ANARAN'OLON-TIANA
ANARAN'OLON-TIANA
Riva
Tsy ianao no voalohany fa efa tsy ary ho voaisa ireo nanoratra ny anaran'ny olon-tiany teo an-torapasika. Im-betsaka naverinao sy novainao ny soratra teo isaky ny voafafan'ny ranomasina fa dia mbola itovizanao amin'ireo an-tapitrisany talohanao ihany izany fihetsika izany: mbetika ny anarany fotsiny, indraindray ny anarany anaty sary fo, ary misy fotoana indramana teny vahiny malaza eo am-bavan’ny maro izay eo alohany: “je t’aime”; “I love you”... Mmh, tsaroako aza fa tsy eo amin'ny tora-pasika ihany, fa isaky ny misy zavatra mety anoratana eny aminao dia mba tsy aritrao mihitsy izay fomba izay: eo amin'ny tany rehefa ianao mba mipetrapetraka iny, eo amin'ny zoron'ny kahie na taratasy vakiraokanao, eny amin'ny zava-maniry na vato rehefa mba mitsangatsangana iny (tsaroako ery ny taretra eo amin'ny rovan'Ambohidratrimo), etsetra sy etsetra. Na tsy nambaranao tamiko aza dia fantatro fa efa nampiasainao ho isan'ny iray amin'ireo "teny miafinao" mihitsy izy iny. Azoko antoka fa efa natsofokao tanaty anaranao koa aza... Impiry moa no efa nanononanao azy mangina tao an'eritreritrao tao? Misy fotoana voatononao tsy nahy na inianao tononina fotsiny izao tampotampoka eo... Mahalasa adala anao mihitsy iny anarana iny! Tsy ho voatanisa eto ny zava-mahatsikaiky ifamatoranao amin'iny anarana iny fa tena efa maro... Tsy ianao irery anefa no tahaka izany, tsy ianao no voalohany lasa adalan'ny anaran'olon-tiany fa izay mitia amin'ny fony rehetra... Fanehoana ivelany ihany ireny, fa ny iriko dia izy voasoratra ao am-ponao ary hitoetra antaranoana fa tsy ho voafafa tahaka ilay soratra tetsy an-torapasika...
Riva,
10.08.15 Morarano Toamasina
Riva: poeta sy mpanoratra Mpiraifaribolana Sandratra, 33 taona, monina eto Mahajanga. Efa namoaka boky telo ankoatra ireo boky niarahana namoaka tamin'ny namana mpanoratra hafa. Mifantoka kokoa amin'ny tononkalo, riankalo ary sombintantara.