Tsara Soratra

View Original

ILAY SOMBIN-TARATASY SISA

ILAY SOMBIN-TARATASY SISA

MINA ILARION

 

Indray andro, nisy zavatra  nokarohiko tao anaty vata fitehizako ny entana tsy maintsy ilaiko, indrindra ireo taratasy manan-danja sy manana ny hajany. Ela aho no tao fa tsy nety hitako ilay taratasy, latsaka hatrany amin’ny ambany indrindra aza fa tsy mbola hita ihany. Araka izany mikaro-javatra izany moa, voasarika hatrany amin’ny ambany indrindra. Toa nisy hery nisarika ahy hamaky ity taratasy efa rotidrotiky ny fahaelany.

« Lucien + Lucia = Luciano ou Lucianna. »

Izay no voalazany. Angaha moa nisy an’ity ? hoy aho lasan’eritreritra.

Rehefa ela nandinihina teo aho dia nitampody tsikelikely ny fahatsiarovako. Nokarohiko izay hany tohiny hamerenako kokoa ny ambiroako dila lavitra azy. Any aloha ianao ry taratasy manan-danja.

« Raha izaho aloha no andrasanao hanala io zaza io zaza io dia manantenà tsy »… dia rovitra ny tohiny. Teo ambany no nivaky toy izao:

« Vitako ny ahy raha tsy hanao ianao. Tsarovy anefa fa niarahantsika »… dia loakabe ny eo afovoany. Teny an’ila indray no toy izao:

« Tianao foana aho. Tsarovy ilay vava nataonao ahy hoe: ianao no te hampiditra ahy tsy lera, tadidio anefa fa matoa nanaiky anao aho dia »… rimbina ny manarak’izay.

« Ditra niarahana natao izao no ho zakaiko samy irery. Veloma i Lucien, hoy i Lucia mianaka. »

Efa feno loaka sy rovidrovitra ary potika sy nizarazara izany taratasy izany, saingy raha nantambatro dia izay no azo noraisina taminy.

Na sombiny aza izay dia nitamberina tsara tato an-tsaiko ilay tantara. Lucia, ankizy niaraka tamiko fony mbola kely. Tiako izy ary tia ahy, natao izay azonay natao dia nohadinoina izao tontolo izao, noezahana ny nisintaka ho any amin’ny lanitra faha fito na ny mety ho zokinjokiny aza. Nikipianay ny fijerin’ny rehetra, nanampenanay sofina ny bala izay nipoaka voalaza ho fananarana. Nety izay natao dia anay izao tontolo izao.

Rehefa ela niainana tao anatin’ny fahasambaran’ny mpitovo dia tonga ny fotoana hisokajiana ny vita ho lasa ditra, nisy ny sombiniaina. Na ilay anarana voakasa aza lasa naharikoriko ny mihaino azy. Niarahana natao dia hiarahana mizaka, izay no tarigetra tamin’izany fa amin’izao nanjary ho niarahana natao dia mahaiza ianao mizaka.

Dia ity ny valin-kafatra nalefany, taorian’izay, tsy maintsy niakatra taty Iarivo aho hanohy ny fianarako, izy nijanona tao Vatomandry. Tsy sanatria akory hitsoaka adidy na tsy fitiavana azy saingy adidy koa ny mianatra, ary hanatsarana ny ho avy izany. Sendra nifanojo ny fahasoavana sy ny loza, ny sombiniaina moa nitsaika ny fanadinana afaka. Eny e! fahasoavana daholo izany, saingy izaho tsy mbola vonona ny hiteraka sy hitaiza. Lasa aho, any aloha Lucia sy ny kibony. Navalon’ny taona ny volana dia nataon’ny vata tsara valona ihany koa ny taratasiny, ny voalavo sy ny kalalao no hany sisa nitsidika nanapotika azy. Tantara toy ny tantara ihany ireny, saingy mbola hitohy ? dia hitohy tokoa ve ? maninona moa raha toa ka hitohy? Izaho tsy mbola manambady. Raha efa manana anefa izy? Raha nalany ny zaza fa nentin’ny fony izy? Raha tsy miteraka intsony koa izy vokatr’izany?

Ireo fanontaniana maro tsy nahitako valiny ireo no niangona ho Barea masiaka nanenjika ahy ka nitambolona ho eritreritro. Dia tonga izany hoe:  « Aleo enjehin’ny omby masiaka toy izay enjehin’ny eritreritra». Sorisory ny tontolo, lagilagy ny hariva, tsy nipizon-tory ny mamaton’alina, niha tsy zakako ny mitsoaka lava ny fisainako, miha marary ny fanahiko. Tapak’hevitra aho fa hijery azy sy ny adin-tsainy, izy sy ny sombiniainy. Izy sy ny tsiaro, izy sy ny adidy maro. Hanainga aho hijery azy fa ditra niarahana natao dia tokony hiarahana mizaka.

Efa sasatra aho miandry izay feom-borondolo sy akoho tokana milaza fa fodian’ny mpamosavy sy fivoahan’ny olo-lavi-dia izay. Nohidiako ilay tranom-panjakana namefena ity mpanompon’ny fianarana, nanadinoiko ny lasako rehetra sy ny sombiniaiko very, tsy mahalala akory izay salovatavan-drainy, dimy taona lasa izay.

Poa toy izay ny Ankatso-Ambodivona dia tapitra, notsofin’ny rivotra ny Manjakandriana sy Mandraka, Moramanga sy Antsapanana. Nigadona ny fiara. Tsy nahoako ny antsoantson’ny posy sy ny “taxi” fa ny lalako no nizorako. Nde hijery azy aho, izy sy ny adin-tsainy, izy sy ny sombiniainy.

Tsy tsaroako akory ny famaikiana iny fasa-mitandahatry ny sisi-tananan’ny vatomandry iny. Niha nidoboka ny foko nanaraka ny fodoboky ny onja, hahita an’i Lucia aho, izy irery ve sa.. izy sy ny vadiny ? Izy sy ny ray aman-dreniny sa… ? Tsy hampaninona ahy izay rehetra hisy, ny lahatra no andrasako hanopy vintana ho ahy mba ho tonga anjarako indray ilay Lucia tsy mbola maty. Tsy mbola maty fa miaina ato am-poko lalandava saingy nodiako tsy tsaroana hatramin’izay.

Tonga aho, tsy maintsy handondoana na dia somary vahobahotra sy rano an-dravina aza.

-Zovy? hoy ny feo namaly toa ho izy sahady avy any lavitra any.

-Izaho tompoko.

-Zôvy? Sady nigadona teo am-baravarana ilay ramatoa.

-Zôvy haragninao?

-Lucia tompoko, hoy aho namaly faingana.

-Tsy misy an’zegny akato.

-Miala tsiny tompoko, hoy aho namaly tamim-pahatahorana sao sanatria hiantsoiny vonjeo eo. Misaotra tompoko, veloma.

Rehefa lasa tokony teo amin’ny im-polo na in-dimiambinifolo nandingana teo aho, efa tery akaikin’ny sakomanga sy ny sôgnambo belaravina no nantsoiny indray hiverina, sadaikatra ny tongotro kanefa tsy maintsy, mba tsy hisainany ratsy amiko, sendra ihany koa mba fanavotana ho ahy io.

-Nisy olo nipetraka talôhane tato fa nifindra à Sôneranivongo agny. Sô mba zarè zegny?

-Misaotra tompoko, veloma ianao.

-Zôvy tsara agnaranao teo igny?

-Lucien tompoko.

-Zegny fa vilôma anô ! Mandria fa aligny.

-Aoka re tompoko amin’izao fa misy hôtely efa naloako vola izay any dia any aho no matory.

Matahotra ny fanadihadiana hiitatra aho ka niala faingana ity tobina pôlisy.

Nahita ilay hotely tao anatin’ny laingako ihany aho rehefa nikaroka. Teny an-dalana aho tsy tonga saina fa variana sy mandrevy, ravahan’ny zava-maitso sy feon-dranomasina midona any ho any, fa rehefa tafa-petraka kosa, nitamberina ilay ambiroa nitahiry ireo tsiambaratelo.

Tara loatra ny fiovako, tsy hitako intsony izy, aiza no ahatongavako any Soaniraninvongo?. Sady izaho tsy mbola tany. Tanana ngeza be sy mangodana io no hitadiavana olona iray.

Vaky ny saiko, raha nalaina sary an-tsaina amin’ny fijery tsy miangatra angamba efa mizara telo mihitsy amin’izato fangovitany mila hahalasa adala. Tena mbola tiako i Lucia ka ! miaraka amin’i Lucianna sa Luciano? Tiako ianareo mianaka, raha anjaratsikany hiaraka dia tsy maintsy hihaona isika, raha anjaratsika ny hitambatra, tsy maintsy hihaona isika. Bitsibitsika toy izany no reko farany tety dia rendrika aho nanohy ny dia hikatsa-paradisa any andafindriakan’ity tontolo ity.

Ny akoho nifamaly synytsafan-dRasaraka no nanambara fa efa itsy ingahibe masoandro mpanazava ny tany isanandro. Hanefa ny adidiny mandra-pahariva, haka tahaka azy aho anio amin’ny fialana nenina.

Ndeha aho mba hanala sorisory sy hifoka rivotra vaovao, hanopy indray ilay vato mandro etsy anivon-dranomasina, hiala vonkina angamba raha ny marimarina kokoa e! Na hanary dia.

Hanopy ireo mpiandriaka zana-drano atsipitsipin’ny onja manalavitra ny morona. Hijerijery ireo vahiny milomano sy misangy ity ranomasina mahery. Hiroaka ihany koa ny fofon-trondro vao, vao avy any anaty lalina.

Loko maro no tazako, raha hosodoko dia mirafitra toy izao: eo afovoan’ny takelaka misy vato anivon-drano hisian’ny mpanjono eroa am-paratazana, etsy ambany kosa ireo vahiny mipika sary sy manangona akora natsipin’ny riaka sy nilaozan-dreny sifotra, ny zaza manenjika foza kely mandavaka ny moron-drano. Kanto izany raha tanàna.

Very teo ny diako, saika tsy tsaroako fa hay mitady olona no alehako aty. Mety ho lasa pôeta aho raha izao no mitohy, na ho mpanakanto handrafitra hosodoko izay mba tazan’ny masoko. Tena manja e! ny ery ambony moa tsy lazaina fa manga e! sonenika ny mponina ety saingy tsy tsapany izany, ny zanak’Iarivo mandany vola aman-karena mankaty aminy, izy anefa mandoto, manaratsy ny moron-tsiraka rehetra, tò i Vatomandry.

Izaho tao anatin’ny fandefasana ny aingam-panahiko tsy ho eto iny no nisy ankizilahy iray nosangian’ny onja mahery, poa toy izay dia nentiny teny afovoany. Tsy naha tana ny fietseham-poko aho ka nilomay nde hanavotra azy. Nanalavitra ny morona vao voasambotro izy, izaho ihany koa tsy mbola nanadino ny fahaizako nilomano taloha.

Indray mandrora tahaka izay, tangoron’olona ny moron-dranomasina. Tsy nahatsiaro tena ilay zaza. Nahongana ho ny lohany no ambany, nontsindriana koa ny kibony hivoahan’ny rano tafiditra. Indro vehivavy iray otsa-dranomaso, nisaotra ny fanavotako ilay zaza, tsapako amin’izao fa reniny io.

-Misaotra anao ramose nanavotra azy fa raha tsy nisy anao angamba dia very faty tany ny zanako.

-Tsy misy isaorana izany madama fa ny hahataverina ny ainy haingana izao no hirintsika.

-Misaotra tompoko!

Ontsa ilay fanahy kely tao anatiko tao, izay vao niha tsapako ny fitiavan-janaka, lasa tiako koa io zaza io fa naharary ahy. Hivavahako izy.

Rehefa ela nifamonjena teo ilay zaza dia tapaka fa hampidirina hôpitaly. Ilay reniny amin’io tsy mitsahatra mandatsaka ny ranomasony ho an-janany, raha dobon’ny main-tany angamba efa ritra.

Ndeha hanaraka azy koa aho, hijery izay mety hiafarany. Tena hira-janahary ny nandehanako taty fa na tsy nahita an’i Lucia aza aho dia nataony nanavotra ain’olona teo ambavahaonan’ny fahafatesana. Mivavaka aho ry Tompo ho an’ity zazalahy ity, indrindra ireo ray aman-dreniny, kanefa, tsy sitraponay alahatra no atao fa ny anao mpandahatra. Nifanotofan’ny mpitsabo ity voatavo tsy mifandraka, iny miakatrandro mingaingaina iny.

Navela niandry teo an-tokotany ny mpitondra sy ny fianakaviana, ilay reny kosa tery an-dalatsara; mivezika atsy mitomany, mivezika etsy migorera, mivadika atsy dia misento, mitsilo eroa mifokofoko. Latsa-paka ao aminy ny fitiavany ny sombiniainy, tsy hay noresahana izy, izy sy ny adin-tsainy no aoka hamoha ny sombiniainy. Tiany nyazy, ary ny ahy mba tiako? Tahaka ny inona ny mety ho nanjo an’i Lucia raha niteraka ilay sombiniainay? Toy ny inona ny fahoriany? Nisy ray ve teto ivelany nitebiteby ny maha ho lahy na ho vavy ny zaza haterany? Hihazakazaka hijery fanafody, nde hanary lamba feno ra nalatsany ho soron-tsombiniainy? Tsy nisy izany, diso aho, manaiky. Saingy tara loatra ny fiovako fa izy aza nanalavitra ity toerana nitsaihan’ny fitiavanay sy niforonan’ny sombiniainay, manindry mandry ahy isak’alina.

Efatra adiny izay rehetra izay, niha nalefaka ny andro, diva hisoka ilay masoandro, indro dokotera iray manampin’orona miakanjo fotsy, nikopaka ilay reny. Tsy nahajanona teo amin’ny nisy hy aho fa nanenjika azy avy ato aoriana.

-Ianao no reniny?... mandrosoa! Hoy ilay dokotera. Saika nihidy ny varavarana no nisintoniko. Hay ianao no rainy?

Nekeko avy hatrany tamin’ny lohako nihatokatoka izany. Tafiditra izahay. Indro eo ambonin’ny fandriana fotsy izy efa maka aina, taorian’ny vonjy taitra natao taminy, feno kirazondrazon-javatra maromaro ny tenany manontolo. Ilay reny kosa mamihina an-dranomaso ity sombiniainy resy tamin’ny sangy mihoatry ny lohan’ny ranomasina mahery.

-Zanako ô! Fa maninona ianao e? An!

-Mangina madama fa mbola mitsabo ange isika e! hoy aho nisintona azy tsy hanindry mafy ity marariny. Taitra izy nahita ahy. Gaga angamba fa hay nisy olona tafiditra ankoatra azy tao. Segondra vitsy anefa izany, nitohy ny ranomasony.

-Zanako tokana ange tompoko io e! tsy manana ankoatra azy aho, niadiako mafy, nandaozako ny fianakaviako, nialako ny tanindrazako, hoy izy am-pokofoko tao an-tratran-janany tao.

-Tsy misy toa azy. Luciano a, Luciano! Hoy ny antsony an-taraina.

-Oadray! Luciano? Hoy aho somary taitra, namerina ny ambiroako hiverina tsara, Luciano. Nisalasala tao izy noho ny fanahiany fa anara-tanim-boanjo nitranga.

-Lozanao ry Lucien nandao anay mianaka tahaka izao a! tsy mataho-tody. Mbola hivaly aminao izao, nefa raha teo angamba ianao inoako fa ho maivana ny fahoriako.

-Lucien, Lucien? Hoy indray aho nahatafavoaka nyeritreritro teo am-bavako.

-Ie! Lucien, izay ny anaran’ny dadany. Ray mitsoaka adidy, tsy mba manana anabavy ary tsy hanana taranaka vehivavy.

Tohina ny foko, misamboaravoara tsy haiko notazonina, nahery noho ilay ranomasina nitelina an-janany. Hafaliana angamba izany? Mety ho hatezerana? Alahelo koa, hoy ny eritreritro sady faly no manongo tena mety fanenena koa. Vaky teo ny volana fa hiteny aho, tsy maintsy, izay tsinona ny tendry nampihaonan’ny lahatra amin’ny anjaranay.

-Lucia! Hoy aho nanohina azy tao anatin’ny vetsovetson-dranomasony tsy nisy farany, nandatsa, nanaratsy, nanozona ity fahavalony am-pitia. Indro izy nitraka moramora tamin’ny maso vonton-drano hila tsy hahasokatra. Nitamberina taminy ilay feo, feo mpandrotsirotsy, feo mpanambitamby, nivadika ho feo nanerona azy taty aoriana.

-Lucien? Hoy izy taitra… Miesora ianao, Lucien,… tsy… tsy… Lucien, mandehana ianao mandeha, tsy ilaiko ianao maketo, zanako io.

Izay ilay feo niantso ny anarako, tsy mbola niova ny firitsony na dia efa dimy taona lasa aza. Tsy nahoako ny fandroahany ahy, sombiniaiko io, tsy nanana an’io izy raha tsy nisy ahy, zoko izany. Izany no nipololotra tao an-tsaiko, te hikasika na kely fotsiny aza ity Lucianoan’ny foko, azonay kisendrasendra tsy ho niriana akory.

-Lucia ! tsy faly ve ianao fa nataon’ Andriamanitra nihaona tamiko ? avelao aho hikasika an-janako, aorian’izay dia andeha aho.

-Tsy ilaiko mijery anjanako ianao, tsy satrinao ary ve ho faty androany io,  araka izay efa nirianao fony vao notorotoronina ?

Tiako ny ahyfa naharary ahy ary nampitomany ahy. Lasa ianao mivoaka io varavarana io sao hiantsoiko vonjeo eo.

-Eny ary e ! Andeha aho. Saingy tsarovy fa na tsy hino aza ianao dia ianareo mianaka no nahantongavako aty. Andeha aho, izaho ihany koa tsy afaka handingana ny lahatra sy tendry efa voalamina.

-Tsy mila izay safarinao aho, avelao aho sy ny zanako ho eto, hoy izy nanosika ahy hivoaka ny varavarana nisy ilay sombiniainay, sombiniainy moa izany e! Te hanonitra ny lasa rehetra aho, saingy ny fony nisendoatra loatra, tsy hay nontampohana, rahampitso aho hiverina, mety ho tony angamba izy amin’izay.

Rehefa navadiky ny fandriana sy nifandimbiasany teo ny kibo sy lamosiko, ny andilako ankavia sy ankavanana, nangiran-dratsy ny andro. Nataoko tongotra an-katoka ny lalana mihazo ny hôpitaly. Nangina toy ny fanaony ny tao, nisy dokotera mpiandry raharaha nahatazana ahy dia nanantona.

-Ahoana ny anao izay ry tovolahy?

-Saika hijery ilay zaza natsipin’ny onja omaly aho tompoko, izaho ilay nanavotra azy.

Tsy niteny ilay dokotera fa niondrika. Tsinjoko avy hatrany tamin’ny fihetsiny ny tiany hambara arahin’ity fiketriketrin’ny andriny. Tsy nohanontaniako intsony izy fa lasa aho. Nantsoiny indray aho avy eo.

-Efa nanao izay azonay natao ihany izahay saingy, mamangy amin’ny fahoriana tompoko.

Tsy nahoako izay fampiononany, mety tsy ilaina izany, tsy hampiverina ny efa lasa ihany koa, naharikoriko ahy ny fintsinjon’ny masoandro nahalikiliky ahy ny fandrevon’ny fasika, nahasosotra ahy ny tontolo. Lasa izy, lasa i Luciano, ary Lucia aiza ? Aizano misy azy? Tsy hiverina any intsony aho, dokotera tsy mahay ninoninona, mandany volam-panjakana fotsiny, ain’olona tokana tsy avotra-na dokotera efa ho folo?

Sitra-poko ve? Izay tokoa ve no tiako? Izay tokoa ve no niriako?

Angamba. Angamba izay tokoa no tiako ary izay no niriako.

Saingy androany kosa, tsapako fa fanahina tanora ireny, nampian’ny dimy taona, angamba efa matotra, eny e! tena matotra. Saingy tara loatra, lasa ilay sombiniaina, tsy nahita an-drainy akory, izay no anjarany! Mahayilay zanahary ka, miainky ny olombelona. Izay no hitany fa tsara… tsara ? eny e ! Tsara aminy. Nataony ho tsara amiko koa, ho anay mantsy e ! misaotra azy.

-Aiza i Lucia hoy aho ! an, an! Tsy ho any aho e! hiaino latsa? Hiaritra ozona? Hitaty ompa? Aleo amin’ izao, izao no hitany fa mety. Hitan’iza anefa? Lucia? Andriamanitra? Zanahary? Ny razana? Izy rehetra angamba. Anatra? Kapoka? Famaizana? Tsy haiko, izao no hitany fa mety.

Nahoraka iny resaka iny nanerana ny vatomandry iray manontolo. Niampy vaovao hafa iray indray aza.

Maty namono tena, hono, ilay reny taorian’ny nafatesan’ilay zaza.

Vala-ketraka aho. Tsy misy Andriamanitra ! Eny e ! misy izy, saingy mipetra-potsiny eo an-tseza volamenany.

Mibaiko ireo anjeliny, hampahory ny zanak’olombelona mandavan’ity alina sy atoandro. Manafay tafahoatra ireo diso tanatrehany. Ho aiza moa e? Tsy maintsy manaiky ny ho alahany eo an-dalatsarany mafaitra.

Lasa ireny! Hapetrany ao an-dapany fa niady mafy tamin’ny fiainany. Izaho kosa ahoana, avela ho fay? Avela hifona, avela hibebaka? Eny e! hifona angamba dia hivalo, hibebaka! Hanaiky aho fa afaka hankaiza moa? Hiady lavaka hilevenana sa handoaka lanitra hisitrihana? Tsara ilay Tsy toha e! ny olombelona miaiky, manaiky, ary tsy maintsy hanaiky.

Ity “ sombin-taratasy ” ity havalako any an-dranomasina any tsy ho tazako intsony. Manaiky ny lahatra sy anjara efa voantendry ho vintako aho.

Mainty tamiko ity telo andro nitadiavako ny vady aman-janako teto Vatomandry ity. Hanaiky aho, eny hanaiky ny sitrakao ry Ray tsy Toha, tompon’ny rehetra. Izaho voahary indray ve no hibaiko anao Nahary ? hanaiky aho, eny hanaiky.

 

ILARION

19/05/14

 

 

 

 

 

Teraka tamin’ny 1991 tao Andasibe iLIA HARISON Dimby Tahina izay mitondra ny anarana MINA ILARION  eo amin’ny sehatry ny soratra.  Tamin’ny 2007 izy no nanomboka nandrafitra tononkalo.  Tamin’ny 2011 kosa no nanomboka namelana teny an-tendron’ny peniny ny fanoratana sombintantara, ary tsy nitsahatra izy mandrak’ity ny androany. Mpikambana mavitrika ao amin’ny Fikambanan'ny Mpanoratra sy Mpankafy Sombintantara izy.