Tsara Soratra

View Original

LANY ERA...

 

LANY ERA...


Hanitr'Ony

 

Eto amoron-drano eto no ataoko teny ierana
Amin'ny tsiokanao malefaka ny alona mamirapiratra
Amin'ny tany babonao ny marina tsy mitanila
Amin'ny feonao madio ny foko 'zay mivaralila (*)
Sendra topy maso anao, tsiky sendra tafahiratra

Eto afovoan'ny voahary no iriko ilazana
Aminao ny tsy novaina fa nombohana hitoetra
Norafetin-tsela-baratra tao am-poko indray nikotroka
Nampihovitra ny lelako nahitako manjoretra
Ny ahitra nodiavinao raha nigoka anao ho doroka

Eto anivon-tsaha eto manitra nifandraharahana
No antsoiko ny antsoro ho famoloanam-pararano
Hively rano volafotsy tsiriky ny hanohano
Manamorona ny fo hasambaran-toa angano
Lany era tsy ho arira ?! Ho anao ka... Tombano!
 
Hanitr'Ony
10/4/15
RER C, Avenue Henri-Martin, Parisy
(*) Mivaralila : Tsy mijoro mahitsy, mila hidaraboka, tsy mandeha amin’ny laoniny.

 

Mpanoratra sy poeta maro-talenta i Hanitr'Ony, ary anisan'ireo mpiaro mavitrika ny teny Malagasy.  Izy no filoha am-perinasan'ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa. Manoratra amin'ny teny Malagasy sy Frantsay ary manolotra sy manentana ny fandaharana "Bitsiky ny Ankizy" ao amin'ny Radio Bitsika koa izy.  Anisan'ny boky navoakany: Bitsik’Ony, Tsirin-kalokalo ary farany teo "Deux fois une” izay navoakan’ny Editions Sepia (2016).