Ambiroa
AMBIROA
Dafy Noely
Maditra hariva ny ambiroa
mitety vohitra fanahy.
Maditra sady mafy loha
fa saingy tsy hahasakana ahy
hanoratra hafa noho ny teny
sy ny vohitra teteziny,
satria aminy hono ireny
no soratry ny andrareziny.
Izaho tsy handika ny ambiroa
mamangy ny alina mangina.
Aleoko nofy ihany aloha
no vokarina sy ampiana,
hameno banga an’eritreritra ...
ka raha tsy faly ny ambiroa
satria ny nofy hafa hevitra
dia avia hifampikatro-doha.
Mahazo mody ny ambiroa
mamonjy ny hantsana nihaviany.
Aleo ny nofy ihany aloha
no mba hanoratra izay tiany.
Ny nofy mantsy toa tamana
mivahiny an-tranon-tsaina,
mamafy sombin-kafanana
mandra-piandry ilay maraina.
Dafy Noely Mpanoratsora-poana
13/12/2016
Dafy Noely : mpanoratra mitety ny lohasaha sy havoanan’ny lohahevitra maro samihafa ; indraindray mampihomehy, mazàna mampalahelo fa matetika manetsika ny saina sy ny fon’ny mpamaky hamerina hamaky fanindroany. Tsy tononkalo ny ahy ireny, hoy izy … fa soratsora-poana.