Tsipi-panohizana
Tsipi-panohizana
Volatiana Rahaga
Soa fa…!
Angamba sento tokana
dia ampy hahatsapana masoandro tsy ampy tana.
Angamba fahanginana
midika koa mazana fiandrandram-piovana.
Angamba ilay antsoko
tsy tody fa niverina toa fody tsy tamana.
Angamba koa ny anarany
no sendra reko tampoka namolona hafanana.
Inay mbola hisy
hetsi-po iray anaty mamaton' alina.
Inay izany hitoetra
hamela hamamiana ho latsa-paka lalina.
Raha toa teniteny
no sisa hamenoako ny bangan'ilay tiana,
Sanatria heniheny
no faritany hitako niniako hilasiana.
Dia soa fa nisy iky
ny angola tena vaitra sy tsy lany hamamiana...
Eny…
Tsy ataoko imasonyF’izay elanelana mety hanasaraka, lavitra ikoizana.
No lasa velirano
hifanahafanay, ilay tsipi-panohizana!
Volatiana Rahaga
15-11-16
Volatiana Rahaga: efapolo taona dia mipetraka Londra renivohitr’i Anjorotany: Angleterre), liana amin’ny asa-soratra, poezia sy ny literatiora Malagasy amin’ny ankapobeny. Manoratra amin’ny teny frantsay sy anglisy ihany koa. Nanoratra angano amin’ny fiteny telo ho an’ny ankizy ary hamoaka amboara-tononkalo amin’ny teny Malagasy tsy ho ela, sy boky hafa mikasika ny fitaizana. Liana manokana ihany koa amin’ny Siansa amin’ny ankapobeny, amin’ny Politika, Etholojia, Psikolojia, ary ny fitaizana mirona amin’ny maha-olona. Manaraka fanofanana manokana amin’izany sehatra izany ankehitriny.