Halohalika ny ranombary !
Nandika avy @ teny frantsay : Ilaibalihy
Nanampy @ fanitsiana : Rija Al-Jonah
Tamin’ny novambra izy izay. Alina iray mandomando narahin’ny hatsiaka tampoka navelan’oram-baratra. Niandry mpandeha teo ambanin'ny jiron-dalan’Ampasampito aho no nisy nigolobolobo tamin’ny lalan-tara. Nitraka nandao ny bokikeliko aho ary nahita soritsoritr’olona nipendrampendrana namaky ilay avana manodidina ny jiro. Tongotra amin-kiraro mikitro vontom-potaka, zary toy ny baoty matevina sy madity ireo golobolobo ireo, mikorododo miapanapana ity izy manatona ahy. Vehivavy izay toa manana endrika marevaky ny olona ambony, nianjera tao anaty zohin-driaka. Nihosim-potaka ny ranjony, ny tanany, ny aroorany, ny tarehiny sy ny volony. Nihidiko haingana ny fiarakaretsako. Fitaratra iray no hany navelako hisokatra.
- Vonjeo re aho, azafady !.... Vonjeo re aho ! Ento any Andraharo re aho !
- Na aiza na aiza tianao, Madama, lasa isika rehefa voaalanao daholo ireo rehetra ireo, hoy aho nanondro ny lotony.
- Omeko iray hetsy ianao !
- Misy paompy etsy an-joron-dalana etsy.
- Halohalika ny ranom-bary e !
Halohalika ny ranom-bary hoe ? Tsy namaly na inona na inona aho, nanondro ilay zoron-dalana fotsiny. Rehefa halohalika ny ranom-bary dia sempotra ny ketsa, foana izay jinja vary kasaina. Fa tamin’izay tonontaona izay, toa efa avoavo ny ketsa ka hahazaka ny fiakaran-drano lazaina. Golobolobo taitaitra avy any amin’ny paompy. Toa henahena kely izy izany. Pelipelika ambenako amin’ny alalan’ny fitaratra elatra. Hafahafa ihany ny maheno izany fomba fiteny fanairana tranainy izany miloaky ny vavan’ity vehivahy ; tena tambonivohitra, na misy lotom-potaka aza eny amin’ny kibon-dranjo !
« Asehoy ahy ny iray hetsinao ! » hoy aho taminy, rehefa niverina avy nanala loto haingana izy. Nisintona fehezam-bola tao anatin’ny kitapo malotony izy. Toa tsy ampy dimy alina akory. Nisalasala aho. Nisy aloka nisomaingisaingy ery.
- Halohalika ny ranom-bary e !
Tsy nivolana aho nijery azy. Dia tena akaikin’ny rano tokoa Antananarivo ! Nosokafako ho azy ny varavarana rehefa nanapa-kevitra tampoka aho. Hatsiaka nisy fofon-jezika tsy laitra sy tsy nety niala no niditra niaraka taminy tao anaty fiara. Korontana tsy hay lazaina amin’ny sisin’ny jiro nefa toa tsy nety nandroso ireo aloka. Novelomiko ny fiara, narehitro ny jiro tifi-davitra dia nanjavona izy ireo.
- Andraharo aiza ho aiza no alehantsika, Madama ?
- Eo ampitan’ny tobin-dasantsy.
- Toa tsy misy trano fonenana eo !
- Ao amin’ny biraony ny vadiko, voatanan’ny asany izy.
- Voatanan’ny asany ny vadinao ? Inona no ataony ? Mpamily fiarakaretsaka koa ve izy ?
Nihomehy irery aho tamin’ny vazivazy adalako. Nampangatsiahan’ny fanginany tsikelikely teo ny hamiranako. Na telo alina fotsiny aza, tsy maninona. Nentiko miadana ny fiara, tsy nisy nahamaika, ary nodinidinihako mangingina izy.
- Inona ny nihatra taminao ? Tsy dia fiakanjo an-…tanimbary loatra izato anaovanao ?
Tsy niteny tsy nivolana izy, nikarokaro-javatra tao anatin’ny kitapony. Hitany ny findainy, nokitikitihiny ireo bokony, dia... Najanony ihany ny antso izay saika hataony nony tsikariny ny fijeriko teo amin’ny fitaratra aoriana.
- Latsaka tan-tanimbary aho, hoy izy tamiko nony farany. Ni. . . Nila . . . nandeha nanditsaka aho. Dia nijanona teo amin’ny digy. . . Maromaro ny fiara nandalo nitifitra jiro lavitra, koa nidina ambanibany noho ny tokony ho izy aho kanjo nibolisatra. Very tamin'ny nianjerako ny fanalahidin’ny fiara ! Niezaka nampijanona olona aho avy eo, kanefa vao mainka nanafaingam-pandeha ry zareo vao nahita ahy.
Volana vitsivitsy lasa izay.
Ary ity indray izy, androany alina, hitako miditra ao amin’ny faribolan-jiron’ny toerana fiandrasako mpandeha. . . nigolobolobo, mihosim-potaka ohatra ny tamin’ny farany. Tena tsy mampino ! Nivoaka ny fiarakodia mihitsy aho.
- Halohalika ny ranom-bary e !
Tsy haiko izay amaliana azy, ao anatin’ny fahatairana sy ny hatsiaka. Ny masoko mivandravandra. Tsy mikiraro baoty feno fotaka izy tamin’ity, fa kiraro maloto no entiny an-tanana, angovitan’ny rivotr’alin-dririnina. Mety akanjo mainty no nanaovany alohan’ny nianjerany, ba, atin'akanjo, akanjo, arohatsiaka, samy lasa feno fotaka miloko volombitsika.
- Halohalika ny ranom-bary e ! hoy izy namerina ny teniny tamiko.
Tsy sahy nandefa azy teny amin’ny paompy aho. Sokafako ho azy ny varavaran’ny fiara. Nidaboka teo amin’ny seza aoriana izy. Rakofako bodofotsy manify tsy voajanahary novidiako tao Behoririka izy. Izany fofona! Tsy tan-tanimbary izany izy no toa nianjera.
- Handeha any Andraharo ianao ?
Toa miteny eny ve izy izany sa ny tarehiny no miletaka ? Ohatra ny valaka ao anaty lamba izany izy. Ndeha hamelona fiara aho no nanontany azy :
- Fa ahoana ianao no ohatra izao ?
Mikarokaroka zavatra miadana dia miadana ao anaty lamba izy. Manolotra ahy vola madio dia madio, amin’ny tanana malain-kanolotra feno fotaka. Tsy tiako izao zavatra izao. Alako eo amin’ny fihisatra ny tongotro. Tsindriko ny taovan’ambraiazy. Embesako tsara izy na izany aza. Nefa, toa tsy misy dikany. Tsy handeha hanontany azy izany aho hoe : « Tsy aleo ve ianao entiko any amin’ny hopitaly ? » Toa ohatra ny tsy ohatra izany ilay ramatoa io. Toa ohatra ny tsy ohatra izany intsony manko. Tony fotsiny aloha.
Sakelidalana boribory. Lalan-drarivaton’Anjanahary. Haolo ny tanàna. Tsindriako mafimafy kokoa ny taovan-kalaky. Toa miteny zavatra amiko izy, hitako mihetsika moramora ny molony eo amin’ny fitaratra fijery aoriana. Andravoahangy. Ankorondrano. Ny lalan’ny Pontifo Joany Paoly II. Antohomadinika. Ohatra ny fehezanteny iray ihany no alahany mandritra ny lalana. Izaho amin’io mandeha mafy ao anatin’ny jiro vony manara.
Lalan’Andraharo. Kely sisa dia ny tobin-dasantsy. Tsindriako tampoka ny fihisatra.
Miverina miteny indray izy. Tsy amelako fotoana hamerenana izy. Fa maninona aho no rebirebeny amin’izany ? Roahiko dia iny aho no lasa. Toy ny pimaso. Tsy maintsy vohaina ny hidin-drano mba handehanan’ny rano hatrany an-dranomasina, rehefa miakatra loatra amin’izao tonon-taona izao. Aty Antanimena sahady aho, mbola tsy tapitra akory izay ny fehezanteniny.
Soarano, ny araben’ny fahaleovantena. Any amin’ny « rano » izy izay. Mangovitra aho. Tsy misy mijery, na alika iray aza, ny fantsitsi-dranon’ny lapan’ny tanàna. Mijanona eo ambanin’ny jiron-dalana voalohany hitako aho. Mivoaka ny fiara. Mihodina intelo manodidina ny fiara. Mihodina mifototra intelo hafa. Mipetraka eo ambonin’ny saro-milina mafana.
Hisy fiarakaretsaka hafa hijanona afaka kelikely. Hiarahaba ahy ny mpamily. Hangataka ny hifandom-bera hiaraka aminy. Inona izany anontaniany ahy ? Tsy azoko izay lazainy fa henoko ny feony... feom-behivavy.
- Halohalika ny ranom-bary e !
Sokafako ny masoko. Izaho irery no eo ambanin’ny jiron-dalana. Mivoaka avy amin’ny nofy. Miarina aho. Efa mandon'ny hatsiaka ny saro-milina. Miboiboika mipiritika ao aorianan’ny fefiny ny fantsitsi-dranon’ny lapan’ny tanàna. Miditra haingana ao anaty fiara. Aiza ny bodofotsy. Mifono ao anatiny mbamin’ny sofina aho. Tanana iray ihany no ivelany, hanakarako termosy.
Tapitra ny fikorian’ny rano. Maty koa ny jiro manjelanjelatry ny rindrin’ny lapan’ny tanàna. Tsy sendra mpandeha na iray aza aho nandritra ity alina ity. Misy aloka mipelipelika ao aorianan’ny jiro. Golobolobo manatona ny fiarakaretsako.
Aleo ajanona aloha ny veromanitra. Velomiko haingana ny fiara dia lasa toy ny rambondanitra mifaoka.
- Halohalika ny ranom-bary e !
Eo ambonin’ny seza lehibe indrindra, labiera an-tanana, Talking Heads mandeha amin’ny fandraisam-peo. Misafosafo kibo aho no sady mijery ny mpikarakara, manendy masikita. Mandeha ny fahitalavitra fa tsy misy feo. Ohatra ny tsy misy dikany. Toy ny tsy misy ry zareo. Ry zareo rehetra ao anatin’ity vatan-doza ity. Fantatra ihany anefa ny zavatra miseho. Omaly tsy miova.
Manitra izy izany ! Latsaka ny iviko, ny feon’i David Byrne mandritra izany manontany hoe aiza ilay fiara kanto, ilay trano kanto, ilay vehivavy kanto.
Tsy misy izany rehetra izany ! Fiara hofaiko ataoko fiarakaretsaka amin’ny alina ilay fiara, fandriana afaka itoerana mandritra ny antoandro ihany ilay trano, ary nofinofy enjehiko ao anatin’ireo bokikeliko ambanin-jiron-dalana ilay vehivavy.
Tsy misy misy ankoatra ilay fofo-masikita. Henoko tsara ny fienton’ilay henomby miaraka amin’ny trafony atono nampijanona ahy. Mankafy ny hafanan’ny afo fitonoana.
« Anaovy 5, hoy aho amin’ilay mpanendy vavy. Aleo 6, 7 ! 7 amin’ny vidin’ny 6 ! »
Nitsiky izy, manisa ireo masikita ambiny.
« 10 amin’ny vidin’ny 10, mety ? » Lasa ny tsikiko. « 6 aza e » hoy aho nisento.
Hanatona ny afo. Miezaka mibata seza. Mavesatra be ilay izy. Takela-kazo fibatan’entana mihazona elobe. Aleo mitsangana mitanina ny afo. Tsy dia mafana loatra.
- Mangatsiaka loatra, tsy mirehitra tsara ny arina, tsy manendy tsara.
- Mety ka, hoy aho.
- Hay ianao ? Eny tokoa, tadidiko ianao. Aza mitoditodika fa ianao no resahiko.
…
- Ianao ilay fiarakaretsaka mpitondra an-dRatompokovavy. Tadidin’ireo zanako lahy tsara ianao. Ry zareo no mpanasa ny fiaranao. Teo ianao no nijanona, tamin’ny voalohany, rehefa niverina avy tany Andraharo. Teto aho tamin’izay. Nosasan’izy ireo ny fiaranao, resahin’izy ireo matetika ilay fofona…
…
- Fa maninona ianao no manao izany ? Fa maninona ianao no manaiky mitondra azy ? Jereo ange, tsy misy mpandeha intsony ny fiaranao. Tsy mahavita mividy masikita kely folo akory ianao !
Tokony ho nipetraka teo ambony seza aho dieny teo am-piandohan’ny teniny. Manaikitra ahy ny hatsiaka ka ngoly ny tanako sy ny tongotro ary ny vatako manontolo, ny sisa rehetra mihodinkodina toy ny ato an-dohako. Mihenjana toy ny sary sikotra aho ka tsy mahavita misoka-bava. Tsy tafahetsika toy ny rehefa mihaona aminy. Saingy izy kosa, mahavita mibaiko ny fihetsiko toy ny atao amin’ny sariolona. Hitan’ny olona koa izany izy iny. Ary hitan’ny olona aho mitondra azy mamakivaky an’Iarivo. Toy ny zaza, nakimpiko ny maso dia noheveriko fa lasa tsy misy mahita.
- Mila saosy voanjo ve ianao miaraka aminy ? Sakay ?
Zavatra hafa no mampieritreritra ahy. Mifantoha amin’ny fofon’ny masikita. Ireo fotoana mahafinaritra. Zoma manifika eo atsimo atsinanan’Imahamasina rehefa hofain’ny mpandeha aho mandritra ny alina ka asainy miara-manala azy ao anatin’ny fiarakaretsako. Izay hangatahako dia azo. Ny sotro-toaka niarahana tamin-dRaedy alohan’ny nitsiriany safira any Ilakaka. Ireo tsikonona niaraka tamin’Ineny. Nividy masikita izy rehefa mody avy niasa, izay afanaina sy atao telimoka miaraka amin’ny vary sosoa, nandrahoana mialoha ary nofonosina bodofotsy mba itazomana ny hafanany, mohaka aoka izany.
- Ie, saosy voanjo... Ie, sakay, hoy ny fiakanakako, fa farany afaka nihiaka ihany : Tsy maty izany izy !
- Ianao irery ihany ny mahita izany. Maty avy dia hita entina mitsangantsangana !
- Tsy maty izany iny. Entiko mandeha any amin’ny biraon’ny vadiny any Andraharo izy.
- Efa hitanao ve ny vadiny ? Ny endriny ?
Masikita. Alòna ao anaty saosy voanjo misy sakay. Fy tokoa ! Miaraka amin’ny mofo mafana vao mainka fatratra. Ilay vao mivoaka ny trano fanaova-mofo vao maraina iny. Mbola tsy hitako ny vadiny. Vantany mivoaka ny fiara izy dia lasa aho mandeha fa tsy raharahako.
- Tsy maty izy na izany aza, miresaka amiko izy !
- Inona ny teneniny anao ?
- Hoy izy amiko hoe halohalika ny ranom-bary ! Halohalika ny ranom-bary e !
- Kr! Kr! Kr! Inona no raharahiany izany ? Nanomboka oviana ny maty no mba miraharaha vary ? Misy fasana angaha ambanin’ny tanimbary !
- Asa angaha, niseho taminy tao anatin’ny torimasony ny raiben’ny zana-drahavavin’ny vadiko ary noteneniny izany koa ; rehefa nosokafan-dry zareo ny fasana, dia hitany fa nosaforan’ny rano, tao, satria nisy triatra.
- Tsy nangataka nentina fiarakaretsaka Rabainina.
- Kr ! Kr ! Kr !
Iza daholo ireto olona manodidina ahy ireto ? Mangatsiaka ny masikita. Manakotika ny lelako ilay tavy mandry. Fa maninona no mikiaka ohatra izany izy ireo ? Tsy manafana ny lanilaniko akory ilay sakay. Fa maninona no mijery ahy daholo izy rehetra ? Lasa maditidity ilay saosy. Fa maninona no mikanikany izy ireo ?
- Tsy misy tadidinao ve ?
- Inona no nahazo anao ?. . . Nigolobolobo taminao, feno fotaka, angaha izy ?
- Kr ! Kr ! Kr !
- Tsy nijanona ianao !
- Efa niantsona teo ambanin’ny jiron-dalako aho !
- Ilay tamin’ny voalohany indrindra no resahintsika. Tsy nijanona ianao ! Sa ahoana ?
- Fa inona ity resahinao ?!!
- Tamin’ny voalohany indrindra, rehefa nianjera tan-tanimbary izy ka tafiakatra ny digy voahosim-potaka ary nangataka fanampiana, tsy nijanona ianao.
- Nikiaka izy hoe « halohalika ny ranom-bary e ! »
- Raha hitanao ny endriny tamin’izany, tsy nisy olona sahy hampiditra azy anaty fiara!
- Vehivavy tsara tarehy iny!
- Nahafatifaty ery` raha tsy feno fotaka !
- Maty mahafatifaty ! Kr ! Kr !Kr !
- Tsy maty izany izy !
- Maty tena maty. Navelan’ny rehetra teny amin’ny digy, voadona ka latsaka indray tan-tanimbary, maty ! Tereny manatitra azy any Andraharo ny olona rehetra, nanomboka tamin’izay. Tsy ianao irery no efa notereny !
…
- Tsy ianao irery ihany koa no efa nampitany ny hafany !
- … Izany ve ! Îanao koa ve ?
- Halohalika ny ranom-bary hoy izy!
Amin’ny folo alina. Tsy misy mpandeha na iray aza. Vita vaky ny gazety manontolo, izay rehetra voasoratra tao. Tsy misy vaovao ivelan’ny faribolan’ny jiron-dalako. Azon’ilay mpamily antoandro notazonina hirakofana ity. Mbola mamirifiry ny alina. Mitady marimaritra iraisana ny tetezamita. Manatody ny valala. Tsy mety tapitra ny halatra sy ny vono olona. Betsaka ihany izany nahazo valim-bavaka izany (nijanona aho rehefa nahaisa 17 dia navadiko ilay pejy feno vava-pisaorana). Betsaka ny 4x4 efa tonta tonga avy any ampita nefa tsy mba nampidina ny vidiny izany. Tsy mbola rahampitso izany aho no hifalifaly tsy hahita ny fijery veriverin’ny ankizy eny amin’ny sisin-dalana, eo ambadiky ny fitaratra mandeha an’aratry ny 4x4-ko ! Mbola eto ihany aho mitady izay hamerenana ny hofan’ity 4L (mbola mila fitondrana mpandeha intelo farafaharatsiny). Ao amin’ny pejy toe-karena, tsy irery aho hoy ny banky iraisam-pirenena. Maro an’isa izahay. 92 isan-jaton’ny olona, hono, miaina amin’ny vola latsaky ny sarana fiarakaretsaka. Hitako aho no tsy misy mpandeha ! Mirenireny eraky ny lalana sy manimba tanimbary ny fahantrana. Aleo mirakotra gazety mandra-pahatongan’ny tsara kokoa.
Hita avy ao amin’ny fitaratra aoriana. Mpivady mandeha ambanin’ny jiro. Mandroso manatona. Miditra avy eo amin’ny varavarana ao aoriako, hidiany, arahabaiko, tsy mitsiky, mampihetsiketsi-doha ary mivoaka amin’ilay varavarana iray hafa ry zareo, izay akatony mafy, mamaly ny voalohany toy ny felaka tehimaina roa misesy.
Misafosafo takolaka tsy mamaivay aho, tsy misy fotoana handalinako izany akory dia misokatra indray ny varavarana. Ilay olona diso fiara teo. « Miala tsiny ! » hoy izy tamiko, sady nametraka vola arivo teo ambony seza izy, alohan’ny nitsoahany toy ny nahita loza. Pa indray.
Mivoaka aho nony nandalo ilay mpivarotra kafe. Asaiko sasàny tsara ny kopy. Mitsikitsiky izy manao izany. Mifampitantara angano izahay mitanina ny fataperany. Mihomehy izy vao teneniko hoe tsy mbola nahazo mpandeha na iray aza aho. Dia iny lehiry no lasa, navelany ho ahy ilay kopy, izaho tsy nahatolotra vola ho azy akory. Mihomehy koa aho nony tonga saina. Sotroiko miadana dia miadana hatramin’ny farateteny ilay kafe azo maimaimpoana.
Dia hitako izy niditra tao anatin’ny faribolan-jiro. Misy alika mialoha lalana azy. Efa eo amin’ny famohana ny tanany.
- Ho aiza ianao izany, Madama ?
- Ery amin’ny 13-Mey.
- Efa tsy misy intsony izany !
Na te hanidy ny fiara aza aho, tsy afaka fa manenbantsembana ahy ilay alikalahy. Pa. Efa mitsiky vendrana ahy izy avy eo ambadikin’ny varavarankely. Asehoiny ahy tsara ireo hoditra miala amin’ny tarehiny.
- Fa manana tarehin’olona mandeha any amin’ny toerana tsy misy angaha izaho izao ? hoy izy manontany ahy, miaraka amin’ny potipoti-koditra feno nana miendaka eo amin’ny takolany, ny saokany, isaky ny miteny.
Maka ny toerako aho dia mamelona fiara. Ndeha ho any amin’ny Kianjan’ny Fitiavana, anarana vaovaon’ny kianja eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Andramako lazaina ihany izy.
- Fantarao ve fa efa niova ny any ?
Banjiniko ao amin’ny fitaratra aoriana izy. Jereko tsara ao amin’ilay mahitsizoro kely ilay jiro ao anatin’ny masony.
- Misy dobo lehibe, fantsitsi-drano izao eny, loharano miboiboika e !
- Loharano miboiboika ? Tsara izany hevitra izany ! Rano ho an’ny rehetra !
Velon-kafaliana izy, mangirangirana ny masony.
- Misy fefy rarin-tariby ilay izy ka.
- Fefy rarin-tariby ?
- Tsy azo tomorina, jerena avy lavitra fotsiny…
Mipendrampendrana ao anatin’ilay mahitsizoro ilay jiro kely.
- Tsara ka ! hoy aho nampiaka-peo kely. Toy ny miaraka mandihy ireo fantsitsi-drano sy ireo jiro miova loko, fotsy, volondavenona, mena, maitso na manga…
Mihamalemy dia mihamalemy izy. Mitazona azy tsy ho rendrika ny teniko, toy ny ranon-dabozia mitazona ilay afo kely eo an-tendron’ny lahin-jiro.
- Tena kanto an ! Mipetraka eo anoloan’ny fefy ny fianakaviana maro isaky ny alahady. Misy aza avy lavitra mihitsy tonga mijery ity zava-mahagagan’Antananarivo ity. Midanaka ireo tantsaha, zara raha mahalala rano madio, mijery ireo rano miboiboika. Samy te haka sary eo alohany avokoa. Na izaho aza, mba tonga eo indraindray. Dobon-drano toy ny matory ary mifoha tampoka ka miboiboika, migororoana sy miraona ireo rano be : fampisehoana aoka izany. Afaka mijery azy ela dia ela eo aho, misarangotra ny tsato-by, ary manadino ny fiainako ankehitriny ka mamorona fiainana hafa. Taratry ny masoandro ireo rano mipitipitika, manamando ny rivotra ny rano, toy ny tsy mahasempotra intsony ny rivotry ny tanàna… Madama, Madama ! Tsy mahazo aina angaha ianao ? Entiko any Andraharo ? Any amin’ny biraon’ny vadinao ?
Sokafany kely indray ny masony ary, hoy izy nibitsibitsika miaraka amin’ny molony mila tsy hihetsika : « Ento any amin’ny Kianjan’ny 13-Mey aho, azafady ! »
Efa an-dalany isika izao. Alina tsy ahitana olona firy intsony. Mianjera eo amin’ny sisin’ny seza aoriana izy. Embesako tsara amin’ny fitaratra aoriana, saika adinoko ny mita ny tetezan’Andravoahangy. Aleo mifantoka tsara amin’ny fitondrana fiara. Sombintsombin-tarehina mpihaza vorondia vitsivitsy no voatsipalotra amin”ny jiro lavitra. Alok’olona telo manditsaka ao amin’ny farihin’i Behoririka. Polisy eo amin’ny lalan’i Pochard tsy mampijanona ahy akory. Kely sisa dia Soarano. Tapan’ny rindrin’ny lapan’ny tanàna ihany no taratry ny jiro. Miraondraona anaty haizina ny rano. Najanoko nisompirana amin’ny lalana ny fiara mba hitarafana ireo fantsitsi-drano. « Tonga o ! ».
Lasam-borona amin’ireo taratra miloko vony aho ary mianika ireo fefy miaraka amin’ilay vehivavy niriko efa ela. Indray andro any aho, hafanain’ny masoandron-dohataona. Hotomorinay ilay dobon-drano. Hitsinjaka hilalao ireo rano milatsaka avy eo ambony izy. Hobedesiko toy ny mibedy zaza. Hihomehy izy sady hihodinkodina handihy eo amin’ny lampivato. Hiteny mafy azy aho mba hitandrina. Tsy horaharahiany izany. Hatosiny ao anaty dobon-drano aho, rehefa handeha hiakatra ambony iny ireo rano toa sondro-javona mangirana. Hampiany hivoaka avy ao aho avy eo ary hanome ahy ny molony mandroatra fifaliana izy.
- Kianjan’ny Fitiavana ve ? hoy mihanihany ahy ilay mpandeha tsy mampino, mipendrampendrana sy malemy efa tsy hisy ra intsony nefa mbola tafatsangana eo alohan’ny fantsitsi-drano mihovitrovitra.
Mimonomonona zavatra tsy misy azoko izy. Toy ny hoe tsy izany mihitsy ny fiovana nandrasana. Ary miverina mihamalemy indray izy, nony mijery ny lanitra maloka.
- Efa mangirandratsy. Ndeha hanampy an-dry zareo ireo isika, hoy izy manohy sady manondro ny kianja.
Ahifikifiko ny lohako sady mitazona mafy ny familiana ihany aho. Tena tsy mitovy mihitsy ny zavatra hitanay !
Mijery ahy an-katezerana izy dia migorobaka ny fefy, namela potipoti-nofo efa lo misarangotra teo. Sokafako haingana ny varavarana, andoavako ivelan’ny fiara (saika). Latsaka hatramin’ny ranomasoko mamoaka ny vavoniko manontolo. Tafarina ihany nony farany. Mifanaraka maneno ny ako feno fotaky ny diabe sy ireo rano mikoriana. Manomboka mihena ny taratry ny jirolavitra, tiako vonoina mba hiarovana ny vatan'aratra nefa matahotra ny haizina aho. Miverina ireo golobolobo sady mihamafy ny feony. Feno rahondrahona. Toy ny latsa sy fanomezan-tsiny ireo feon-dia tongotra henoko. Feno olona avy nianjera tan-tanimbary manafika ny kianja. Toy ny rano vaky manafotra tanimbary. Ireo fantsitsi-drano, ilay dobon-drano, ny fefy. Ampiraisiko ireo tariby kely amelomana fiara. Mangovitra ihany aho. Ilay bokotra famelomana. Mihiakiaka toy ny biby voafandrika ny milina. Izaho no voafandrika eto raha izao ny mitohy. Potseriko ilay bokotra fotsy. Feo mikarantsana no heno ary tsy mety mandeha ny fiara. Averiko velomina ihany. Tsy mandeha intsony ny demarera.
Halohalika ny ranom-bary e ! Halohalika ny ranom-bary e !