Raozy dia...

Ny Maoza


Mandrotsirotsy akia ny oran-tsasakalina nefa mbola hotsapandry fa hivimbin-tsento lalina ny volana mifoha...
Eny e... iny indry ho antsoiny dia sady homamoiny ami 'ny teny mamy, tsy mbola renao tsaika ny afo tamin'izany ka handoro avy hatrany.
Hitsiky indry finaritra fa nodinihany maharitra e! Ary hirodorodo ny doboky ny fo, dia hanomboka hikimpy ny maso anakiroa ary haka rehitra lay afon'ny fitia MANOMBOKA MAMONY AKIA ILAY RAOZY DIA
ka...
tsy ho vatrandry afenina ny vazo mianjoria, tsy hay ampandeferina ny maso te hahita, manomboka mivelatra ny felan-draozy dia... hanomboka hisarangotra ny tsilony masiaka....Tselatr'afo monja tanaty iray minitra dia midrikina nh fo , ny fitiavana maditra rehefa
tafafoha...
Saingy satrindry hiserana sao dia mba sakanany, sao dia mba tantanany sao dia mba ho arahiny sao dia mba kitihany na 'fotsiny hoe dinihany'!
Manim-pofo-manitra ei ny raozy maka orona dia ho lasalasamborona ny nofiny manjeny... hiezaka hanafina fa ny fihetsika miteny dia mody mba midrikina, mody mba kizintina, modimody sosotra, mody mba mandositra nefa hifangalam-piery sy hanao ankiafina amin'ny masony mijery. Dia hoe iny fa tsy taitra dia mody tsy miraika, ny famindra anefa amboarina dia miezaka manafina lay tsiky
nangalarina...
Hamony vonifanja ny raozy mavokely, dia avy ny tantely handrobaka ny vony..ho trobaka ny fony... Ny tantely ange miremby e, indry no te hamony, izy angah mitady afa-tsy izay ahazoana vony... rehefa azony ny mamy ... lasa izy mody, indry kosa hitomany dia hiantsoantso tody... tsy misy fanafody, ny volana ozonina ny volana tazonina fa izy nampamoa ny vonin'ny fitia, izy nampamelana ilay RAOZY DIA.
ny maoza
20-02-17

 

Ny maoza hono dia olo-noforonina ho an'ny fiarahamonina... mpanoratra mandalo sedra ao amin'ny havatsa upem Miarinarivo.

Comment