AMBOHITSITAITRA

SOLOFO José

Tsy tamin'ny taonjato taloha be tany akory no nitrangan'ity tantara ity, fa tamin'ity taonarivo fahatelo vao hisandratra ity.

 

Isa-maraina, mbola tsy mitranga akory ny masoandro, dia io Rasoahanitra kingakinga ery mamafa tokontany. Zava-panaony efa mahazatra azy isanandro ny manadio ny tanànany toy izao. Saina mirana sy fo falifaly no entiny mampihetsiketsika ny kifafa hanilika sy hanosika ravinkazo mihintsana sy ny fakofako naparitaky ny rivotra. Tsy misy laina na hasosorana ho an-dRasoahanitra no manao izao fa heveriny ho toy ny asa sarobibidy miantoka ny fahaveloman'izy mianakavy. Telo mianadahy no zanak'izy sy Rafetraniaina vadiny. Raha ny marina dia samy tia mifoha maraina izy dimy mianaka. Rangahy vadiny no miezaka mikarakara ny fitaovana hoentiny miasa fa mpanao asa tanana izy. Rondro vavimatoany mikarakara ny sakafo maraina, Narisolo sy Barifaly zandriny mifampizara raharaha manadio trano, na raha tsy izany mamita enti-mody na mamerin-desona.

Rehefa vita ny fafa tokontany, dia mifindra eo amin'ny zaridaina kely indray Rasoahanitra manamboatra sy mikolokolo ireo voninkazo mivelatra vao maraina. Tahaka ny inona ny hafaliany mikarakara ireto pika, sy dalia ary raozy sy ny mavoadala. Fahafinaretana manokana ho azy no manamboatra ireo zava-maniry samihafa loko maharendrika fanahy ireo. Raha mbola somokotra teo amin'ny voninkazo teo izy no tamy nanatona azy i Barifaly, zanany faralahy, ka nanao hoe : "O ry neny a, avy ange i neny raha hijery ao akaikin'ny vavahadintsika ao fa feno fako mitobo ao!"

-Feno fako ahoana ry Bary, iza no nanao izany?

-Tsy fantatro ry neny...sao dia ry zareo ato atsimo ary? Efa hitako mantsy i Noely zanaky Ramatoa rangory nametra fako teo indray mandeha, dia nitsoaka nandositra.

-Marina ve izany ry Bary? sady tafatsangana Rasoa. Aleo hoe hanontaniana Ramatoa Rangory fa tsy mety kosa izany ataon'ny zanany izany.

Iny izy namonjy ny vavahady handeha hiazo ny tokontanin-dry Rangory mianakavy, izay mifanolo-bodirindrina aminy. Avy hatrany dia nandondona Rasoahanitra. Namerina nandona fanindroany, fanintelony izy vao nisy namoha, ary tsy iza fa Ramatoa Rangory mihitsy, amin'izato volo misaritaka sy ny akanjo mandry miroraka no nandray azy.

Hay ve Ramatoa Rasoa e, ahoana izay? hoy Rangory hendratrendratra.

-Izaho ihany re, hoy Rasoa saikatsaikatra. Azafady indrindra fa manelingelina anareo vao maraina aho. Tsy izany ho'aho fa tonga hampandre anao aho: azafady indrindra re, mba teneno ny ankizy rehefa manary fako fa atobiny fotsiny eo am-bavahadinay e!

Nivandravandra sady nisafoaka Ramatoa Rangory nandre izany: "O Ramatoa ity an! Ahoana no ilazanao fa ny zanako no nanary fako tany amin'ny vavahadinareo? Iza no nahita an'izany?"

- Zanaka iaraha-manana re Ramatoa Rangory ô, aza atao mahatezitra anao fa tenenintsika izy rehefa misy tsy mety ataony. I Noely zanakao mantsy no hitan'ny zanako nametraka ny fakonareo teo akaikin'ny vavahady, fa mba teneno ihany izy, fa ny fahadiovana ange antsika rehetra e...

Vao mainka nisendoatran'ny hatezerana Ramatoa Rangory nandre izany:

- Endrikendrika fotsiny izany Ramatoa ity a! Tsy nisy vavolombelona nahitan'izany. Ny zanakao no te hanasoketa ny zanako fa tsy misy an'izany. Ny anay ny fako hariva dia efa arianay. Tsy ianareo akory no hampianatra anay ny fahadiovana.

Ary raha izay fako any ambavahadinareo, làlana fandalovan'ny olon-drehetra io ka afaka manary fako eo daholo izay te-hanary. Tadidio koa fa anjaran'ny tsirairay no manadio ny isam-baravarany, f'aza aty ianao no manasa vangy amin'izay fako mitoby any. Sady izay fako any ivelany any, tsy anjaranay izany fa anjaran'ny mpikarakara ny tanàna" .

- Tsy izany mantsy fa amin'ny maha mpifanolo-bodirindrina antsika dia tsy nihafahafa aho mampilaza aminao, fa milaina ny hanan-dratsy e!  hoy Ramatoa Rosoa, somary malefadefaka.

- Anareo any ny fakonareo, fa aza kotabaina amin'izany izahay, hoy Ramatoa Rangory vao mainka nanao angoa-tenda.

- Eny ary re..., hoy Ramatoa Rasoa nanao tari-dositra.

- Lasa ianao e! hoy Ramatoa Rangory nihiaka mafimafy kokoa.

Nitsoaka haingana Ramatoa Rasoa nahare izany, hany ka saika nitrotrongy teo amin'ny tokonam-baravarana izy fa nahadona tsy nahy ilan-kiraro iray hadino teo amin'ny varavaran-dry Rangory mianakavy.

Ny fahatongavan-dRamatoa Rasoa tao amin-dry Rangory mianakavy no toa lakolosy fanairana ho azy hahatsiaro fa efa tokony hikarakara tokantrano izy. Nampiaka-peo avy hatrany izy, niantso an'i Lène vavimatoany.

- O ry Lène a, sasao ireo vilia avy nihinanam-bary alina ireo, fa aza avela hitoby ao an-dakozia ao fotsiny e!

- Mbola manao zavatra aho, hoy Lène, fa anjaran'i Soa izao no manasa vilia.

- Poika, anjaran'i Lène izao, fa izaho tsy mahavita, hoy i Soa namaly lavitra.

- Aza ilaozanareo mifanilaka eo, hoy Ramatoa Rangory, jereo ny servieta itony mihantonkantona ety ambony seza, ny kiraro ety am-baravarana, ny vilany apetrakareo amin'ny tany, ...".

Kotaba toy ny any an-tsena no re nanaraka izay, satria nifamahofaho tao ny fanilahana andraikitra sy ny taraina isan-karazany. Raha afaka nitsofoka tao an-tokantranon-dRangory mianakavy tokoa ianao tamin'io fotoana io, dia mety ho kivy ihany amin'ny haloton'ny trano: ny vilian'izy dimy mianaka avy nihinanana ny alina - Rangory mivady ary izy telo mianadahy zanany - dia mivangongo ao an-dakozia, feno varimasaka. Vao avy nitsoriaka teo aza ny voalavo avy naka ny anjarany. Ny akanjon'izy dimy mianaka miampatrampatra eny amin'ny seza fandraisam-bahiny, izay efa vasoka sy rovidrovitra be ihany ny lambany, ny sisin-drindrina ambony mampirantiranty tranon-kala, tsy nandalovan'ny kifafa fotoana ela ihany koa... Ary tsy nisy diso ny tenin-dRasoa fa vao avy nanary fako efatr'andro nitoby teo an-joron'ny lalan-tsara i Noely, zana-dRangory faralahy, rehefa avy nifanilaka izy sy Soa. Nalaina hamonjy ny fanariam-pako i Noely, ka natsipiny haingana dia haingana teo am-bodim-bavahadin-dry Ramatoa Rasoa ny fako iray daba. Ny fihetsika toy ireny, dia tonga amin'ny fiteny mahazatra hoe; "mandeha ho azy". Ny hoditr'akondro atsipy eny rehetra eny, ny poti-taratasy alatsaka etsy sy eroa, ny fako aparitaka eran'ny làlana, ny akanjo tsy voasasa sy tsy voazaitra intsony mbamin'ny tena tsy voadio intsony, tsy eritreritina intsony fa zava-mahazatra, "mandeha ho azy". Hahagaga ve raha hisavovona ny fako sy ny loto rehefa ifandimbiasan'ny andro sy ny volana eo? Tsy misy taitra amin'izany intsony ny ankabeazan'ny olona fa efa zava-mahazatra iainana isan'andro.

Volana vitsivitsy taorian'izay, dia nahatsikaritra zavatra hafahafa tao amin-dry Ramatoa Rangory mianakavy, ry Ramatoa Rasoa. Nisy olo-maromaro nifamezivezy tao an-tanànan-dry Rangory, ary ny tena nanaitra ny maso tamin'ireny dia ireo mpiasan'ny Ministeran'ny Fahasalamana, mpandraraka D. D. T. na fanafody. Andro vitsivitsy taorian'izany, dia zaza roa no maty tao amin-dRamatoa Rangory, dia i Soa sy Noely. Toa "Peste" angaha hono no nahafaty azy ireo. Raha sendra nijery fahitalavitra ry Ramatoa Rasoa mimy mianaka iny hariva iny, dia tsy nisalasala intsony izy ireo tamin'ny fisian'ny "peste tao an-tanàna. Hoy ilay tompon'andraikitra iray sady be takolaka no be hatoko, raha niteny teo amin'ny fahitalavitra :

- Aoka ho mailo isika rehetra, fa miverina izao ny areti-mandoza eto an-tanàna.Faritra maromaro no tratran'ny Pesta eto amintsika. Ka samia mailo, fongory ny voalavo fa ireny no mpitondra pesta, izay areti-mandoza mandripaka ain'olona maro. Noho ny tsy fahampiana ara-bola dia mivaongongo izaitsizy ny fako teto an-tanàna tato ho ato. Tsy azo ekena intsony izany. Hanao izay fara heriny ny fanjakana hifandray amin'ny havana avy any Dilambato, mba hanohana antsika ara-bola izy ireo amin'ny fandringanana ity areti-mandoza ity, dia ny pesta, Samia...

Sempotry ny hatezerana Rasoa ka nopihiny ny fahitalavitra. Nihoraka ny eran'ny trano : "Fa ahoana?. ...Nahoana no notapahinao?...Fa ahoana izao?"

- Leo aho ry izy mianakavy, hoy Rasoa...Efa tonga ve ny loza vao mikoropaka. Naninona no tsy samy miezaka nitandro ny fahadiovana ny tsirairay, hisorohana ny loza dieny mialoha? Nahoana no efa mivangongo ny loto vao hoe : fongory ny voalavo? Nahoana no nandrasana hihatra ny loza vao hidodododo hangataka fanampiana avy any ivelany? Tsy hadalako akory rankizy ny mifoha maraina isan'andro manadio tokontany sy mikarakara zaridaina. Izao toa hery very maina ny ahy satria eto ambodin-tranontsika no tonga ny pesta. Na madio aza ny tena, tandindomin-doza ihany noho ny loton'ny manodidina!...

Efa mby an-koditra ny fahavoazana; efa zary fahazarana ny "mandeha ho azy" sy ny tsy firaikana amin'ny loto. Iza no hihaino ny dradradradran-dRasoa sy mba hahay haka ny toetrany madio? Izy ilay mpanadio ny tanànany isa-maraina, mikarakara voninkazo. Tsy mahalala sasatra fa mifoha vao maraina mamafa tokontany, raha ny marina dia heveriny ho fanatanjahan-tena ho azy ny fifohazana maraina, manamboatra zaridaina, manentana tsy an-kijanona ny ankohanany ho tia sy zatra madio. Firy no hahatsiaro tena haka tahaka ny fanaon-dRasoa amin'ny fikojakojana ny tontolo iainana? Firy no mahatakatra fa raha tsy ifarimbonana ny fanadiovana ny tanàna, ny lalan-kely, ny arabe, dia toy ny miompy an-kolaka ny voalavo ihany ary mitahiry aretina ambadika? Toa maro amin'ny mponin'Ambohitsitaitra no manao toy izany satria mandry fahizay ny tanànan'Ambohitsitaitra ao anatin'ny tsy fahavaran-tena, ny loto ary ny baranahiny. Ambohitsitaitra; tsy rototra, miesona tanteraka eo ambany loza mitatao.

SOLOFO José (09/04/1947 – 13/02/2014)

(niniana nasiana daty)

 

 

Comment