NY POETA
NY POETA
Ravorombato
Ireny akia malala!
Toy ny mpandrafi-bolan-kazo
Ho zary lasa fanaka
Fanaka voavoatra
Ho lovan'ny taranaka.
Toy ny mpiasa tany,
Mamadika ny bainga
Manala ireny vato
Hamokarana ny voa.
Toy ny mpanefy zany vy
Asokany amin'ny afo,
Pempoiny ho tsara tefy
Ho zary lasa fiasa.
Toy ny mpikolo zaridaina
Mifantina ny tsara
Manondraka ny maina
Manala ireny tsilo
Mangeja felam-boa.
Ireny akia malala
Nanintona ahy hitia,
Hitia anao tanteraka
Am-po tsy noterena
Fa vokatra fitia.
Izany ny Poeta.
Mpikolo 'tony teny
Mpisikotra azy ho kanto,
Ho taratry ny ho avy
Ho eo am-bavan-dry.
Ravorombato
( 30/11/16)
Ravorombato: Mpampianatra eny amin’ny Ambaratonga Voalohany any Arivonimamo. Filohan'ny HAVATSA-UPEM (Sampana Arivonimamo). Efa namoaka sangan’asa maro tamin’ny onjam-pêo sy ny boky niarahana tamin’ny HAVATSA UPEM FOIBE.