TEBITEBY
SOANAMPOINIMIALY
"Miantsa tebiteby indray angamba izao
ilay sarakatikely iray nampikaika ny fanahy.
Ireny sombi-tsiki-tselatra niranty imolotrao
zary lasana nidify nosemporin'ahiahy.
Irony vinanto-tsikirity efatra niserana nandalo
efa nikopakelatra ho any ampara-vazatany.
Aiza ve ka ilay tonom-bintam-bodi-Adalo
toa tsy nety tafa hono dia noravain-ko Asorotany.
Ny Adaoroko aza anie norobaina ho Alakaosy,
sangimahery ve izany sa sangodim-panina ihany?
Mohara tsotra izao ve no ataonao feno paosy?
Fa ianao ve ho’a mitapy sa midoroka vinany e?
Ny kabary politika izao no ventesin-ko hirahira.
Ny difisesinao fahiny e lasa randram-boto rasta.
Mba tsofy rano tsara re fa izaho andeha hifady sira
fa mitady hanonganonga be izao ny tosi-drà."
Soanampoinimialy
Mpanoratra sy Poeta monina any Etazonia i Soanampoinimialy. Vao namoaka boky amboaran-tononkalo "Volana sy Vinany" izy tamin'ny 2016.