Fo mafy loha
Joely
Bedy indray ny foko
Bedin'iza? ...Bediko ihany
Nitia an-tsokosoko
Tsy miera, tsy mba manontany
Fa avy hatrany dia miroboka
Tsy mahalala izay hahafaty
Maika ery ny hidobodoka
Kanefa avy eo tsy mahatanty
Mbola hovidiany lafo
F'izy tsy mba mety fay
Tena tia milalao afo
'Nefa tsy mahay ody may
Fo tsy misy saina
Fo malaky manadino
Efa impiry nambakaina
Fa mbola mirimorimo
Bedy indray ny foko
F'izy no manao ny adalàny
Miseho mitia an-tsokosoko
...Dia izaho no mitomany
Joely
03 marsa 2016
Joely: Rajoelisoa Andrianina no anarany, mpanao gazety, mpanolotra vaovao ao amin'ny TVM izy, mpanoratra ihany koa. Tononkalo no tena soratany, amin'ny teny malagasy sy amin'ny teny frantsay.