Tangô!
Tangô!
ny maoza
...
Mafonja fanonja ny onja mitondra
ny saina mikiry ...te ho any malala (ah)
Fa tsy afa-manoatra na te mba hitroatra
dia ito tavela eto ihany ny adala
variana sondriana mandrevy ny tiana
tsy tazan'ny maso...ka toa saro-piaro.
Manembo-tsy tony malala ny fony
ka ni-"pince" kely mba ho odin'ny tsiaro!
...
manina andry ho'aho ny fon'olon-tia
ka tsy mahavadi-mandry fa mamelovelo
miverin-tsy antsoina tsy maty vonoina
ny lasa rehetra ka toa malahelo
malala ah rahovianany tia sy ny tiana
vao hiombom-panahy ka ho tokana iray
malala ah faingana, kitàna modia
fa singan-drery izay olona izay
...
ny maoza
Ny maoza hono dia olo-noforonina ho an'ny fiarahamonina... mpanoratra mandalo sedra ao amin'ny havatsa upem Miarinarivo.