PROLOGY

Mossieur Njo

(santionan-tantara avy amin'ny boky Lisy Mianjoria, Ranjasoa Publishing 2016) 

 

NAMOY LAKANA TSY MAIKA TSY TAITRA RABE, ny masony nitsirika kely ilay rano nanodidina sy nanerana, liana aoka izany. Nadio nangatsakatsaka izato izy, nangarahara tanteraka toy ireny rano mbola tsy nahalala olombelona ireny. Nisangodina tetsy sy teroa ireo trondro kely maro loko sy hafa endrika toy ny hoe naniry volombava hafahafa narahin’ireo zanany kely maro tsy hay hoe ho aiza fa nandroso kely, dia niverina ihany, nandroso indray, dia niverina hatrany.

 

« Sambatra izaitsizy izato trondro! », hoy Rabe anakampony.

 

Raha mba mihevitra izany atao hoe hasambarana izany akory moa ireto biby mivelona an-drano ambany masony fa toa miaina tsisy raorao, tsisy adin-tsaina, tsisy ampitso, tsisy omaly. Ampy azy izay misy azy. Ampy azy ny misy. Navotsotry Rabe ny fivoin’ilay lakana, dia natsobony tao anaty rano ny felatanany. Nitsamboatra kely izy raha nahasafo trondro kely malamalama mailaka ery nisitrika tany amin’ny tsy taza-maso, tany amin’ny lalindalina. Nihomehy Rabe sady notobasany rano ny tarehiny. Manitra hany izany ka rano, mazava toy ny loharano izato farihy miendrika fo eo afovoan-tanàna. Tsy nampino raha tantara fotsiny, tsy nampino azy akory raha tsy niainany. Nony voatobany tsara ny tarehiny sy ny hatony dia tsy namelany raha tsy natsobony tao anaty rano indray ny lohany iray manontolo. Namoaka tapoa-drivotra maromaro ny vavany tao ambany rano, kibola kely be dia be toy ireny tapoa-tsavony tsofin-jaza ireny dia lasa baolina mangaraharaha tsy mitovy habe vaky avy hatrany vao kitihana. Avy eo, nakombony ny vavany, nahirany ny masony. Meva ny zava-maniry tazany tao anaty rano tao, kanto ny karazam-biby nitsoriaka tetsy sy teroa. Tsy nahita fako na lotoloto koa izy na ny kely azy. Zendana. Gaga. Variana. Tsy mbola nino tsara. Navoakany ny lohany, nisefosefo tsampirano izy, niaina miadana. Notsofin’ny rivotra ny sangany nasaritaky ny rano dia natodiny tany amin’ny endrik’i Lisy nifanatrika taminy ny masony. Na dia saika takon’ny volony lava tsy ngita tsy tsotra fa olioly aza ny tarehin’ilay tovovavy, azon-dRabe an-tsaina fa tsy nitsiky mihitsy i Lisy. Na ny kely aza. Sahala amin’ny hoe efa firy taona ery i Lisy, mamofona fahamatorana, mijoro sy manatrika ny fiainana toy ny andrarezina, nefa tsy mifankaiza amin-dRabe ny taonany, mbola sakan-jaza tsy hahazo kara-panorondro raha tsy amin’ny 29 febroary manaraka. Notsofin’i Lisy ny volony teo anoloan’ny masony, voatsipalony kely Rabe dia napetrany ilay elo mena novelariny aro masoandro. Nesoriny ilay lamba namono ny tapany amboniny iray manontolo nataony saly dia niseho tamin’izay ny hakanton’ny zaitran’ny lobaka nanaovany ary – indrindra indrindra – nangirana ilay poleta teo amin’ny tepany tratran’ny tara-masoandro. Nihiratra ny voamason-dRabe. Tsy nandry tampoka ny sainy. Mahina nijery havia, mahina nijery havanana, mahina nijery ambony. Tsy reny mantsy ny famataranandron’i Lisy. Ny lohany koa moa mbola tao ambany rano tamin’izay fotoana izay ka tsy nisy na inona na inona ren’ny sofiny akory ary na reny aza moa tsy hainy akory hoe inona no dikany. Tsy fambara soa loatra mantsy izay nenon’ilay famataranandro izay. Nanampy trotraka an’izany, vitsivitsy ny olona teo amin’ny Farihin’i Anosy tamin’izay antoandro nitataovovonana izay ka saika niavaka irery nitoka-monina ny lakana nisy azy roa. Nifindra toerana avokoa ny ankamaroan’ireo mpizahan-tany maro be niara-nisakafo tamin’izy roa afa-tsy ireo Japone nivangongo nameno andiany iray nihomana hiditra tao anaty sambo teny amin’ny sisim-piantsonana nanapika fakantsary tsisy farany. Nitifitra ilay sambo, nitifitra ireo mpiara-dia taminy, nitifitra an’ilay trano fitaratra tokana lehibe fisakafoana teo afovoan’ilay farihy, sady nanao selifia hatrany hatrany, nanao selifia hatraiza hatraiza. Tsy nahoan’ireo mpifankatia variana nifamboraka tononkalona poeta tsy hain-dRabe anarana ny tifitra vary raraky ny fakantsaran’ireo mpizahan-tany. Toy ny hoe izy roa irery angaha ny teto ambonin’ny Tany ary tsy tazan’ireto mpifankatia ireto akory ny aloka nanarona ny anjara masoandrony indray mipy maso monja. Koreanina iray niaraka tamin’ireo Japone no sendra niandrandra, nampilaza ireo namany dia naka sary ilay diraonina somary lehibe nanatona tsimoramora ny lakana nisy an’i Lisy. Rabe moa efa tsy teo ambony lakana intsony poatoizay, nihiaka tokana tsy nahalala akory izay nanjo azy dia iny fa tsy nipe-tany intsony. Tady tsy hainy hoe avy aiza no nanakenda sy nisintona azy hiakatra tsy hainy hoe ho aiza. I Lisy kosa tara kely fotsiny, tsy naharay ny poletany na dia efa nampilaza aza ny nenon’ny famataranandrony fa mby akaiky ny fahavalo. Diraonina tsy re tsaika sy kinga loatra mantsy no tsy rahona akory nihelohelo teo ambony lohany vonon-kiporitsaka ho eny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana eny tsy nisy hataka andro rehefa azony ilay notadiaviny, rehefa azony Rabe. Dia iny izy no nirifatra nandositra, ny teleferika nitsotsorika avy eny Andohalomasina hihazo ny Farihin’i Anosy, moa ilay diraonina niakatra toa ho any an-dRova. Nikiraviravy tongotra Rabe nihoronkoditra tsy nahita izay natao afa-tsy ny nidiridiry sy niloa-bava tsy nahateny fa nihiaka fotsiny tany any amin’ilay lakana efa miha kely miha kely tery ambany lavitra tery.

 

Nitsoraka tao anaty rano avy hatrany i Lisy, vonona hamonjy an-dRabe. Hamonjy azy indray. Na inon-kidona na inon-kitranga. Ary hentitra ny masony. Hentitra izaitsizy.

 

Mossieur Njo

 

 

Môssieur Njo dia mpanoratra novely, mpitantara angano moderina, mpilalao basikety fahiny, mpandala Tantaran'ny mpandresy sy Tantaran'ny resy, monina eto an-Tany (aloha hatreto), ary miroa teny vary raraka. Hamoaka ny noveliny voalohany mitondra ny lohateny hoe LISY MIANJORIA izy ny faramparan'ny taona 2016, kalendrie gregorianina.

 

2 Comments