Ekeko
Voromahery
Ekeko ny miakatra ho valim-pidinana
Ekeko ny maloka aorian’ny mirana
Ekeko ny alina sy ny maraina
Ekeko ny erika sy ny andro maina
Ekeko ny sento mitondra fisainana
Ekeko ny dona f’izany ny fiainana
Ekeko ny fery hanolatra ampitso
Ekeko ny ho marina, ekeko ny ho diso
Ekeko ny lahatra sy ny anjara
Ekeko ny resy, ekeko ny amboara
Ekeko ny vintana, tody sy tendry
Ekeko ny ho adala, ekeko ny ho hendry
Ekeko izay sisa… izay tsy azoko hanoharana
Ekeko Rafahafatesana mangarangarana
Ekeko ny Ray Zanahary Tsitoha
Ekeko Izy Irery fa Izy Filoha!
Fa tsy ekeko kosa ny ho lavo sy ketraka
Ka hiery sy hatahotra noho ireny fetaka
Fa hiarina hatrany, hiady sy hitolona
Hanao rehareha “Ny Fanahy no maha-olona”
Tsy ekeko koa ny ho bado sy votsa
Ka ho atao fihomehezana sy maty fosa
Fa hianatra indrindra haranitra tsara
Mba hisy ho ampitaina amin’ny dimby sy fara
Tsy ekeko indrindra ireny tsy an-kihetsika
Hoe fota-mandrevo ka tsy maintsy hilentika
Fa raha toa ka tsy trondro ka tsy mahay milomano
Dia hamorona elatra ho toy ny vano
Tsy ekeko tanteraka ny miala an-daharana
Ny misongotsongona sy ny mibahana
Fa tokony samy hahandry ny fiaingany
Ary samy hahazaka ny onjan’ny fiainany
Voromahery
25/10/16 (23:47)
I Voromahery dia mpiangaly soratra sy mpikirakira volana monina eto Antananarivo. Tia manao tononkalo ary mpandala ny teny Malagasy. Ny tarigetrany dia ny hoe "Elatra no akopaka, mijoro tsy mikoropaka".