Raha manta vary indray mandeha
Raha manta vary indray mandeha
Hoby RASOLOFOARIMASY
Raha sendra misy ratram-po mitady hipongatra ao anaty,
Dia aza kivin'ny manjo fa ny marina tsy maty.
N'iza n'iza no hikendry mba handentika ny marina...
Raha tsy hipoitra izany anio,rahampitso hofantarina.
Na terena tsy hihiratra, irariana mba ho jamba,
Tena toy ny volamena tena izy fa tsy angamba;
Tsy mba toa tsiriry vorona, ka hiserana ihany…
Fa tena tsiriry ahitra, miorim-paka amin’ny tany.
Izao no aoka tsy ho adinoina,
Ny marina tsy hay vonoina,
Manan-kasina tokoa…
Na latsaka ambovoka aza dia mamiratra eny foana,
Tsy ho lefin’ny omaly tsy ho dilan’ny fotoana.
Toa izany ny olo-marina toa kintan’ny vahin-danitra
Sady mitsilo ny eto antany no mandravaka ny lanitra;
Tena habaka hafa mihitsy no iainana satria,
Efa ela no tanteraka ny fanaovana sonia.
N’inona memy lalovana,
Izy tsy mora torovana
Na dia heverina fa kely
Mamela mamy toa tantely…
Tena masoivohon’ny fitenenana hoe:
“Raha manta vary indray mandeha, tsy andeha handevin-tsotrobe.”
Hoby RASOLOFOARIMASY
09/11/16
Hoby RASOLOFOARIMASY dia poeta, monina ao Ivato, mpianatra mpikaroka eny amin'ny anjerimanontolo.