VODIONDRY VONJIMAIKA
E.RANDRIAMAMONJY
Nisavoritaka be ihany ny fianakaviana fa rehefa tonga ny krismasy sy ny faran’ny taona ary ny taom-baovao dia maro ny adidy tiana hovitaina mandritra ireo fotoana tsy iasana. Tsy vitan’ny fanehoam-pifaliana sy fiarahabana ny ray aman-dreny, fa mbola hararaotin’ny zatovo koa ny fanatanterahana ny fikasany hanorin-tokantrano.
Koa indray andro, alohan’ny taom-baovao indrindra no niseho ny tantara.
Alohan’ny hanamasinana ny fanamba-dian’ireto tanora, dia natao ny fanateram-bodiondry tany amin-drazazavavy. Maromaro ihany ny fianakaviana no indray nirohotra mba hisorohana ny fahadisoam-potoana any am-piangonana fa efa leon’ny « fotoan-gasy »,hono, ilay zokiolona voatendry ho mpandrindra ny fizotry ny raharaha. rehetra.Izy rahateo no nofidina hikabary.
- Manala-baraka antsika mianakavy mihitsy ity « fotoan-gasy » ity ka tsy ekeko intsony. Miara-miala eto an-trano daholo isika rehetra ary tsy misy misaratsaraka. mandra-pahavitan’ny raharaha rehetra. Mazava izay.
- Eny re , ry dadatoa, hoy ny olona rehetra samy nankato ilay baiko. Dia ianao izany no hanao ny kabary fanateram-bodiondry ka aza atao lava loatra toy ny mahazatra anao, sao dia ilaozan ‘ny pasitera eo isika . Izy koa tsy mahazaka ny fahadisoam-potoana, sao hisy fanambadiana hahemotra eo indray !
Nizotra tsara ny raharaha, nafana sy navesa-danja ny kabary fangatahana sy ny kabary fanolorana an-drazazavavy, ny anatranatra sy ny saotra sy ny tsodrano .
- Ary mbola misy teny indraim-bava hatao aminareo, tompoko, hoy indray i dadatoa, tsy hoe teny hadino tsy akory fa niniana natao vodilàlana satria fanomezam-boninahitra anareo. Koa noho izato famohanareo varavarana midanadana, noho ny fanomezanareo madio mangarangarana ny ho fara sy ho dimby nangatahinay, dia avy izahay manatitra ny vodiondry ho fehin’ny fanambadian’ireto zanatsika ary ho hajam-bolana araka ny fomban-drazana.
Dia samy nangina ny olona, niandry izay hanolotra ny valopy-vodiondry. Tsy nisy nihetsika na ny andaniny na ny ankilany.
Mbola notohizan’i dadatoa ny kabariny :
- Ianareo tsy mivaro-janaka, izahay tsy mividy zanaka. Ny omby rangaranga no sahaza anareo, ny ondrilahy be hofaka no antonona anareo, ny tranobe soa no mendrika anareo, fa ny kely entinay, dia araka ny fiteny hoe : « Akoholahy mikohokoho vavy, tsy hanin-kahavoky fa volan-kifanajana ». Antonona ny tana-manolotra fa tsy sahaza anareo tolorana.
Tsy mbola nisy nikasaosaoka akory fa samy mbola niandry, dia niandry.
Dia mbola notohizan’i dadatoa ny kabariny sady nangarom-paosy izy, nitsapatsapa.
Dia izay vao nifampijerijery sy nifampanontany tamin’ny maso nivandravandra ny fianakaviana mpangataka.Dia nisy roa na telo samy nangarom-paosy koa, nisavasava, dia nisintona vola taratasy sady nibitsibitsika hoe : « Sao dia misy valopy any aminareo ? » - « Tsy misy » na « Tsy manana aho na valopy na vola » no valim-bitsibitsika.
Ela ny ela ka nahasarika valopy ihany i dadatoa, dia izy no nanolotra ilay « vodiondry » izay natevintevina ihany tokoa.
- ... Raha tsy hoe efa fomba nentin’ny razana sy fehin’ny fanambadiana dia ho nataonay hoe , avela ho entin’ny zanatsika mitokan-trano ! hoy ny valintenin’ny mpikabary-mpamoaka. Ary betsaka tokoa izy ity, hitanareo fa matevintevina tokoa, fa dia fankasitrahana no ataonay ary dia ho marin-tokantrano anie ny zanatsika, ho maro fara, ho maro dimby...
Dia naroso ny sakafo maivana, natao maimaika ihany satria somary nitaritarka ihany ny kabarin’i dadatoa teo.
Vao tonga teo an-tokotany, dia niberoka i dadatoa :
- Fa iza no nandray ny vodiondry teo ambony latabatra ? Ialahy,ry Maro, no nasaina nanolotra ny vodiondry ! Nataon’ialahy aiza ilay valopy ?
- Tsy aty amiko ilay valopy ! Nieritreritra ihany aho mantsy hoe : vodiakoho ho an’i Nenibe moa izy ity sa ...? Dia ny vodiakoho no masaka tao an-tsaiko ! Any an-trano ilay valopy, eo ambony latabatra. Vodiondry koa moa ka atao any anaty valopy, aiza no tsy ho tavela !
Dia samy nitsikimokimoka teo ny olona nandre ny tenin’i Maro ka vao mainka nisalahotaka i dadatoa.
- Mangina ianao, ry Maro ! Ny olona efa sahirana ka mbola vazivazinao indray !.
-Vita re iny, soa ihany fa nisy vola tany aminao, sady efa tao anaty valopy ! hoy ny renin’i Maro nampitony an’i dadatoa efa nisafoaka mafy. ‘Ndao, sao dia hilaozan’i pasitera eo isika !
-Tsia, hoy i dadatoa, manaova paipaika ianareo, dia mividiana valopy haingana !
Tsy misy miala eto raha tsy soloina ilay vodiondry lasa any.
- An an ! hoy i dada, rehefa avy any am-piangonana izany karakaraina fa manala baraka eto imason’ny fianakaviana andaniny ! ‘Ndao !
Gagagaga tokoa mantsy ny fianakavian-drazazavavy :
- Fa misy inona ? hoy ny fanontaniana nibitsibitsika tao anaty olona tao.
- Tsy misy inona, fa ‘ndao, hoy ilay tovolahy hampaka-bady saikitsaikitra be ihany ka nitarika ny vadiny hanatona ny fiara efa niraondraona.
Taty aoriana vao fantatra fa ny vola fisotroan-drononon’i dadatoa telo volana, noraisiny omalin’io no nataony solom-bodiondry vonjimaika. Ny ampitson’iny andro fampakarana iny, dia i dadatoa mihitsy no niara-dia tamin’ny rain’i Maro hanazava ny fifandisoan’ny valopy tany amin’ny fianakavian-drazazavavy fa tena hadino teo ambony latabatra tokoa ilay vodiondry efa nomanina.
-Ary azafady re, tompoko, alohan’ny hisarahana ,hoy hono, izy, teo am-pandraisana sy valopy izay notsapatsapainy. Azafady re fa ity ny taratasy fisotroan-drononoko, koa hisaintsika aloha izay tavela ao anaty valopy. Raha miady ny kaonty, arahaba soa, arahaba tsara. Raha tsy miady kosa, dia tsy hiala eto isika, ry zanako.
-Ka nohidina avy hatrany anie, ry Dada, ny valopy raha vantany vao voaray!
-Eee! Aoka hazava eto anatrehan’ireto vavolombelona. Tsara ny mangarahara!
Niady ny kaonty vao nifanao veloma ny roa tonta.
E.RANDRIAMAMONJY
E.R.Randriamamonjy, mpanoratra, Tale Jeneralin'ny Foibe momba ny Teny an'ny Akademia Malagasy