Tsara Soratra

View Original

ANALAKELY TSY VAKY ANDRO

ANALAKELY TSY VAKY ANDRO


HEMERSON ANDRIANETRAZAFY


Hifarana ity ny herinandro. Ho faty rahampitso ny Alahady.
Mikotaba miandalana ny kianjan’Analakely eo ampiandrasana ny taratr’andro mbola malaina ny hifoha. Mananontanom-pihira ny zàva atsinana na mbola rakotra aloka aza ny tehezan’ny Faravohitra hatreny Ambondrona ka hatretsy Ambohijatovo. Tsilopilopin-jiro vizana no mandoko ny sisin-dalàna eo amin’ny tandavan-tranohevan’ny mpivaro-kena. Mbola aizina kosa no manotrona ny Trano-pokon’olona noho miantsinana- mianavaratra.
Tsy mbola maro olona mivezivezy ireo lala-kizo manjohy an’Ambodifilao. Misy faritra maro eo no tena fanaova-ndry Besandry mianakavy lanonana anaty fahanginana rehefa tonga fofona ny faniriany hanamaivana ny entan’ny mpandalo tsy manan-tsiny.
Maraina fifoha hono ny akoho saingy tsiaro sisa no hiventesana ny fanenony ho maridrefy ny maraina eto amin’ity toerana nofolahan’ny fandrosoana ity. Mialohan’ny mangiran-dratsy mantsy, efa nisolo ny hiran’ny maraina hatrin’ny ela ny fidridrodridron’ny kodiaram-by fitanterana vata-kesika fitaomana entana isan-karazany. Ary ny akoho sisa tavela dia efa navona ho entam-barotra nafato-tongotra, tsy mbola hilatsaka antsena raha tsy efa atoandroandro kokoa.
Tsy mitsahatra mifanesy tahaka izany ireo kalesy mikodiaram-pingotra mpitatitra anana sy voan-javatra isan-karazany avy eny Anosibe sy Namontana. Kotaba sy sefosefo no asesin’ny mpitarika sy ny mpanosika azy ireo. Tsy hay intsony izay tena tiana ho lazaina fa mifangaro tanteraka ny fofon’aina manovo angovo sy ny hiaka fifankaherezana :
- Eooo ehhh !!!
- Zaiiiiyyy !!!
- Ahhh alefaaaaaa !
Mbola vitsy dia vitsy ary tena mahalana ireo fiarakodia mandeha amin’izao ora izao. Telo aman’efatra isaky ny folo minitra raha be indrindra. Anisan’ireo ny fiara karetsaka na fiaran’entana salantsalany mpamatsy hena an’Antananarivo. Efa nanomboka tamin’ny roa maraina ny sasany izy ireo no nilahatra niandry entana teny Ankadindratombo. Ary mivezivezy mba hamatsy ny fivarotan-kena rehetra eto andrenivohitra. Seriny kely aoka izany ny mpamily maka sisiny eo anilan’ny tranoheva. Mbola tsy mijanona tanteraka akory anefa izy ireo dia efa miady fo aman’aina ny mpibata hena, mifandrombaka ny entana ho tanterina eny antalantalana. Na efa misy rafitra tsy voasoratra aza ny amin’ny hoe iza no miasa amin’iza dia misy foana ny fifametsifetsena kely eo amin’ireto tovolahy ampolony, tomady sy avo tsanganana ireto. Ny fitsidiny sy ny fipelatry ny mason’dry zareo koa moa mitory hery miharo habibibibiana. Matroka sy nohenjanin’ny ràn-kena efa ela nifanongoa ny akanjo eny ankodiny. Ary mitsonika hatreny an-kandriny, mahazo ny tratrany sy ny lamosiny ny rà velona mbola mijininika. Ampian’ny antsy maranitra ambalahany entiny handrombinana hena kely isaky ny mitatitra sy ny betrobetroka, toa fomba entiny miresaka, dia lasalasa ihany ny saina hoe : moa va ireto tsy irony jiolahy mpandeta ny osa eny anelakela-trano irony ?
Soa fa mavesatra tsy mahandry masoandro hiposaka ny antson’ny filàna ho an’ireo olona ampolony mitombo ho anjatony arakaraky ny firosoan’ny fotoana. Indreny mitanjozotra milamina avy any amin’ny Tonelina ry Maro fibaby sy ry Be filoloha, mitondra ny vokatra atao entam-barotra. Avy eny Andohan’analakely ny sasany no milatsaka rehefa nanararaotra ny fahavitsian’ny mpandeha fitateram-bahoaka hitondrana ny entany. Mifatrafatra avy any ny gony, sobika sns… tsy zaka zakain-draikalahy. Ireo no tonga manovona ireo mpamboly fanantenana amin’ny fitadiavana lalam-barotra sitrany ahay.
Iny fa manenjika ny sisin-dalana hifamezivezen’ny mpandalo izao i Mô-Be sy ilay ragiragy fitaterany ny fitaovany : Vilany vitsivitsy feno vary amin’anana, kitoza nendasina, fitaovam-pihinanana ary fatapera miredareda no ao anatiny. Io ragiragy io ihany no hamelarany hazo fisaka roa dia lasa latabatra hampiasainy hinanan’ny mpividy. Mailaka aoka izany izy, vantany vao nahazo toerana, mandahatra ny vilia, ny sotro, ny vovon-tsira sy sakay hisintonana mpanjifa. Mifanila aminy eo ny mpanendy saosisy sy ny mpivarotra mofo dipaina mifatratra anaty kesika maromaro.
Tsy lavitra azy ireo no mijorojoro i Nesta-kely mpivaro-kafé mafana. Mipetraka eo an-tongony eo ny harombe misy ny sininy mifantsona mifono lamba-be hihazona hafànana. Somary nifidy ny hitoetra eo ampovoan-dalana izy androany mba ho talaky kokoa an’ireo izay mandalo. Izy rahateo moa somary taratara vao tonga. Na dia efa niala tamin’ny efatra maraina avy eny Ankazomanga aza dia nandeha antongotra ka efa ho tamin’ny dimy latsaka vao tojo teto antoerana. Ataony antsapazana ny kitapo kely misy ny kaopy, sotrokely, siramamy sy ny sisa ilainy amin’ny varotra ataony, dia io izy somary mibahan-dàlana mba hanery ny mpandalo hiraharaha azy.
Hiadiana mafy eto ny habaka malalaka ary mifaninana aoka izany ireo mpanao antselika sy mpanao varo-maika mitady toerana hiasana mandra-pihavin’ny amin’ny fito maraina. Manana adiny roa sy sasany eo ny rehetra satria amin’ny enina sy sasany dia tsy maintsy atao izay ahalany ny entana. Tsy laitra mantsy avy eo ny raoka alika sy ny setrasetran’ny polisin’ny fivondronana hanao be midina amin’ny ora fisokafan’ny Birao. Tsy ho ela ihany koa dia haka sy hiady toerana ireo mpivarotra kiraro sy akanjo tonta mpibahana ny sisin-dalana.
Vetivety foana dia tomefy olona eo amin’io ivon’ny tsena hifanojoan’ny lalambe miakandrefana mankany Soaranao sy ilay mifanapaka aminy, mihazo ny tohatohabaton’Ambondrona io. Efa tapi-nifoha ny mpatory an-tsena ary vita valona nampangalàna sisi-trano ireo fatimpatim-baoritra sy ny velaran-gony nataony firakotra sy fiaro-fanàla niatrehana ny alina… Indreo izy ireo manatona ny toerana misimisy olona, mikarikary maso mizaha izay azo ho harapaka hifehezana ilay ambava-fony kinetokin’ny hanoanana nentina nandry fotsy.
Indreny, mitsitokotoko fiavy ireo mpilanonana avy eny amin’ny araben’ny fahaleovantena. Zatovo erotrerony ny ankamaroany, somary mivena sy bebe resaka ireo mbola vonton’ny ranomahery nosotroiny. Miaraka aminy na somary mihatakataka aza, ireo mpikarama an’ady amin’ny varotra fitombenana. Lanaky ny Zoma “manifika”, torovanin’ny torimaso tsy azo dia mionjaonja fandeha manantona ny sosoa sy vary amin’anana hampidiràna hàfanana kely alohan’ny hodiana ! Ny maso amin’io madity dia madity ary efa fantatra fa tsy ahatanty ny tsiloben’ny masoandro hiposaka ka manao rapa-dango mba hiàlana alohaloha.
Mitangorona eo amin’ny vary amin’anana eo ireto maro tanora be fitrena, avoavo feo. Eo ny miafiafy makamaka sisiny fa misy foana ny Bevava mibahambahana izay tsy izy. Miavaka amin’izany indrindra ry Rakilaody, ry Litakely, ry Matak’s, ry Ràsta ary i Bôlô… Zanak’Analakely hiringiriny ry zalahy ireto. Teraka teto an-toerana, nivelatra sy nofolahin’ny lalana ary tsy mbola niala teto mihitsy hatrin’ny fahakeliny. Tsy dia misy mahalala mazava ny tena anton’asan’izy ireo fa mbetika ahitana azy ery amin’ny fitobian’ny fiara eo an-tanimalalaka, mbetika hijorojoroany ihany koa ery akaikin’”Izay Maika”. Ny ambetin’asany anefa dia ny miloka “ràmy” sy mandahatra karatra eo alohan’ny mpivaro-dronono eo atsimon’ny kianja be. Misy feo mandeha fa matetika ry zareo ireo no “mpanamboatra” eto amin’ny tanàna. Manamboatra inona ? asa lahy !!!
Eto aloha izao dia ny didin’ny be sandry, trenan’ ny beloha, Ompa vari-raraka no fehin-kevitra entin-dry zareo maneho ny fisiany sy ny fampanekem-pisiany eo amin’ny hafa ; Voambolana mievaeva ambony lohalika sy mihazo ny elakela-pe no hifampizarana arak’izay tratra :
- Eo ry ilay mihinana ny (tsy tononiko) ity mba asio kafe kely iray any an !
- Fa izaho moa izany Ngetroka sa patron’ialahy ry fitaovam-pananahan-drenin’ ity ?
- Voan’ambani-foitran’anabavin’ity koa leitsy, eo leitsy fa aza masay a !!!
- Tsy l’leee ! Samia rangahy miantoka ny azy fa tsss… !
Satria angamba mbola tsy mivoaka ny trano ny renim-pianakaviana mahafatra-po ary mbola manjaka ny aizina tsy hitsolova-mitsinjo, dia mivalampatra tsara ary tena mahazo toerana ny teny tsy hananam-pady. Eto koa moa izany tsy hoe fotoana hifampizaràna hitadiavana ny hajà no tena misongadina fa ny toerana hiaraha-mizàka ny mafy sy hiatrehana ny sarotra ka adino lavitra any izay rehetra mety ho anatr’olona sy henatr’olona. Ny mpitonon-tena ho vavan’ny tompo raha teo tsy dia misasatra maraim-be ka mivelatra tsy misy bedy ny fatsapatsan-teny tsy ferana.
Efa ela no nisampana ny fanao andavanandro tefen’ny lalana sy ny toetra dradrain’ny vava ho tokony atao tsy hain’ny be sy ny maro hampiarana. Asa !! Ity toerana ity ihany koa angamba efa natokana hahavery ny tsanganan’olona misy fanahy eh ? Teren’ny fitadiavana ny tsirairay ka tsy mahita olombelona intsony. Ny mpanjifa aza antsoina fa ho any fa ho any fotsiny amin’izay sendra ny vava eo. Hany ka na ny teny fifanajàna aza lasa mivadika zavatra hafa rehefa mivilana ny resaka :
- Eo ny mofo vao mafana ry Neny a !!!
Misy anaram-boninahitra mahery noho ny fiantsoana ny loharano nahitana masoandro ve amintsika Malagasy ? Neny ! Neny hiangotiana, Neny hihantahantana… Lolohavina an-tampon’ny loha mihitsy ireo andriambavilanitra antsoina amin’io anarana io Nefa teo, toa sorena aok’izany ilay tovovanin’ny alina voatonona ka namaly boraingina amin’ny feo mikarantsana sy avoavo an’orona :
- Fa zanako taiza moa Itena no minenineny eo ? Tandjemo kely ny vava fa aza manantitsa ny sipa l’leeee ! Mbola mijajika tsara ny aty fa aza minenineny eo an !!!
- Eo moa akia fa ny mofo vidiana a ! Hoy koa ilay iray tsy dia maka lagy.
Tontolo hafa tokoa itony tsena. Entana no hifanakalozana, vola no hifampitadiavana dia mitsonika ho azy izay rehetra tsy ahazoana tombony. Ary ny mpiantsehatra eto toa aloka mifanerasera fotsiny. Lasa fomba raikitra hatramin’ny miantso ny olona amin’ny entana amidiny. Very anarana ny olona maro.
- “Kafé” a ! Avia kely e ! Asio tapany tsotra kely eo eh !!!
- Aiza ilay famerim-bolako teo ry “Sambos” a ?
- Inty aho mba hanaovy iray madco ry “Voanjo” a !
- Oh leity ry “Mofodipaina” a ! Mba misy “majy” (vola madinika) ve any amin’ialahy. Mba zarao telo anie ity dimy arivo ity e !!!
Eo anivon’ireo vangongon’olona entin’ny filàny, samy rohasin’ny eritreriny maniry fahasoavana hamakivaky ity andro iray anatin’ny maro tsy hita ho isaina akory ity ! Eo aho no mandrefy maso ny sahotaka apetraky ny misy ; misaina tsy fidiny momba ny lamina arindran’ny mpifanolo-body amiko mba hivelomana, mba hiavotana, mba hidifian’ny andro tsy maintsy hatrehina sy ho jifaina.
Sssshhhhiiii !!!! Izaho koa no toa be varavoha eto. Tena “Mpiasa be vonton’anatra ka manao 'mbay lalana an-tsena”… Diman-jato no ao ampaosiko. Vary amin’anana maraina atao bebe rano, laroana sakay sy tapa-kitoza kely dia ho dify ny tahiry sisan’ny omaly. Ny andro hatrehina anefa ity mbola tsy mihiratra dia efa ho fotsy sahady ny harin-karena faobe !!!
- Aiza no haleha ? 
- Inona no atao ?
- ‘Ndeha aloha rangahy hanohana maraina dia ho hita eo ihany a !!!

Hemerson, Asabotsy 14 oktobra 2017
(Analakely : 04:45)