Ny ravin’anjavidy

Naivo

 

I

 

Telo andro izahay nitady tsy niato izay fandehany.

Afak’omaly niandriandry tao Ankazomalama sao dia mba nisy niseho ihany.

Fa tsy nisy nipoitra tsy nisy nitranga.

Fa ilay olona tao andrefana foana no heno mimonomonona. Vehivavy tokony ho dimy amby efapolo taona mahery kely, mikorontam-bolo, tsy mitsaha-miteny irery ao alatrano ao sady manakapokapoka vilany. Indray andro izy io nokaikerin’ny alika tao an-tsenakely. Nihidy ireo mpivaro-damba karana manodidina tamin’izay fa andro fivavahandrizareo angaha. Somary nangingina noho izany ny tetsy an-kihon-dàlana fa mpanoko nem sy composé sisa namitaka mpandalo tao.

Alika mavo mahia lava sofina izay no nanaikitra ilay ramatoa. Nisy fiarakaretsaka nirimorimo avy tany ambadiky ny fanasan-damba tany ka nanitsaka ny tongotr’ilay alika natoritory teo an-tsisin-dàlana. Tapaka nikarepoka tao ny taolan-tongotra ilan’ilay amboalahy ka nitroatra sy niantso valala io sady rifatra namonjy aina. Taitra anefa ity mpivaron-kena iray sendra nandalo milanja kitro sy lohan’omby tapaka ka namoaka antsibe avy hatrany fa nataony ity fa biby romotra hamely azy.

Voafiran’ny antsin’ny mpivaron-kena tery ny tringimbodin’ilay alika efa fisa-tongotra. Raikitra teo no ho eo koa ny daka sy tonta vato tsy misy alaharo alaharo avy tamin’ny izay rehetra nahita sy nanatrika. Tafatsoaka ihany anefa ilay kivindro efa teo ambivitry ny fahafatesana. Raha mby tetsy ankodimirana kosa izy dia noriatany izay voalohany sendra azy teo ka nananamparany ny maha-amboalahy azy.

Nielo mavokely misoratra manga ilay ramatoa tamin’izay niantsampazan’ny alika izay.  Nitafy lamba mavokely sy niankanjo manga tanora fa nampitovy loko. Ny volo natao tananivoho somary bontana kantokanto fijery, ny kavina masom-bola manaitaitra mpandalo. Mazoto famindra fa efa dimy minitra tsy hahatratra ny sakaiza nifanaovam-potoana teo an-tsampanana. 

Nitsipika tery afovoan-dàlana ilay elo raha vao nitsarapaka ilay amboa ka voahosihosin’ny fiara potipotika tinorotoro tao. Rava ny bontana ary nisomaritaka tanteraka ny lamba sy ny akanjo soa. Babababa mahatsiravina no nitsena ireo mpandeha an-tongotra nihazo ny tany malalaka etsy avara-tsena. Marikoditra sy nivadi-po ireo vahoaka nifamahofaho : asa izay nahazo ity alika fa tany amin’ny fivavian’ilay ramatoa izy no nitsatoka.

Ny amboa antitra hono tahaky ny voailahy ka raha mahatratra tsy mamela mahazo. Mainka moa fa alika antitra vaky vody fisa-tongotra efa ambavahoana. Lehilahy fito no namonjy ilay ramatoa fa tsy nahala ilay biby nivadika antambo. Natao daholo na ny daka na ny kenda na ny doro na ny baramina na ny tapa-biriky na ny potsi-maso na ny roram-paraky fa tsy nisy nahafaka. Nony farany dia ilay mpivaro-kena efa namira ny tringimbodin’ilay alika no nantsoina hanapaka ny lohany.

Ka izay vao afaka ilay ramatoa.

 

II

 

Fa omaly koa izahay mbola nitady izay fidonany tao Ankazomalama fa tsy nisy tonga tao.

Tsy nisy niantso tsy nisy nanafatra.

Mbola ilay ramatoa mpanakapokapoka vilia sy vilany ato andrefana ihany no heno tao.

Enim-bolana hono io ramatoa io notsaboina tany amin’ny HJRA fa voa mafy ny fivaviany norambosan’ny alika. Dokotera fito no nifandimby nitsabo azy tao fa saika tsy nisy nahatafarina azy mihitsy. Farany dia sady voa ny sainy no voa ny nofony fa in-dimy nozairina izy io ary im-pito nofahanana fampatoriana mahery. Rehefa revon’ny fanafody mahadonto izy dia miantsoantso ilay sakaizany nifandiso fotoana taminy tetsy an-tsampanana.

Ramatoa maty vady manano tena izy io mipetraka irery fa tsy manan-kavana. Dimy taona no nahafatesan’ny vadiny. Sefrera afaka io vadiny io nianatra lalàna teny amin’ny anjerimanontolo fa tsy nahavita dia nanao saofera. Nitondra vazaha tany Mandràka ka variana nanazava ny zava-bitan’ny vazaha tao dia nivarina an-kady ny farany. Ilay vazaha avotra ihany fa ny tendan’ilay rangaha no voadidin’ny vakim-pitaratr’ilay fiara nitsimbadibadika ka nitsipika tany ny lohany. Latsaka tao anaty antsan’i Mandraka dia tsy hita mandraka izao.

Tsy misy nety nampidi-paty tapa-doha am-piangonana ny olona tao Ankazomalama fa sao asan-devoly hono ka hitarika fahavoazana. Dia nasainy nozahana aloha ilay loha very vao izay vao azo atao hono ny fara-veloma. Vaky vava teo ilay ramatoa roa andro telo andro. Efa saika lo tsy azo natao ninoninona intsony ilay vatana mangatsiaka vao nisy nanoro hevitra hoe ndeha misambotra loha-patin’olona tsy fanta-pihaviana ao amin’ny toeram-paty ao Befelatanana hasolo ny lohan-dratompokolahy.

Ka nomena dimy arivo ilay mpiandry faty tao Befelatanana nefa tsy nety raha tsy dimy arivo sy telo alina fa izy ary hono mbola handidy loha-paty ka no dimy arivo fotsiny no omena azy fa raha izany dia aleo hijanona. Tsy nanam-bola intsony anefa ilay ramatoa fa ny vola efa lany nidodododoana nitondrana ny vatan-dratompokolahy tetsy sy teroa. Nosakanan’ny polisy koa moa izy tamin’izany ka nentin’ireo teny Tsaralalàna natao fanadihadiana fa sao olon-dratsy saika hanafina fatin’olona novozonina tany ambadibadika tany. Ka notsipazana roa arivo sy roa alina ilay polisy tao vao namotsotra ny maty sy ny velona.

Ka ratsiratsy anjara mihitsy io ramatoa io fa mba handoavana ilay tambin’ny tao Befelatanana dia voatery nanatona mpampanjana-bola nametra-pananana natao antoka. Vita ihany noho izany ny fara-veloma sy ny fampombàna ny maty  - teo am-panitrihana ny faty ao am-pasana vao nesorina mangingina ilay lohan’olona nofonosina sachet plastique Cora dia naverina malaky teny Befelatanana. Fa tsy nanam-bola tavela intsony ilay ramatoa fa ela nivelomana tamin’ny karaman-tsaoferan’ny vadiny sefrera sy ny varobarotra madinidinika. Ka izay vao nitady asa maharitra hanefana trosa sy hihinanan-kanina.

Ka nitety sinoa teny Behoririka nefa tsy nahazo. Nanandrana orinasa afaka haba tao Ambohibao fa toa nikatona daholo ny tao. Nanontany asa an-trano tamin’olom-pantatra sy tsy fantatra kanefa tsy nisy hirika itsofohana. Nindrana entan’ny mpivaro-mandeha tamina karana ao Antsahabe fa tsy nahatoky ireo dia tsy nanome. Niantso namana voatodin-damosina, nandondom-baravarana tsy nisy namoha.

Iray volana nitady, roa volana nisary zoro fa tsy nisy natokona tsy nisy nakotrika. Nalain’ny mpampanjanam-bola ny entana sisa, nanao roaka’alika ny tompon-trano. Tampina ny domy dia voatery nanketsy Vasakosy nanatevin-daharana ireo mpivaro-tena mpisiaka fiara sy mpanaraby mpandeha.

 

III

 

Fa anikeheo maraina izahay mbola nihainohaino tao Ankazomalama ihany. Fa tsy nisy nandalo, tsy nisy niserana.

Ilay ramatoa ato andrefana foana no mivezika atsy sy mivezika aroa. Manakàpoka entana sy mimenomenon-poana mahabe sofina sy mamonto fo.

Fa nanam-pitia hono io ramatoa io na dia very sy latsaka an-katerena aza. Lehilahy tsara volo sy tsara fanahy izay no tia azy. Lava ranjanana tso-bolo manao vaky tampona sy mifehy tenda. Toa mpampianatra teny aminy Rasalama no niala dia nanao tononkalo sy riankalo ary kalo sy rima kidaombarambita.

 

Teny Andranotapahina no nifanena

Tsio-drivotra malefaka sy alon-drano madinika

Sisa niaro tamin’ny tebaky ny fiainana

Sy nanapaka ny sento an-katakonana

Tamin’ny andro hariva nahavelom-bolo

Ity foko efa hotohoto sy tolaka.

Tankina ve ny ranom-pahasoavana

Ry lanitra be saroro mpamitak’olona

Ry fahafahana mpanao tari-joro

Fa no tambany lava no hitako

No sakana hatrany no asedra ahy ?

Fa fofon’aina sisa onona

Tazatazana sisa no atao

Embonembona sisa sakafo

Fa ny nofo efa nanary hasina

Ny fanahy efa nitsangan-kazofosy.

Tsia, hoy ny Lahy

Ny jaly dia don-tany ihany

Ny vintana manao kapo-tandroka

Fa ny ratsy no itehenan’ny soa

Ary izay maharitra vadin’andriana.

Ny marina toa ala mikirindr0

Tsy ahitana fa ipoiran’ny hanitra

Fizaha fa tsy mety enti-mody

Ka inty aho olon-tsy fantatra

Hamantatra ny vetso mangina

Hihaino ny teny tsy ambara.

 

Ka nifankatia hono izy ireo dia nifanaraka hoe mifamboraka fitia fa tsy mifampiteny toe-piainana na antom-pivelomana na anarana na toera-ponenana. Izany dia mba handraketana ny hanitry ny vao sy ny fahaliànana amin’ny mbola tsy fantatra nentin’ny fifanojoana tsy nahy. Faly sady raiki-tahotra ilay ramatoa manoloana ity kilalao hafahafa ka nanontany hoe tena ho zakanao tokoa ve ry Ingahy Poeta ny marina mifono ala mikirindro ijoroan’ny lasako sy ny ankehitriko ? Fa namaly ilay rangahy hoe ny olombelona ry sombin’aiko tsy mba levona raha tsy any ambany rangolahy ary mahazo mitrebona sy mamony foana ambara-pahatongany any amin’ny varo-tsy mifody. Ka inona hoy izy no mahaosa anao rahavako fa na ratsy toy inona aza ny lasanao dia halevin-tsika anaty hady im-pito mandifotr’olona ary havarin-tsika any Farahatsana tsy hiseho masoandro intsony mandrakizay antaranoana. Fa ise hoy izy no tanako ho vavolombelon’ny fitia tsy misy fanaperana mandrindra ny tany sy ny tsy taka-maso ary tsy mba voalevin’ny hetraketraky ny filan’olom-belona. Ka ndeha isika roroa hifamotoana eo an-tsampanan’Ankazomalama amin’ny andro zoma tsinam-bolana ho avy mba ho mafy orina tahaka ny fanjakan’ny Ombalahibemaso ny tokantranontsika. Iray minitra tsy hitatao vovonana no hihaonan-tsika mba ho lolohavin’ny andro misondrotra hatrany ny fifamatorana hifanaovan-tsika.

Ka ao isika vao hifampiteny anarana sy hifamantatra ny marina sy hifampitsapa ny tsara faka sy ny avo tendro raha ela nampanantenain’ny ritsodritsoky ny rivo-malefaka sy ny topatopa manginan’ny alon-drano teny Andranotapahina.

Ka tsy naharay lamba hono io ramatoa io nody tany aminy nitady izay hevitra ary nivaky tamin’ireo namany makorelina fa nahita ny lalana hivoahana ny kizo sy handaozana ny mangidy. Nibitaka sy nisomaritaky ny hafaliana ireo namany ary tsy nihambahamba nanampy azy hahatrarany izany tanjona tsy nampoizina sy hisamborany izany vintana tsy indroa mandry am-bavahady izany.

Ka nifanome tanana hono izy ireo nanao tsipaipaika hividianan-damba sy firavaka ity namana tafintohin-tsiramamy sy lavo ambony tantely. Sady tsy pasazy ity no tsy matory hono ry ise fa ny tena daoro sy ny tena vrai sy poinsa mandrakizay ela be. Dia nitety tsena ireo ka teny Soarano sy teny Anjoma sy teny Tsaralalàna sy teny Mahamasina ary tany amin’ny 67 ha. iFara nividy lamba mavokely moa iSoa naka ankanjo manga tanora. iMarie nahita elo kely meva loatra ary Bodo nitondra kavina masom-bola. Dianangonina ireo dia nifamotoana hampihaingo ny vavy sy hampiravaka azy ary hampandrafitra ny tananivoho sarim-bontana kantokanto fijery.

 

IV

 

Ary izao antoandro izao vao nisy nambara tao Ankazomalama. iBodo no tazanay teo nitsirika kely fa tsy naharitra. Nanontany an’iRaivo izy vetivety fa hoy izahay hoe Raivo iza moa izany ry Bodomalala? Kinanjo henony ny dridridridry sy korontam-bilàny tato andrefana dia tsy namaly izy fa nisento kely dia lasa nisinda.

Fa ny andro zoma tsinam-bolana teo hono no tonga teto Ankazomalama ny Poeta. Nihidy ireo mpivaro-damba karana manodidina tamin’izay fa andro fivavahandrizareo angaha. Somary nangingina noho izany ny tetsy an-kihon-dalana fa mpanoko nem sy composé sisa namitaka mpandalo tao.

Nanao fehitenda sy kople sy kiraro mangirana ny Poeta dia nitondra fehezam-boninkazo fotsy sy mena hatolotra ny tiana. Nikasa handray linina dozy kanefa ela faka rononom-panahy ka natahotra ny hilaozan’ny vazo mihahaka dia niova fo naka fiarakaretsaka.

Taminy roambinifolo antoandro latsaka dimy minitra vao tonga tao.

Tsindrin-daona mafy hono io leilahy io teny an-dàlana ary nangovitry ny fahatafintohinana ny molony manoloana ny fihisatry ny fifamoivoizan’Anananarivo. Tsy hita anefa izay azo natao fa ny tànana no naolanolana teo, ny andrina no nivoaka dinitra ary ny vava no tsy nitsaha-nitaraina.

 

Indrisy lahy, indrisy mantsy !

Fa loza ity tsy fiheverako

Lalina ity tsy fahiràtako

Ny fiainako nataoko kitsapatsapaka

Ny ho aviko nataoko kilalao.

Indrisy lahy ! Indrisy mantsy !

 

Ka tsapan’ilay mpamily ny fitaintainany anaty ary hitany fa Poeta io dia nitsetra azy izy niteny hoe aza matahotra ianao razoky fa tonga foana rehefa tokony ho tonga ary ny zava-drehetra misy fotoanany. Ary koa sao tapaka lalan-drà eo ka veloma ry dada masina ry neny fa tonga ity ny vintana ketraketraka sy ny patsa iray tsy omby vava.

Tsy nanony ny fon’ny Poeta anefa hono izany teny izany fa vao mainka izy nitroatra nanao hoe oadray, maty lahy, maty ity.

Taitra ilay mpamily namaly hoe ary ianao izany anie razoky toa misendaondaotra sy maizim-pijery loatra ary hoatra ny manaiky resy mialoha fa sao dia mba miantso loza amin’ny tenanao ity toetranao ity ka izao no mba torohevitra omeko anao hanasitranana ity fomba fijery hafahafa : misotroa mangidy in-telo isan’andro dia asio talapetraka marain-tsy hariva sy volokatsaka atao fialemana. Ampio toaka kely rehefa zoma dia milamina ianao tsy misy adin-tsaina tsy misy souci fa tretrika foana mandeha joli. Ny akondro ambanana antsy anie ka mihatra raha ela, ary aleho misorona toy izay mitsabo, sns, sns...

Oadray, maty ity.

Voasafon’ilay fiarakaretsaka ny vodin’ilay ilay ramatoa niloloha harona niampita tampoka teo avaratry ny fanasan-damba ka nikatsantsana ity mpandeha vao nikoropaka ilay mpamily. Nivilivily be ilay fiara tsy voafehiny intsony, nisosasosa tsy tana dia nanosy amboa teo amoron-dalana ary nifatratra tery am-panariam-pako. Notangoronan’ny olona teo ilay fiara ka nifanetiety tao na ny mpianatra na ny mpivarotra na ny mpiantsena na ny mpangataka na ny zaza mpirenireny mpanao porte madame. Ka nandeha ny feo hoe toa saofera mamo hono izy io ka natory am-pamiliana fa ny sasany indray nilaza hoe ilay rangaha be kople io hono toa Gasy mipetraka any an-dafy nitondra volabe notafian-jiolahy avy any Anosibe. Ny hafa kosa nanamarina fa tsy izany mihitsy fa io rangahy io fantatro tsara fa polisy mpanara-jirika mody olon-tsotra io saika hanenjika mpanamy trano kanjo nanapoahan’ireo basy poleta dia naka sisiny.

Tapaka teo anefa ny tafa sy ny dinika fa nisy vehivahy nihiaka sy nibabababa tampoka tany ambadika tany dia roso daholo indray hitangorona any.

 

V

 

Fa tao Ankazomalama izahay anio hariva. I Bodo ihany no mbola niverina tao fa kosa nitaona an’iFara sy Soa sy Marie izy tamin’ity. Nanontany izahay hoe ahoana ihany dia hoy izy hoe andraso aloha leitsy fa mbola miandry an’iRaivo izahay. Fa Raivo iza moa izany ry Faratiana ?

I Raivo kamenona mpahandro sakafo mpanakapo-bilany sy be monomonona.  I Raivo masiaka tsy azo tsindriana sy dodododosina fa mivadika biby. Nofitapitahan’ny fiainana i Raivo teo am-piandrasana ny soa vao nitsiry. Nahatsipalotra ny anjara-masoandrony izy no niharan’ny loza tsy zakan’ny loha. Nopotipotehan’ny alika ny taovam-pitia, norimbarimbain’ny amboa ny fitaovam-piasana. Ka nitsetra ry Fara sy Bodo sy Marie dia mba naka azy hanao lakozy.

Tsy fidiny azy ange leitsy izao hoy ireo fa mba aza manody ny comme ça. Tsy hoe nahim-po na adalàna fa fiainana miofo ho fahavalo tsy toha. Tsy nisy fitsimbinanana tsy nisy ivalozana fa ity hano ity lero dia iny ny an’ialahy. Ka na izahay izao aza ange leitsy mba nanan-kasina ihany sy nanan-jo fa niasa tany amin’ny orinasa afaka haba dia tsy dia mba voatery hivadika atidoha. Tsy nanao fanahy iniana ny ho be fahotàna fa nolalaovin-drizareo ambony ny fanjakàna dia niongana Ravalo dia niakatra Rajoelina dia nitombo ny isan’ny makorelina.

Tena marina izany ry Bodomalala hoy izahay ary tsy azo lavina izany ry Faratiana. Ka niontanontana izahay dia nihira hoe :

 

Ie ie ie, o o Raivo

Ieeee Raivo o, ia o o Raivo

Ndeha mba hilalao Raivo a

Ndeha mba hilalao Raivo a

 

Fa elaela hono ilay Poeta vao tafavoaka ilay fiara tao antsampanana iny andro zoma tsinam-bolana iny, potipotika ny fehezam-boninkazo fotsy sy mena, rovidrovitra ny kople tsara be. Nilaozan’ny sakaiza nifanao fotoana ka fanimpanin’ny alahelo sy vonton-tomany dia latsaka tao anaty tatatra no niafarany.  Nosafelehan’ny tody nolatsain’ny tsiny ka narobony lalina tanaty dalle diky be. Linina onzy no noraisina nody fa nitampon’orona daholo ny mpandeha linina dozy dia tsy nety nandray ny saofera sy ny resevera fa aleha mandeha fa ity toa maimbo be.

Vetsovetso sisa nenti-miverina ary talaho no hany hira nandrotsirotsy :

 

Nitsioka omaly ny rivo-mpamelomana

Velona omaly ny antsivabem-pitiavana

Kanefa variana ity foko mpisikidy

Variana namantatra ny tsy taka-tsaina

Nisotro ny vao sy ny sendrasendra

Ka tsy reko nanatona ilay mangidy

Ilay vinta-mitsaika mpanao ankaso

Mpandrava namana mpamitaka ny soa

Sompatra mpialona ny zon’olombelona

Ka veloma lava ry ravin’anjavidy

Fa tsy nividy fitia aho ka tsy mba nanana.

 

Fa nandao an’Ankazomalama izahay raha hariva ny andro fa tsy nisy ho lazaina intsony tao, tsy nisy ho volena tsy nisy hatsatsika. Rava ny tsena dia nody ny sipa dia gina ny làlana fa lao ny vahoaka. Ao Ankazomalama ao Ankazomalama, ao isika no hipetrapetraka. Ao Ankazomalama ao Ankazomalama no hanolorako anao ny fitiavako.

 

Naivo, 29 desambra 2016.

 

Mpankafy hainteny iNaivo, manoratra tantara foronina sy sombin-tantara ary fakafaka momba ny rakitry ny ela sy ny vesatry ny vao ao anatin’ny fiara-monina malagasy.