Fanompoam-pirenena

Soamiely A.

 

Asa raha tsikaritrareo fa ohatry ny miverimberina matetika, tato ho ato, ny resaka momba ny hoe tokony amerenana indray ny “Service National” (na anatiny na ivelan’ny tafika; na an-tsitrapo na an-tery), fa amin’ny endriny vaovao. Mety tsara ho dinihina akaiky sy resahina milamina io hevitra io.

Sendrasendra tafaresaka tamina-Rangahy manan-kaja sy mandan-daza iray izay aho tamin’iny herinandro lasa teo iny. Somary gaga ihany aho, kanefa toa tsy tena gaga ihany koa, raha noteneniny fa ny roa taona nanaovany SN no anisan’ny fotoana tena nankafihiziny indrindra teo amin’ny fiainany. Tsy izany ihany fa mbola nampiany hoe nanomana azy hihatrika ny sedra sy ny fanamby isan-karazany izay nandalovany taty aoriana ny nanao SN.

ao anaty Boky Mena

Ho an’izay tsy mahalala na efa nanadino: Ny mpianatra afaka bakalaorea nanomboka tamin’ny taona 1978 dia nasaina nanao Service National (SN) na Fanompoam-pirenena Ivelan’ny Tafika talohan’ny nidirany teny amin’ny sekoly ambaratonga ambony na teo amin’ny sehatry ny asa. Nomena fanamiana (salopette sy kasikety maitso ary lobaka vonivony) rizareo, nofanina ho miaramila nandritry ny telo volana (ka nantsoina hoe “Soldat Auxilliaire, 2ème Classe” na SA2), ary dia nirahina hanompo ny tanindrazana, ka ny ankamaroany dia nalefa nampianatra tany ambanivohitra rehetra tany.

Tamin’ny taona 1990, noho ny antony tsy fantatro loatra, dia nofoanana io rafitra SN io, dia io heverina ho averina io indray izy izao. Mahavariana ihany ity resaka SN ity indraindray satria samy ‪manana ny heviny ny olona. Raha ny akamaroan’ny olona fantatro fa nanao SN (fa tsy izy rehetra) no anontaniana dia tsy misalasala izy milaza fa tena nanampy azy tokoa ny fotoana nanaovany an’izany. Tany amin’ny SN hono no tena nahafantarany ny mpiray tanindrazana aminy, niarahany niaina tamin’ny vahoaka madinika sy ny tambanivohitra, ka nahalalany bebe kokoa ny olana sedrain’ny valalabemandry sy ny fomba fiainany amin’ny andavanandro.

Ny SN koa hono no nahafahany mba niara-niasa sy nifanerasera akaiky tamin’ny saranga hafa (na ambany na ambony) izay tsy mba nifampikasokasoka taminy loatra fony izy tany an-tsekoly. Samy nanao fanamiana mitovy daholo mantsy ka tsy fantatra hoe iza no ngetroka ary iza no mafy ady. Na dia tsy nanaisotra tanteraka ny fahasamihafana aza ny Service National — samy niverina tamin’ny antana-tohatra nisy azy ihany rehefa vita ny fanompoam-pirenena natao — dia tsapa tokoa fa nampifanantona kokoa ny samy Malagasy.

Tsy izay ihany fa tany amin’ny SN koa hono no tena nampientana ny ambo-pony amin’izany fitiavana sy fanasoavana ny firenena izany. Azo lazaina tokoa mantsy fa nanampy betsaka teo amin’ny ezaka fampianarana ny Malagasy hamaky teny sy hanoratra ireny SN ireny, indrindra moa fa rehefa heverina ny tsy fahampian’ny mpampianatra tamin’izany fotoana izany. Sady nanampy an’i Madagasikara no nanampy azy hahalala ny lanjan’ny atao hoe fahafoizan-tena sy ny fankatoavana fitsipi-pifehezana, hono, ny traikefa azony tamin’izany ary mbola manampy azy mandrak-ankehitrio. Nahatsiaro tena ho matomatotra kokoa izy, satria efa mba nandray anjara mivantana amin’ny fiainam-pirenena, rehefa niditra ny Anjerimanontolo na ny tsenan’ny asa rehefa vita ny Service National.

Raha ireo ray aman-dreny sy ny hafa tsy nanao SN indray anefa no resahina dia betsaka no tena manankiana ka milaza fa resaka tsy hinanan-kanina io. Fandaniam-potoana ho an’ny tanora fotsiny hono ny herintaona na roa taona nanaovany izany. Very herintaona manao belote sy rami fotsiny hono ny ankizy, ka rehefa tsy variana mitendry gitara sy mihirahira eny ambony tamboho, dia mandany andro misotro toaka sy mampiaraka any anaty akata — Moa va tsy vacances sy excursions mandavan-taona? Izany ve hono tsy revy sy rendrarendra fandaniana volam-panjakana tsotra izao? Dia misy koa moa ny milaza hoe fandrebirebena ny zana-bahoaka fotsiny izy io resaka SN io, fa ny zanaky ny ngetroka sy ny mahitahita tonga dia nalefany tany andafy vao vita baka.

Misimisy ihany ny Malagasy teraka teo anelanelan’ny taona 1960 sy 1974 tany ho any no nandalo na novolavolain’izany rafitra SN izany — Malagasy teraka nandritry ny Repoblika Voalohany ary nobeazina tao anatin’ny Revolisiaona Sosialista. Ireo no nantsoina na notsatsoin’ny mpanabe sasantsasany tamin’ny fotoan-androny hoe “Generation Sacrifiée” na indray-mihira natao sorona. Sorona ho an’ny inona tokoa anefa? Ary tena mahatsiaro tena ho natao sorona tokoa ve rizareo?

Taona 2015 isika izao. Efa 25 taona lasa izay no nanafoanana ny Service National. Tokony ho any amin’ny 40 taona ka hatramin’ny 55 taona izao ireo “Malagasy nanao SN” ireo — Izy ireo no nodradradradraina tamin’ny andron’i Didier Ratsiraka fa “Ankizy ankehitriny, Mpanangana ny ho avy, Antoky ny taona roa arivo.” Tonga ary izao ilay “ho avy,” ary manomboka efa misimisy amin-drizareo no mitazona asa aman-andraikitra ambony na eo anivon’ny fanjakana izany na eo amin’ny sehatra tsy miankina.

Jereo tokoa anie fa mitombo malaky dia malaky ny isan’ireo “Malagasy nanao SN” amin’ireo mpitondra, sy mpitantana, ary “elita” eto amin’ny firenena ankehitriny. Efa mety anjaran-drizareo “Generation SN” indray angamba izao no mitantana an’i Madagasikara. Dia asa tokoa raha hisy fiatraikany (na tsia) amin’izay mety ho fahombiazany (na tsia) amin’izany “fananganana ny ho avy” izany ireo traikefa norantoviny fony izy vao afaka bakalaorea ka nasaina nanao Service National.

Ho hitantsika eo ihany e!

 

Mpanoratra Malagasy monina any Amerika Avaratra any i Soamiely A. Manoratra sombintantara sy hadihady amin'ny teny Malagasy sy amin'ny teny Anglisy izy. Soratsarotra no bokiny nivoaka tamin'ny 2015.

1 Comment