Ca va ve nareo e?
Ca va ve nareo e?
Soamiely A.
(vakiraokantsombitsombintantara)
Sendra tafaresaka teny Amboditsimisy izahay sy i Benaivo, zokin’i Fabien, ilay nitetika ny hanao tour de Madagascar niaraka tamin’ilay moto Suzuki 125-keliny iny. Fa toa tsy tafa.
“Manao ahoana i Ranjandrinareo any e!?” hoy aho mantsy azy.
“Ça va, ça va ihany an!” hoy i Benaivo. “Tena valaka be ileiry any no sady somary ohatry ny tady ho voan'ny battue morale an!”
“Kaozy ve! Tsss! Mba kaozio ange ileiry hoe te hiresaka aminy hono i Johnny ilay zokin’i Raivo niray kilasy tamin’i Flavien mpiaraka manao bizina aminy. Ilay naika nisy naka an-keriny hoe.”
“Six, Bain’a!” hoy ileiry sady nampirehitra ihany an’ilay borka sigara solila teny imolony. “Ataoko tonga ny hafatra!” Afokasoka anakitelo no nandramany vao nitselatra ka nandray ny vanja. Niredareda tsy nateza ilay troisieme feu.
“Merci leitsy Benaivo an! Azafady maniraka officier superieur leitsy a!”
“Ha ha ha!” Nihomehy mafy i Benaivo. “Izay ianao izay an! Ataoko tsara laza e! Ça va fa aza manahy ianao e!”
“Ary ialahy ve aloha ça va e?”
“Ça va tsara mihitsy aho RaJohnny a!” hoy izy nitsikitsiky tamiko. “En forme tsara aho izao. Mbola tsy nahatsiaro tena ho ça va ohatr'izao aho an! Vao nanao bilan aho omaly dia efa ça va hono ny tension sy ny glucose fa ny cholesterol no mila arahina akaiky fa tsy tena okay.”
“Ay kosa an! Tandremo ihany Bain'a io cholesterol-nareo io a! Ranomena sy mandravasarotra andramana fa tena tonga dia iram’ sy valo ialahy dia ça va.”
“Poinsa, Pata an! Atao tokoa izany raha vao mahita irika aho!” Nisitona gaoba farany tamin’ilay sigara solila tsy misy filtre izy dia nakipiliny tery ampovoan’ny araben'ny Lalana Ferdinand Kasanga ilay borka mbola mirehitra sy manetroka. Comme ça fotsiny.
“Ialahy tokoa anie hitako tery amin’ny Clinique omaly harivariva an! Variana niresaka an’ilay bera kely iny ialahy dia tsy nahakobo anahy.”
“Hay! Hay sirik’i Papa i Stephanie? Iny indray ange no jaobako vaovao e! Sipa avy any Sambava any izy iny. Sa moa Vohemar … tena tsy tadidiko Papa a!”
“Traisss!” hoy aho. “Ohatry ny tena ça va be kosa izy iny a! Manjamanja sy nofonofosana tsara! Afaka savasavaina tsara sao manafina enta-madinika na ça va any anaty valombalony any a!”
“Ha ha ha! Izay ianao izay an! Ny tarehiny aloha ça va ihany, fa ny bikany kosa an!Traisss! Tena ça va ao anatin’ny ça va tokoa iny ka! Tena miady amin'ny piesiko. Sady kala be i Kala. Kobon’i toi ihany moa ny olona avy any SAVA e!”
“Tena ça va be leitsy izany an! Tena milay! Miaraka mibosy amin’ialahy eny Ankatso angaha iny?”
“Efa madama be anie iny, RaJohnny e! Tsy mpianatra intsony iny. Ao amin’ny SAMVA izy no miasa izao.”
Arako ihany ilay resaka na dia ohatry ny fanimpanina aza aho nony nifanao veloma izahay mirahalahy mianaka. Fa izao aho efa ohatry ny mba ça va kely.
Soamiely A.