Mpinamana miresaka
Mpinamana miresaka
AnjarHanitra
Nahoana ianao no toa tomany, toa kivy toa tsy hita faly.
Toa malahelohelo foana, tsisy teny toa moana.
Tsy diso izay voalazanao, izaho koa tsy hanafinafina.
Mby ankoditra izy ity, mibaribary n’andro na alina.
Inona no tiank’ambara mba lazao tsotra izao.
Sao ho diso hevitra aho ka mety hasorena anao.
F’ianao ve aloha tena mbola miaina, sa efa jamba ihany koa ?
Tsy mahatsapa, tsy mahita sa tena tsy mivaky loha ?
Eny e, Marobe tsy hita lany ny zava-misymampijaly.
Fa tsy alahelo na hakiviana sesilany no hanoherako an’izany.
“Dia gaga enao” hoy ilay namako iray, hay va re !
Dia vitanao ny mbola hitsiky sy hihomehy, nefa anie…
Aoka aloha hazava tsara f’isika samy miaina ity tantara.
Ny fiainantsika azy io no mety hitovy… fa tsy sahala.
Hay ! marina loatra izay f’izao no tadidio Ranamana.
Ny antsika ho vita ihany fa ahoana ireo taranaka ?
Hay ! izay no tianao hatongavana, nefa ianao toa diso lalana.
Toa mora kivy sy torovana, izany vehamaha ny olana.
Indrisy, sambatra ianao mbola afaka mitsiky sy ho faly.
Mahita ireto ankizy sy tanora mihapotika, mijaly.
Eny hoy aho e, Miaina anaty fahoriana, tahotra sy ahiahy.
Fantatro anie izany, ary izay indrindra lahy no ilaina anao ho sahy.
Ho sahy ? Afaka ho aiza intsony, maro ireo voagejan’ny rongony.
Tsy vitsy ireo mivaro-tena fa mila vola sy harena,
Fisolokina no fikiriny , ny arabe no mba sekoliny.
Ny ho aviny efa tsinjoko hahonena, d’izay ve ilay hoe “andrim-pirenena“ ?
K’izay no ilaina anao hitraka, hihetsika sy hiasa.
Tsy hihandry azy ho vizana sy rava, na ho potika sy rotika.
Tsy safidin’izy ireny ny ho very, f’ilay fiainana masiaka no nanery.
Ka ndeha hanome tanana, hanarina sy hanampy ireo Ranamana.
AnjarHanitra
Oktobra 2016
AnjarHanitra no nofidin’I Hanitriniony Rakotoarivelo Rabemananjara ho anarany eto amin’ny sehatry ny fanoratana. Izy dia tia manoratra tononkalo, tononkira, angano sy Tantara. Mipetraka eto Etazonia miaraka amin’izy telo mianadahy zanany. Miezaka mianatra sy mikolo ary mizara ny teny Malagasy.