Tsara Soratra

View Original

Lazao

Lazao

Rojo

...
Lazao fa mbola misy
sombintsombiny amin'
ny dian-dratsan-tanako, mpanafosafo mora ilay endrikao bakora fony tamin'izany...
Raha mbola nafangian'
ny fo tanaty fo
ilay efitra fitiavana
nigohantsika mamy.
Fa ny eritreritro eto
tsy tana fa mankany,
vetso velon-tsento misesisesilany
no mampiahotra ny foko
ho mailaka fitepo!
...
Lazao fa mbola misy
masonao mahita
ilay nofinofin-tsarin'
ny hasambarantsika,
efa mby nananika ny fatra lavorary
tanatina vahohon'
ny rojon'ny fitia...
F'izaho aty mikalo
ilay hirahira iray fandrotsinao mazàna,
f'izaho aty mahatsiaro
ilay topi-masonao mpandravaka hazavàna
'reo ali-nitosiana ny lanitra somamby...
F'izaho aty mandalo
ny rediredim-po mavesatra fihantàna
manohy samirery ny nofy tsy ho tö...
Izaho aho ity toa mamon'
ny sorisorin-tsaina manaikitra toa nenina
asafotofoton'ny tsiaro mitamberina.
Enga anie ianao ka tsy tafandry mandry
tongava mba mamangy e!

Rojo 

(11/08/2002)

 

ROJO na RAZAFIMAHATRATRA José Abel, teraka ny 07 Martsa 1977. Manambady, niteraka roavavy. Tsy nahavita fianarana loatra (nijanona teo amin ny kilasy 1ere.). Mpivarotra lasopy amoron-dalana ety Andoharanofotsy ety. Tia ary mankamamy ny Kolontsaina Malagasy. Miezaka mivoy ny Haisoratra. Mba mahita rirany kely eo amin' ny tontolon'ny sary (hosodoko, tantara an-tsary).