Hotsaka, Douna Loup

 

Ravaloson Johary

 

Tsoaka andalana nadika avy tamin'ny L’oragé, Douna Loup, Mercure de France, 2015.

 

(…)

Fohy loatra ilay lambampandriana erỳ an-dranjony, mampiseho ny tongony. Sintomin-dRabe miakatra ny lamba dia manisika ny tanany iray misafo ny hoditr’i Estera izy, manisika ny rantsan-tanany toy ny rantsan-tanana tsotra fotsiny izy, rantsan-tanana moana sy bonaika no misafo ny hoditr’i Estera izao maraina izao. Mametraka ny tanany ambonin’ny lamba manarona ny tehezany izy, misy aina eo mampiainga azy, tsapany fa misy akora any mitriatra. Matory Estera, tsy mihetsika, tsy hitan-dRabe izay atao. Mitsangana izy mandeha manomana dite. Tsy fantany raha tokony mbola hino ny fisian’ilay fifamihinana alina iny izy. Ohatran’ ny tantara taloha iny, tantarana-nofy misavoana. Nefa i Estera matory io koa toa nofy tena izy. Nofy matory eo am-pandrianany. Mandray ny karineny izy dia manoratra. Misotro dite izy dia manoratra.

Lahatsoratra mikasika ny Poezia.

Raha manatona azy iny i Estera dia mbola mikarokaroka izy.

Mieritreritra ve i Estera hoe afaka miteny hoe Poezia malagasy ? Tsy misy ny tena izany, sobika tsy misy vodiny izany … inona no azoko ho lazaina amin’izany ?

Afaka milaza ny tsy misy ange, Rabe, tsy misy olana e !

Afaka milaza izao rehetra izao ianao ary misy aza ny zavatra iray satria teneninao, moa tsy izany ? Koa teneno ohatra ny fahatsapanao azy, lazao izay mety hitanao ao an-doha miafina ao, izany no hany tantara mendrika. Sorito io takelaka io, na kely bilitika aza. Rehefa miteny ialahy hoe Poezia, inona no hitan’ialahy ? Dia avy eo hampifanatreo, tadiavo ao amin’ny zava-misy, tadiavo ao amin’ny taloha, ataovy sary ny ho avy, misy ny hihantsy an’ialahy, ny hanohitra ny tenin’ialahy … Adidy iray ihany ny an’ialahy. Volavolao ny tena feon’ialahy, takelaka tratra vaovao, amboakelintenda ambany pentsily, alehibeazo io feon’ialahy an’ialahy io. Mitenena. Afaka miresaka izao rehetra izao ialahy, raha avy amin’io !

Mijoro manatrika ny fanontaniany i Estera ary raisin-dRabe toa rian-drano izany. Dia azony fa i Estera no izy. Eny, i Estera no mitranga,

izivavy no hitako rehefa

Poezia …

 

Mitatao eo amboniny mandritra ny andro manontolo ilay lahatsoratra, toa ny rahon’oram-batravatra.

Fa miaraka amin’i Estera izy, miresaka iziroa mandeha, andeha hinam-bary sy ravitoto any amin’i Fanja, mividy voatabia sy anana iziroa entina any amin’ny rain’i Estera. Manao lahatsoratra tsy an-drima isan’andro rizareo, mitsapa ny izao akaiky dia akaiky. Lasa any am-paritra ny rain’i Estera, hody rahampitso, vatsiana haninkanina ny lakoziany. Tian-dRabe ny tranon-drazan’i Estera, malalaka, tsotra ilay izy, biriky sy lavarangan-kazo, mahatazana tsara erỳ andrefana. Misy manga ao an-tokontany. Mipetraka ambony tamboho izy miandry an’ i Estera hanidy ilay varavarana matroka. Tsy misy manga amin’ilay manga.

Dia manontany i Estera, ahoana no ataonao iainana ?

Mahazo volakely avy amin’ny asany ao amin’ny tranomboky sy avy amin’ny dantely izy, fa ny reny keliny, ny reny keliny no mamatsy vary, sakafo sy tantely azy. Ny reniny kely izay matoky ny zanany, matoky ny talenta sy ny mampiavaka azy amin’ny hafa. Manoratra izy dia ny reniny no manohan-tsakafo azy.

Tsy manafina Rabe hoe te hanana asa ho azy, tena asa mifanaraka amin’ny fetrany. Fa tsy misy fanombanana. Tsy misy azo heverina. Notoroan’ny namana iray hevitra izy ampianatra frantsay ny zanaky ny manan-katao, hanomboka mihitsy izy, nisy olona nanolotra azy. Manaiky i Estera, ny lalana hitany dia ny gazety, manitsy sy manoratra an-gazety. Tsy maintsy mahita ny lalan-kizorany sy ny lalan-kombany mahamety azy ny tsirairay. Sarotra ny mahita toerana. Fanjanahan-tany.

Teraka folo taona talohanao aho, Rabe, nefa tsy misy fantatro hafa tsy ny fanjanahan-tany. Ary mahagaga fa hoy aho matetika hoe tsy inona io fa rakotra ivelany ihany … ny fisian’ny mpanjanaka mahazatra eto an-tanàna. Nihalehibe niaraka tamin’izany aho, manontany ato anatiko aho hoe aiza ny toeran’izireo eto. Nandeha aho avy eo, tan-toeran-kafa, hitako ny tarehin’ny tananantsika tsy misy vazaha, tsy misy birao. Nanampy ahy izany mino aho. Nanampy ahy ny nahita antsika, isika irery. Nony niverina teto aho, teto Iarivoko dia hitako daholo ny sosona rehetra. Hitako mihanjaka izany, hitako tsy misy an-drizareo. Azony tsy vitan-drizareo ny nanorom-pototra, na vitany ihany fa kely. Any ifotony dia isika no eto, ary na teraka tanatin’izao fitanan’ny hafa firenena izao aza isika, dia isika foana isika. Ary izireo eo ivelambelany. Indray andro any ho rovitra io rakotra ivelany io.

Tsy fantatro, hoy Rabe, tsy fantatro, ato anatiko ity fiteny ity, hainy ny nahita lalana ka naka ahy. Ka mahatsiaro-tena ho zanaky ny toeran-kafa aho. An’ny taniko aho, an’ny taniko taloha, nefa manome voninkazo voavony, vovom-bonin-toeran-kafa, vovom-bonin’izao tontolo izao mivoha, ny an’ny teny frantsay izay mamahatra eto. Ary izaho mahita fa mamoha antsika koa izany …

Nohidin’izireo isika, Rabe. Notifirin’izireo, tsy maintsy lazaina izany. Misy fanokafana am-pihorohoroana. Fantatr’ialahy ve ny Menalamba ? Ireo nitroatra tany avaratra, ny lohan’ny ady anaty akata ? Fantatr’ialahy ve Rabezavana ?

Eny.

Eny.

Miova resaka rizareo.

Mianjera ny resaka, dia mifanjohy. Manodidina azy roa toa sakafo ny tanàna. Miara-mijery iziroa ka manova ny endrika isehoany izany, tsy mifanaraka foana ny fijeriny, mifanohitra aza matetika, fa ny fahatsorany mampiray aziroa. Ary ity tanàna ity dia tian’iziroa tsy misy fanaperana. Ny iray mamindra amin’ny ilany ohatra ny virosy ity fijerin’ny mpitia, ity fahatalanjonana. Mipetraka amin’ny rindrina mena izy, mamonto tena ny monomonona, mandinika ny tsenabe, mandia amin’ny elakelan-trano mbola tsy nodiaviny hatramin’izay. Asa, satria toa akaiky loatra, diso fantatra. Androany misy zava-baovao. Mpisakaiza roa nandia ny ora voafangitra iziroa.

Dia miresaka momba ny aliny iziroa. Momba ny aliny sy momba ny horokorony. Azony miharihary mantsy izao fa lasa an-toeran-kafa ny hoditra, tsy hisy fangitahana intsony.

Mahagaga hoy Rabe, mahatalanjona hoy i Estera, eny mbola tsy tongan-javatra ohatra izany aho hatramin’izay.

Tsy fantatro, nisy zavatra tany … tao amin’iny trano filerana iny. Angamba mihinana ny fitiavana voamitsiry izy iny, miletra sy mandevona ny faniriana.

Mitsiky Rabearivelo.

Fampitaonan’ny nofontsika voalohany iny, ry Estera Anja. Tsy azo angalarina ny vatantsika. Avereno aminay ny anay ! Estera … andao isika hifampitaona dia hifamiherina,

Hifampiherina ao amin’ny Délice amin’ny herinandro ?

Eny hoy Estera, eny ho tonga ao aho,

Mandra-pihaona

dia nifandao teo amoron’

ny lalana, ny mpivarotra kafé, ny biriky vitsivitsy, ny vodim-papay. Ny fihaonan’izany rehetra izany. Hitan-dRabe io toerana afovoan’ny rehetra io, ity fitambaran’ny sosona rehetra tampoka. Dia tampotampoka eo, toa azony, azony i Estera rehefa miresaka mombana « rakotra ivelany ».

(…)

 

Tsoaka andalana avy amin’ny Hotsaka, Douna Loup, tantara foronina nadikan-dRavaloson Johary, Dodo vole, hivoaka tsy ho ela, 2017 avy tamin'ny  L’oragé, Douna Loup, Mercure de France, 2015.

 

Comment