HO ANAO

Hoby RASOLOFOARIMASY

 

Ato anaty diam-peniko no hilazako izao:
Fa impiry moa ny foko no nidoboka ho anao;
Toa tsy haiko ny hanisa fa ezahiko lazaina,
Hoe tena babonao tanteraka ny fo sy ny saina. 

Tsy vitsy ihany koa ireo teny efa nolazaiko,
Fa ianao ilay fanilo sy mpanohana ny aiko;
Ilay hany mpampikalo amin’ny oram-pifaliana,
Nefa kosa mampahery amin’ny androm-pahoriana.

 Ianao ilay tokana notiavina ka mamy sy lalaina,
Toa masoandron’ity fo, manazava raha maraina;

Tonga tara-bolana mandravaka ny alina…
Izany no manainga ahy hivetso sy handalina.

Ianao no mamy indrindra, tiana ka tsy foina,
Tsy hovitan’ity fo ny hametraka fanadinoana
Na ho mafy sy ho sarotrany lalana hodiavina,

Ny ahy ny voady dia izao, ianao ihany no ho tiavina.

Hoby RASOLOFOARIMASY

Febroary 2007

 

 

Hoby RASOLOFOARIMASY dia poeta, monina ao Ivato, mpianatra mpikaroka eny amin'ny anjerimanontolo.

3 Comments