Riambola Mitia

 Martsa 2016

 

Riambola Mitia,  Mpandrindra, Faribolana Sandratra, Antananarivo, Madagascar


Comment