Ny anganon'ny vitsika sy ny lalitra

Soanampoinimialy

Nifanena tery akaikin’ny hotely fisakafoanana zaimaika iray tao antampon' ilay tanana malaza antsoina hoe Antananamalaza hono Ralalitra sy Ravitsika indray takariva nandrahona izay. Ravitsika moa somokotra nibaby fotsim-bary masaka lehibe vonto ronono sy tantely vao avy nalainy tany amin’ny lakozian’ilay hotely. Ralalitra kosa nivezivezy ningonongonona sy niraondraona teo amboniny teo. Toy ny biby manjeny fotsiny fa tsy dia nazava loatra hoe inona no nataony, na koa hoe avy taiza izy ka ho aiza. Raha olombelona angamba izy dia efa nisy nanatsatso hoe 'very fanahy mbola velona.' Izy anefa lalitrra ihany ka tsy fantatro tsara na manana na tsy manana fanahy.

“Manao ahoana tompoko o!” hoy Ravitsika tonga dia niarahaba sady nitsiky. Tamim-pahalalam-pomba sy tamin’ny fo madio no nanaovany an’izany na dia efa torovan’ny batilazy aza ny tenany.

Tsy namaly avy hatrany ilay arahaba anefa Ralalitra. Nalainy ambony sy nalainy ambany aloha Ravitsika. Rehefa izay vao nivatravatra izy ka nanontany hoe : “Mba iza moa ianao ry ilay biby kely mahonena mirefarefa amin’ny tany kanefa dia sahy misavika saranga manaka-dresaka aminay biby mihaja?” Ohatra ireny vazaha miteny malagasy ireny Ralalitra rehefa miresaka. Taritaritiny sy ahodikodiny ela amin’ny lelany ny litera ‘r’ vao tononony. Ny litera ‘z’ moa tsy mba antendronify toy ny fanaontsika malagasy fa nivoaka avy any amin’ny lanilany any.

“Ravitsika no anarako, tompoko, vitsika mpanompo sy mpiremby sakafo ary mpitatitra entana ho an-Rabodorenimbitsika III, mpanjakavavin’ny vitsika, monina ao Ankazonkitay aho,” hoy Ravitiska tamim-pahatsorana. Somary gaga ihany izy nandre ny fomba firesak’ilay lalitra donga donga nivolomangamaitso nihodinkodina teo amboniny teo. “Ary ianao moa no iza ry biby mihaja, raha toa ka tsy tena mahadiso loatra?”

“Izzzzaho no atao hoe Monsieur Ralalitra, 15 Voninahitra, sady Tandapa naman’ny mpanjakan’ny olona no sakaizan’ny mpanjakan’ny lanitra,” hoy Ralalitra kevokevoka sady mbola naniditsidina teo ambony teo ihany. Nodinihiny tsara indray ilay vitsika milanja enta-mavesatra teo ambaniny teo. “Eeeh! Ontsa ery ny foko mijery izato lotonao sy ny endrikao Ravitsika. Fa dia naninona loatra ary izato lamosinao no mivohoka ohatra an’io?”

“Tsy mivohoka izany aho fa efa ohatr’izao foana ny paoziko hatramin’izay kah!“ hoy Ravitsika nitady ho sorena nandre ilay fanontaniana mivatambatana. Nahatsiaro ho menatra kely koa izy noho ny tsikeran’ilay bibikely manana elatra niresaka taminy. Mba nihevitra ny tenany ho bogosy sy tsara tarehy ary tsara bika ihany mantsy izy indraindray. “Izao mihitsy tompoko no efa nanaovan’ilay Nahary ny tenako.”

“Ary maninona koa ianao no mihosom-bovoka sy milanja io fotsim-barimasaka lehibe io e? Fa mba inona loatra re ny antony hisahirananao sy hamonoanao tena ohatr'izao e!” Nangina vetivety indray Ralalitra nijery ny fihetsiky Ravitsika. Nony hitany fa tsy hamaly na tsy nahita havaly ilay io dia notohizany indray ny batibaty. “Tena hafa mihitsy ny fomba fisainanareo vitsika itony ka! Tsy mahagaga ihany aloha fa jereo anie ny lohanao fa kely variraiventy raha oharina amin’ny fitombenanao e! ”

“Oadray kosa!” Tohina ery ny fon-dRavitsika. “Maninona kosa no dia masiaka firesaka toy izao ianao Monsieur Ralalitra a? Fa mba inona loatra ny ratsy nifanaovana e! Sa misy alahelonao amiko? Izaho anie …:”

“Sosokevitra ny ahy ity mety hanampy anao,” notapahin-dRalalitra tsy nisy hantra ny tenin-dRavitsika. “Maninona raha hoaninao eto fotsiny izay sakafo laniinao dia samy vita e! Inona ary no hamonoanao tena an’io entana be io mankany Ankazonkitay any e? Efa fotoanan'ny samy mandeha samy mitady anie izao e!” Tsy nijanona niraondraona sy nizizaziza Ralalitra na dia niresaka aza. Nisy biby hafa sendra nandalo ka naheno ilay raondraona sy resaka hafahafa nifanaovan’ny roa tonta. Teo Rahao, Raparasy, Rakongona, Rangidina, Rakadradraka ary Ramaingoka. Dia nisy vitsivitsy maromaro tamin’ireny biby ireny no nijanona ka naka toerana teo akaiky teo fa liana hihaino ny tohiny.

“Ka efa hoe izany no asako e! Isan-andro aho dia miainga vao mangirandratsy ka mandeha miremby sakafo ho an’ny mpiray tanana amiko ary indrindra ho an-dRabodorenimbitsika III, mpanjakavavinay. Dia raha vao mahita sakafo sahaza anay moa dia avy hatrany dia manomboka mitatitra izany ho any amin’ny toby na miantso ny vatambitsika rehetra ao an-tanàna hanao tànana miara-milanja tongotra miara-mamindra hibata ilay sakafo. Amin’izay dia mba miaraka mihinana daholo fa fady anay vitsika izany mihinan-drery na manao kibo antsena izany.”

“Ary …” Mbola saika hametraka fanontaniana hafa sy hanadroadro Ralalitra. Tsy afaka anefa fa mba notapahan-dRavitsika koa ny teniny. Efa nanomboka niakatra ny hatezeran’ilay bibikely nibata entana.

“Ary fa maninona moa ianao Rangahy Monsieur Ralalitra no mizahozaho foana rehefa manidina? Sao dia tsy ampy menaka angaha ny elatrao no dia mingonongonona sy mitrena ohatra an’io? Tsy mba mahay manidina am-pahanginana angaha ianareo?”

“Tandremo kely ity vava an! Mety tsy fantatrao fa ny biby tandapa sy akaikin’ny fitondrana ihany anie no afaka manao ilay feo ataoko io. Ohatra an’ireny manampahefana mandefa anjomaram-piara ireny ihany io. Fomba filazana amin’ny ambanilanitra eny an-dalana fa manam-boninahitra sy manan-kaja no miala any ka mikisana ianareo fa aza manembatsembana ny lalany. Biby mihaja mantsy ny biby tandapa.”

“Izany tokoa moa izy io an!” hoy Ravitsika nihomehy somary naneso. Hitany fa nitombo tsikelikely ihany ny isan’ny biby nihaodihaody teo akaikiny teo fa te hihaino ilay resaka. “Fa inona tsara moa no andraikitra na ny asa ataon’izany tandapa izany?”

“Mampihomehy koa ianao Ravitsika!” Tsy mba nihomehy akory anefa izy. Na sombintsiky kely monja aza toa tsy mba hita soritra teny imolony. “Tena ambany saranga tokoa ianao. Angaha ny fiainana tsy maintsy misy resaka asa foana e? Tsy ny biby rehetra anie no voaozona hiasa e!”

“Oadray marina!” hoy Ravitsika  fanimpanina, sady sorena. “Sao dia mba tsy tokony miteny rehefa tsy tena mahalala an! Miala tsiny aminao aho Rangahy Monsieur Ralalitra fa Izaho manokana aloha tsy mba mahatsiaro ho voaozona izany mihitsy an! Voafaritra mazava ny adidy aman-andraikitro. Rehefa vitako ireo dia milamina ny saiko. Sady afa-po aho fa mandray anjara tsara amin’ny fiarahamonina aho no faly fa ankasitrahan’ny mpanjakanay Rabodorenimbitsika III ny zavabitako!”

“Ha ha ha!” Tsy tena nihomehy akory Ralalitra fa mody nihomehy fotsiny. Hafahafa mihitsy ho’a io fombany io. “Tsy misy dikany amiko aloha raha izany Rabodorenimbitsika III izany e! Izahay tandapa anie ka namana tena akaiky sady atokisan’ny Prezida e! Mifanao ‘ialahy’ mihitsy izahay. Ary tandremo fa ilay Prezida an’ny olombelona no resahiko fa tsy ny mpanjakavavikelinao miafina ary anaty lavaka ary Ankazonitay (sic) akory an! Son excellence Filoham-panjakana sady Lehiben’ny Governemanta no Filoha faratampon’ny foloalindahy!” Dedaka ery Ralalitra niteny an’io. Raha biby nanan-drambo angamba izy dia efa ohatry ny inona ny fidingidingin’ny rambony.

Tsy namaly teo no ho eo Ravitsika. Nijery an’ilay biby nisekoseko sy nanidintsidina teo amboniny teo. Sorena, tezitra, laginina ny anao lahy.

“Ataovy serieux moa e!” hoy Ravitsika nony avy nangina sy nieritreritra kely izy. “Dia tena tsy miasa mihitsy izany ianao io? Dia …”

“Resaka marina izany an!” hoy Ralalitra. Faly ery izy nanabatibaty sy nanindry aloka an’ilay vitsika teo ambaniny teo. Ravo koa nahita ireo biby hafa maro be nihaodihaody teo akaiky teo, samy liana hiaino ny fandehan’ilay resaka. Tsapany somary votsavotsa firesaka ilay vitsika ka vao mainka nogidraigidrainy. “Asa raha hitan’ireo masokelinao ireo iry lapa fotsifotsy manjelanjelatra ery andrefan-tanana iry. Lapam-panjakana io. Na ny olombelona tompon-andraikitra avo indrindra aza dia mila mangataka alàlana sy fotoana, dia avy eo mbola mila savaina izay vao afaka miditra ao. Zone rouge io ka avy hatrany dia voatifitra izay mitady hiaka-dapa. Amin’ny maha tandapa ahy anefa dia manana alàlana hanao izay tiako aho ary afaka miditra sy mivoaka ao arak’izay tiako fa tsy misy fepetra.”

“Tena mahafinaritra tokoa angamba izany fiainanao izany an!“ Mody nodokafan-dRavitsika kely ilay lalitra fa fantany fa tsy maintsy hanitsaka. Dadany kosa aloha Ralalitra raha hamono vorona sy hanindry aloka an! “Tena tianao tokoa ve ny fiainanao izao? Tsy mila miasa, tsy manana antom-pivelomana, afaka miditra mivoaka ny lapam-panjakana …”

“Mazava loatra! Rehefa avy eo aho izao dia handeha hiaraka hisakafo amin’ny prezida mianakavy. Dia rahalina aho hatory ao amin’izay efitra tiako hatoriana. Matetika aho aloha dia ao amin’ny efitrano fandrian’ny Presida mivady no matory e! Zovy Ravitsika no tsy ho tia an’izany fiainana izany?“

“Fa tena azo antoka ve hoy aho fa tianao tokoa ny miaina ao an-dapa ao? Tena sambatra ve ianao?” Fanahy inian-dRavitsika naverimberina ilay fanontaniana. Sady nampiakariny kely ny feony mba ho ren’ireo biby vorilanona teo akaiky teo..

“Drrry! Fa ianao ve marenina sa lalodalovana sa tsy manan-tsofina handrenesana mihitsy e! Efa novaliako anie ilay fanontaniana e!”

“Ka tena misy zavatra tsy azoko mihitsy tsinona ka! Raha ny fahafantarako azy mantsy dia madio faran’izay madio ny ao an-dapa ao! Tsy misy loto na pitintsakafo kely aza na eny amin’ny rindrina na eny amin’ny tany, na eny ammbony latabatra. Na misy aza dia misy manadio avy hatrany.”

“Tena madio tokoa ao an! Mifanaraka tsara amin’ny haja sy fenitra ary ny voninahitray tandapa. Tsy mety aminareo mpiosom-bovoka, mpitrongivaohomana sy monina ambany tany angamba aloha e!”

“Izany an!” hoy Ravitsika somary nanatsafa. Na dia tsy manana molotra azy ny vitsika dia nisy tsikikely nipoitra moramora teny amin’ny tarehiny. “Dia tena izany ve ilay fiainana tianao? Migalabona ao anaty lapa madio tsy misy pentina ary tsy ahitan-donto? Mahatsiaro tena ho sambatra ianao izany izao?”

“Oaray marina!” Nisendaotra Ralalitra. Kizitina. Nampieritreritra azy ihany anefa ilay fanontanian’ilay vtsika notsindriany aloka. “Mba karazana fanontaniana inona koa ary izany? Tena mandeha ve ny sainao sa sao dia misy tsy ampy kely e!”

“Mety tsara ny saiko ka!” Mba nivatravatra koa Ravitsika niteny an’io. “Ny anao no atahorako ho misy tsy mandeha amin’ny laoniny angamba ka mety mila mijery mpitsabo veterinera niorolozista mifantoka amin'ny havendranana sy ny habadoana. Sosokevitra ihany ny anahy an!“

“Tandremo ho’a ny vavanao io!” Nibetroka sady nandrahona Ralalitra. Tao an-dohany anefa toa ohatry nisy zavatra nanomboka nikitikitika ny sainy fa tsy fantany hoe inona loatra.

“Ka raha ny fahafantarako azy anie, tsarao aho raha diso, dia ny toerana maloto no tena hahazahoanareo lalitra aina e!”

“Tsy marina velively izany an! Izaho tandapa, mihaja sady madio. Tia filaminana sy tia fahadiovana.”

“Tena mino an’izany tokoa ve ianao?” Vao maika niakatra ny feon-dRavitiska. “Raha mino izany ianao dia vao mainka tena sarotsarotra ihany ny fandidina an! Tsy vitan’ny hoe mampiresaka sy mampiesona ny hafa mantsy ianao fa na ny tenanao aza fahananao lainga tsara lahatra.”

“…” Tsy nahita navaly Ralalitra. Ireo biby betsaka nijanona nihaino ny resak’izy roabiby anefa niandry fatratra izay havaliny. Kanefa tsy nisy na teny iray aza nivoaka ny vavany. Na ilay ngonongonona sy ny zizazizany ary toa zary nangingina.

“Fa heverinao fa jamba tsy mahita mihitsy angaha izaho na pahina? Ianareo lalitra, indrindra ny karazany mangamanga ohatra anareo dia fata-poko fata-pirenena fa tia misonenika any anaty loto. Biby voretra anie ny lalimanga e! Rehefa mahita anareo ny olombelona dia ny hamono anareo no ataony satria fantany fa biby maloto ianareo ka mety mitondra aretina.”

“…” Nikarokaroka mafy zavatra havaly sy ho tenenina Ralalitra fa toa tsy nahita. Nahatsiaro tena ho menatra sy vasoka tampoka izy.

“Fantatro tsara fa raha vao lasa eo aho izao, dia hamonjy ny dabampakon’itsy hotely itsy ianao.” Nanohy ny teniny Ravitsika. “Raha tsy izany dia hankeny amin’ny lavapiringa etsy ambadiky etsy. Milaza ho tandapa ianao. Mety ho tena tandapa tokoa ianao, fa tandapan’ny lavapiringa sy ny zaoridira.  Tandapan'ny diky.” Toran’ny hehy ireo biby nitangorongorona nihaino ilay resaka.

“Aoka re Ravitsika e!” Nibitsibitsika saika ho toran’ny henatra Ralalitra. Tapatsalalka vory vahoaka! “Aza dia mamely mafy eto imasombahoaka kosa re! Ny ahy anie ireny ka mba vazivazy zary ziva fotsiny ihany e! Ny anao toa sangy mihaotra ny loha.”

“Mihaotra ny loha ahoana ary?” Nataon-dRavitsika mafy tsara ny teniny mba ho ren’ny ireo vahoaka be nanatrika teo. “Tsy sangy ny ahy fa filazana ny marina fotsiny. Tsy haiko ianao na tena tandapa na mampiresaka fotsiny. Raha tena tandapa tokoa ianao dia mampalahelo satria toa entinao hisekosekoana sy hisehosehoana fotsiny izany. Raha tsy tandapa moa ianao …”

“Aoka re moa izay fa miangavy sy mitalaho aminao aho e!” Nibaradaka mafy Ralalitra. “Tsy hanao intsony re fa mifona e!”

“Eny ary fa ajanoko ny resaka e!” hoy Ravitsika. “Sady izaho koa mila mandeha fa miandry ny sakafony ry zareo any Ankazonkitay sy Rabodorenimbitsika III. Aleoko lavitra milanja entana mazefatra be hiarahana mihinana amin’ny mpiray toby amiko toy izay handainga amin’ny tenako sy amin’ny hafa hoe finaritra kanefa tsy finaritra akory, Izay nanaovan’ilay Nahary anao re no ekeo fa aza misavika saranga efa natao ho an’ny hafa e!”

Dia iny hono Ravitsika lasa nanohy ny lalany, nibaby ilay fotsim-bary masaka lehibe vonto ronono sy tantely vao avy nalainy tany amin’ny lakozian’ilay hotely.

Angano angano! Arira arira! Izaho tsy namorona fa mba mitantara zavatra reko.

Tsy fantatra loatra izay naleha na niafaran-dRalalitra taorian’iny resaka iny. Aleo izy ho any fa efa vasoka sy afabaraka teny imasom-bahoaka e!   Ny fantatra dia mandrak'ity ny androany dia avy dia mandositra foana hono ireny lalimanga ireny rehefa sendra mifanena amin'ny vitsika.  Tena resaka marina io. Izaho akory tsy kinga vava  na mpitoraka bilao. 

Izay manam-panahy anie hahay haka izay lesona tandrify anazy, ny ratsy fanahy kosa hitsikera ny fomba filazako anazy.

Comment