Fitaizana manaraka ny toetr’andro
FITAIZANA IFOTONY MANARAKA NY TOETR’ANDRO
Volatiana Rahaga
Hoy Elie Rajaonarison hoe “Omeo anay ny ditra hihoaranay ny fefy fa efa hanananay ny saina vonona handresy”. Marina sy ekena ho feno fahendrena ny fomban-drazana, ny fisainany, sy fiainana ary ny fomba fitaizana. Kanefa, misokatra amin’izao tontolo izao isika na tiantsika izany na tsia. Tsara ny lasa, fa aleo ho tsara kokoa ny ho avy. Mety ny mitodika, mianatra amin’ny lasa fa tokony hanavanana kokoa ny miandrandra ny maraina vaovao tsaratsara kokoa ary manome ireo taranantsika ny fahafahana rehetra hanovo maraina feno fanantenana fa indrindra fahatokisan-tena.
Tezao hono ny ankizy Malagasy fa tsy mbola tara. Dia havaozy hono hivoatra kely ny filozofian-drazana, mba ho filozofian-janaka, filozofian-taranaka. Mba ho fomba fitaizana tsara, tsy mihinana amam-bolony fa mahay miala sakana, mihoatra ny fefy no miampita. Mba ho mpandresy ny Zazalahy sy Zazavavy fa tsy resy. Mba ho irin’olona fa tsy haniry olona lava izao. Mba ho filamatra, ho ohatra fa tsy badoina na bedesina lava, hampirisihina hiakatra fa tsy hakiviana hidina.
Singaniko etoana oha-pitenenana maromaro hahitana taratra ny foto-pisainana efa nilaozan’ny toetr’andro ka tsara havaozina. Mazana toe-pitaizana mbola mitohy mandrak’androany amin’ny fianakaviana sy tokantrano maro. Fitsipi-panabeazana sy fitispi-pifehezana izy ireto lasa foto-pisainana mihitsy aza ary dia mipaka ombieny eny amin’ny fihetsika eny amin’ny fiaraha-monina na an-tsaha na an-tanana. Na eny ambanivolo na eny an-tanan-dehibe rehetra eny.
“Manan-joky afak’olan-teny, manan-jandry afak’olan’entana”
Raha voasana io ohabolana io dia midika tsotra fa ny zokiny no mitondra teny, manana ny marina sy ny traikefa ary henoina. Ny zandriny kosa atao mpitondra entana satria manan-tsandry, maitso volo, tanora, fa tsy omena teny na havela haneo hevitra. Ndeha ho kihanina ary eto am-piandohana ity fiteny ity ary ny velan-kevitra manaraka etoana no itondrana ny fanamafisana ny kihana izay atao.
53,8% n’ny mponina Malagasy dia tanora latsaky ny 18 taona. Raha araka ny taona no hilazana fa marina na diso ny zavatra lazaina, ary koa raha ny taona no hametra ny fahamarinana sy ny tokony ho toavina dia ikakibe sy inenibe ihany no tokony henoina teny. Ny ray aman-dreny no manana ny marina. Ny zoky ihany no omena sehatra haneho hevitra.
Raha ny fiainana ankehitriny no jerena anefa dia ho lasa vato misakana izany famerana ny zandriny tsy haneho hevitra izany. Satria mihoatra ny antsasa-manilan’ny mponina tanora maitso volo avokoa.
Tsara ny mihaino ny traikefan’ny efa zokiolona, fa tokony omena sehatra ny tanora Sehatra hanehoany hevitra, fa tsy ny zokiny foana akory no manana ny marina sy tokony henoina teny ary ampirisihina, na amin’ny lafiny inona na sehatra inona izany: Siansa, teknolojia, politika, fandraharana, toekarena, kolontsaina, finoana, filozofia. Tsy tokony hisy taranja fady ka hoe tsy azo iadian-kevitra na iray aza.
Tsara ary ampirisihina noho izany ny hamelana haneho hevitra eny fa na amin’ny lafiny politika sy finoana azan y tanora. Rehefa mahay miady hevitra manko, dia mahay manavaka ny tsy fitovian-kevitra amin’ny fifidianan-tavan’olona ary mandranitra ny fahaizana mandanjalanja ihany koa.
Nanamarika ny taranaka sy fianakaviana maro ny sahoahoa momba ny raharaham-pirenena nisesy teto Madagasikar, indrindra ny 2002 sy 2008 farany. Izay nahitana ny fisaraham-bazana, eo amin’ny fianakaviana, ohatra lehibe tarafin’ny tarehimarika ny fisaraham-panambadiana.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny LPED tamin’ny taona 2003, “lasa loham-pianakaviana na chef de menage ny vehivavin’Antsiranana. Miha miakatra ny tarehimarika momba ny vehivavy miaina irery miaraka amin’ny zanany. Ny antony matetika dia mandao ny lehilahy noho ny adim-piainana na tsy fandraisana andraikitra koa dia mijoro ny vehivavy miahy ny tokantranony irery.
Mikasika ny fisaraham-panambadiana tamin’ny 2009, manodidina ny zato isam-bolana ny fisaraham-panambadiana mivoaka fitsarana avy ao amin’nylapan’ny fitsarana voalohany ao Anosy hoy ny Mpitsara Zo Andriazanamasy mpitsara misahana ny fisaraham-panambadiana noho ny vono sy ny ratra.
Vono sy ratra ary tsy fananan’asa hoy izy no tena mahatonga izany fisarahana izany ary ireo mpivady tamin’ny taona 1998 no betsaka misaraka raha ny tarehimarika.
Anisan’ny miteraka vono sy ratra ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny fifampiresahana . Io fifampiresahana io anisan’ny tokony iantsorohan’ny Ray aman-dreny sy ny mpanabe dieny mbola kely ny ankizy. Omena sehatra hiresaka, hizara sy haneo hevitra fa tsy bantiana na esoina. Mba ho zatra kihana sy manakihana, fa izany no tena anisan’ny mampivoatra.
Ny hevitra no hianarana hampiadiana fa tsy ny olona.
Etsy ankilany koa ny resaka finoana, izay lasa fady ny miresaka azy. Ilaina ny mampianatra sy mampahalala ny ankizy ireo finoana rehetra misy. 20% n’ny Malagasy manaja ny finoana nentim-paharazana toy ny hoe “tsy maty ny maty”, 75% Kristianina, misy fiangonana zandriny 260 ankehitriny. Misy ny silamo…
Tsy azo atao ny manao didy jadona fa tokony omena toerana ny fahafahana mieritreritra sy misafidy irery izay finoana tian’ny ankizy na tanora arahany amin’ny maha-olona azy, olona afaka, na firy taona izy na firy taona. Tsara ny mampahafantatra ny fisian’ny finoana samihafa sy samy hafa, fa anjaran’ny ankizy sy ny tanora no misafidy izay ombany sy ho firehany. Hahatonga azy hanaja ny hafa izany ary tsy ho bontolo fa hahay hiady hevitra fa tsy sanatria hiady olona.
Ny fandrarana bontolo no hany zezika voalohany hahatonga ny olombelona iray vao mainka hiala sakana ka handeha hanandrana izay voankazo voarara tsy hohaniny. Noho izany, ny fifampiresahana tsy miato eo amin’ny ray aman-dreny, mpitaiza sy ny zanaka no fanalahidy voalohany indrindra entina hanazavana izay mety ho haizina sy olana tsy voavaha na natao fady tsy resahana.
Rehefa matoky ny ray aman-dreniny na ireo olona mitaiza azy ny ankizy dia misokatra moramora miresaka ny zavatra rehetra na eo amin’ny fiaraha-monina izany na sehatra manokana toy ny fitiavana, ny firehany eo amin’ny fiainam-pananahany. Izay anisan’ny fototra mandrafitra ny fiainana ho aviny rehetra. Raha zaza na tanora nofehezina bontolo dia mazava ho azy fa hanafina sy hatahotra ka tsy hiresaka izay olana mety mianjady aminy.
Tsy adidy fotsiny fa tena andraikitry ny ray aman-dreny izay mpanabe voalohany ny manome sehatra hahafahan’ny ankizy na amin'ny fotoana inona na inona miresaka. Satria zaza miresaka sy henoina mahavaha mora kokoa ny olany sedrainy noho ny zaza voatery sy voageja. Mandranitra ny fomba fijerin’ireo ankizy tezaina izany, ary koa manefy ny hazon-damosiny hahay hiaro izay hevitra hijoroany ary hahaizany hanakihana sy manaiky koa kihanina. Misy ny soa toavina, fa ny soa toavina efa nifankatoavana, efa nisy fifanakalozan-kevitra. Mianatra dieny kely mifanakalo hevitra, mihaino, mandanjalanja, maneho hevitra.
Zava-dehibe ny fahaizana mieritreritra samirery fa tsy mamerina toy ny boloky izay nolazain’ny mpampianatra.Ny mampianatra ihany koa tokony tsy hanome fotsiny hamboletra izay fahalalana heveriny ho marina, fa tokony hahay hampieritreritra ny mpianany ary indrindra mianatra amin’ny mpianatra. Azo sokajiana ho mpampianatra mahay ny mpampianatra nahay nampieritreritra sy nampandanjalanja ny mpianany, ary indrindra aza manosika ny mpianatra hamoaka fahaizana tsy ampoizina izay misongona ny eritreritra sy finoana noheverina efa maty paika sy tsara valona.
”Miteraha lahy handimby ny anaran-dray, ary vavy ho toloram-bady”
Faly rehefa manana zanaka lahy ny Malagasy, teraka ilay handimby ny anaran-dray. Ny tsy azontsika veroka anefa rehefa diso faly tahaka iny dia manome lanja kokoa (tsy voatery hampoizina na fanahy iniana) ny zanaka lahy, mahatsiaro na hahatsiaro hihen-danja ho azy noho izany ny zanaka vavy. Vao any am-bohoka dia efa tokony hitandrina mafy ny reny, sy ireo manodidina azy, ny vadiny, ny havany sns ka fadiana ny hanao “Bevohoka nisaoram-bady avo sasaka ny alahelo”. Io alahelo io manko dia misy fiantraikany lehibe eny amin’ny firafitry ny atidohan’ilay zaza ho teraka
Tsy tokony hanao “tombo sy hala” ny zanaka ao an-trano ny ray kely sy reny kely, fa manana andraikitra lehibe mitaiza ho toy ny zanany ny zana-badiny, izay tsy tokony antsoina intsony hoe “zana-drafy”.
Hampianarina ihany koa ny ankizy na ny zana-drafy tsy hanao toetra tsy zaka amin’ny ray na reny kely, fa hanaiky sy hanaja ny fitaizana tsy miangatra omen’izy ireo.
Tokony hampirisihina noho izany mba hiandahy hiambavy amin’ny sehatra rehetra himasoana, fa tsy hoe “lahy tokana ampihantaina fa hoe handimby ny anaran-drainy, ny vavy tokana toloram-bady”
Vokatry ny fanadiadian’ny manam-pahaizana mikasika ny reny sy ny zaza Pedo-Psykiatra Boris Cyrulnik, dia hita fa 95% n’ireo reny bevohoka avy amin’ny tany misy ady, ka nitebiteby nandritra ny sivy volana dia miteraka zaza misy fahasamponana ny atidohany (atrophie des lobes frontaux). Ary io fahasamponana io dia kilema lehibe manakana ireo zaza ny hianatra sy hieritreritra ka hipaka amin’ny ho aviny izany. Ho avy hanjakan’ny tsy fahatokisan-tena fa indrindra ny tsy fahafahana ny hisoka-tsaina sy hatsilo saina fa ho votsa. Saro-pady ny reny bevohoka. Tokony karakaraina manokana noho izany.
Tokony tsy hisy ny sehatra voafetra ho an’ny lahy na vavy: Toy ny manao raharaha, manampy amin’ny asa an-trano, manjaitra, mipasoka, manao sakafo, ny vavy lazaina matetika hoe tsara fa namana, ny lahy kosa hafaliana tsy omby tratra fa “ny aina lahy tokana”, manana lahy manan-kiankinana rahatrizay sns. Ny vavy toy ny lahy koa afaka tsara mandimby ny anaran-drainy, na mitondra ny anaran-dreniny. Fa tsy fanaka malemy mihitsy akory.
Ilay fihetsika voalohany nitsenana ny zanaka eto an-tany: hafaliana, hadisoam-pananantenana dia manana akony lehibe amin’ny ho fiainany rahatrizay. Raha zazalahy nofenoina fitiavana, sy nampianarina hanaja ny manodidina azy, ary notezain-dreniny na izay nisolo ny reny izy, dia hanaja ihany koa izay vadiny sy namany hiaraka hiatrika aminy ny fiainana any aoriana. Raha tezaina hanaja vehivavy ny zanaka lahy, hahaleo tena, dia izany no entiny hanorenana ny fiainany. Raha tezaina tahaka ny lahy ny vavy, hahay hahaleo tena, hanaja ny lahy, ampirisihina, hikasika izay taranja natokana foana ho an’ny lahy, dia minoa fa hanana amby ampy sy vaika entiny hiatrika ny fiainany.
“Sarotra enjehina toy ny Jiolahy manan-trano”
Efa nosongonan’ny hoe “ny vola no maha rangahy” ilay “ny fanahy no maha-olona” izay fahavanonana taloha.
Hita eny rehetra eny fa ny vola no mahazo laka. Trano be mijoalajoala sy fiara tsy matahodalana no lamaody hitarafina fa tena filamatra sy tafita ny olona iray ankehitriny. Nentin’ny fanantotoloana izany saingy miha hita taratra ihany koa ny fizarazaran’ny mpianakavy noho ny lova.
Betsaka ny fianakaviana misara-bazana noho ny lova. Tsy resahana kanefa misy mihitsy ny olona mifamono, tsy mifampiresaka intsony nefa mpiray tampo noho io resaka io. Dia miteraka olana hafa ihany koa izany. Raha manana tany ianao, lova, ka ifampizaranao amin’ny mpiray tampo hafa, misy tsy te hampiasa ny taniny, dia eo fotsiny ilay tany nefa ny tany tokony hambolena sy kajiana. Fa tsy harena hampatoriana ambany ondana.
Tsara koa ny mandraharaha, manana saina tia mikaroka, manentana, miverina mahafantatra ny hasin’ny tany. Ary koa ny hasin’ny fifamatorana sy fihavanana. Koa tsara raha avelan’ny ray aman-dreny hikaroka, hanorina, hiasa fa tsy hiankina fotsiny amin’ny lova ny ankizy. Ny tany no harena fa tsy ny trano. Ary “tsy tokony atahorana ny olana, fa ny olana ihany koa no harena”. Matetika ny ankizy tsy nihanta fa niady irery sy nisy olana teny am-piandohana no tafavoaka kokoa rehefa misedra ny fiainana ary tsy miankin-doha noho ireo nihanta sy nosakaina mandrakariva ka lasa tsy mahaleo tena aty aoriana.
“Zaza tiana sy hitsitsiana rantsankazo”
Marina fa ny teny mandratra kokoa noho ny kapoka, kanefa ratsy ary tsy tokony ho ampiasaina mihitsy ny kapoka hitadiavana fanajana na fankatoavana avy amin’ny ankizy taizana. Tsy vahaolana mihitsy ny fikapohana ny ankizy, fa hahatonga azy ho ankizy feno tahotra, sy hahatoky tena izany, ary indrindra ho ankizy tsy hahavaha olana ampitoniana fa ho ankizy mifetoka, masiaka ka hanana olana eo amin’ny fiainam-piaraha-moniny any aoriana.
Betsaka ny fanadiadiana sy fikarohana ataon’ny manam-pahaizana isan-karazany ny amin’ny tsy tokony hikapohana ny ankizy sy ny tanora ary ny tsy tokony hifetopetohana, fa haharetana anatin’ny fifampiresahana na maharitra aza izany, hianarana ny fitoniana sy ny fahalemana izay atomboka ao an-trano ka hipaka eo amin’ny fiainan’ny firenena.
Ny tanora vanona manko dia tanora nobeazaina tao anatn’ny fahalemana.
Tsy tokony ho ny sekoly irery ihany no sehatra hamolavolana ny ankizy ho olona vanona, fa miantomboka ao an-trano izany, eo anivon’ny fianakaviany, fa koa ny fiaraha-monina.
Hoy ilay ohabolana afrikana iray. “Mila saha sy tanana ary fokonolona manontolo raha hitaiza zaza iray”. Manana anjara toerana lehibe noho izany ny mpanabe rehetra, ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana. Eny fa na dia ny Reny kely na ny ray kely izay mitaiza ny zaza ao anatin’ny fianakaviana mifangaro (famille recomposée hoy ny frantsay). Koa aza dia tokony omena anjara toerana isatrahany ny fahafahana mitaiza sy manabe ny zana-badiny.
Afaka handanjalanja sy hanorina ny fiainany rahatrizay anatin’ny filaminan-tsaina sy faharim-po.mba ho olona maody fa tsy mahery fotsiny noho izany ny ankizy na inona na inona karazam-pianakaviana misy azy.
Ny mpikaroka fanta-daza Marshall Rosenberg no anisany nampiditra ny fomba fitaizaina ary fifampitondrana ao anatin’ny fandriam-pahalemana.
Ny rantsankazo dia tsy vahaolana mihitsy fa mahatonga ny ankizy ho votsa saina, ho dondrina sy dondrona ary koa hifetoka sy tsy hahay hifantoka.
“Ny tokantrano fandeferana, fiadiana fa adalan’izay misaraka, ny tokantrano tsy hahahaka”
Tsy tokony ho fijaliana na fihafiana, na faharetana fotsiny mihitsy ny tokantrano. Ny ntaolo ihany koa no nilaza fa “zaza fito tsy mahafehy trano”. Noho izany, raha tsy vita ka miteraka adin-tsaina sy fijaliana mandava-taona ny fanambadiana, dia aleo misaraka.
Fanapahan-kevitra lehibe anefa izany ka tokony eritreretina tsara ihany koa. Hahahaka fa tsy amin’ny olona rehetra akory fa ny olona hitokisana izay mety ho olana, misy foana ny olona tsara fo ka mitondra ny traikefany hanampy, ny tanora tsy mifandraka nanorina tokantrano ka hianjadian’ny olana. Tsy tokony hitsabaka anefa amin’ny raharaha tokantranon’ny zanaka ny ray aman-dreny, indrindra raha miandany amin’ny zanaka.
Tsy tokony ho ny zanaka mihitsy no antony hijanonana amin’ny fanambadiana ijaliana. Ka hiferotan’aina. Tsara ny fandeferana, fa tokony hisy fihafarany, raha fandeferana tsy mivaly fa mandeha tokana aleo miala.
Fa kosa ny fiaraha-monina sy ny fitsarana tokony hijery ny mpivady misaraka, tsy ny fanampiana ara-bola fotsiny izay omena na ny lahy na ny vavy izay mitaiza maharitra ny ankizy no zava-dehibe. Fa koa ny fikarakarana ara-tsaina sy moraly, fitantanana ara-bakiteny ireo izay mivoaka ny fanambadiana mba hananan’izy ireo herim-po hiatrehana ny ho avy sy hanorenany tokantrano vaovao indray any aoriana.
Tsy tokony hamela irery ny zanany misaraka ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana, fa tokony hanampy indrindra indrindra fa tsy hanabanty na hanakivy azy ireo. Mazana manko henatra ny zanaka misaraka eo amin’ny tany amam’onina. Hevitra diso izany, fa tsy misy mahamenatra ny mijoro amin’ny maha anao anao ka manao izay fantatrao fa mety ho anao sy ny ankohonanao na ny zanakao sns
“Raha fanambadian-dratsy aleo mpianadahy mifanaja”. Mahafehy tsara ny ho tokony fifampitondrana raha sanatria misaraka ity ohabolana ity.
“Mitabe tsy lanin’ny mamba-Velona iray trano maty iray fasana. Aleo very tsikalakalam-bola toa izay tsikalakalam-pihavanana”
Tsara raha averina hampianarina ifotony ny soa toavina maha-olom-pirenena (civisme). Tokony averimberina ho fantatry ny tanora fa manana anjara toerana lehibe izy amin’ny maha-olom-pirenena azy. Rehefa fantany izany dia hanana fomba fijerin’olom-pirenena izy ka tsy hiedinedina ho tia tena, fa hahalala fa manana andraikitra miainga amin’ny fianakaviany nipoirany mipaka amin’ny firenena.
Ny fihavanana dia fototra nifampifehezana, fa nivaha ary lasa hihatsaram-belatsihy taty aoriana. Hoy Jacques Rabemananjara, poeta, mpanoratra sy mpanao politika raha nanoratra momba ny fihavanana hoe: “Niray hina isika satria nifampilaza ho mpianakavy iray fihaviana. Niray hina satria nifanila-bodi-rindrina amin’ny mamy sy mangidy. Ny “aterikalao” dia nifampitondrana tamin’ny lafiny rehetra teo amin’ny fiaraha-monina. Niaraka eny an-tsaha sy an-tanimbary. Niaraka namadika bainga, nikarakara ny tany. Niaraka nibaby ny antitra sy ny ray aman-dreny, ny marary sy ny manan-kilema. Raha misy maty dia iray an-karatsiana.
Raha mandinika ny fiainana ankehitriny dia tsy hita intsony taratra io fiarovana ny aina, fiahiana ny hafa na “fihavanana” io. Amin’izao fotoana izao mandry andriran’antsy ny olona, mifamono, ary tsy mifampatatoky intsony.
Ho fehiny hamaranana ity lahatsoratra ity, dia fanontaniana angamba no tsara apetraka.
• Moa ve mety amin’ny fanatontoloana ny “fihavanana”, moa va hahafahana mandroso ny miahy ny hafa. Ny mikajy ny fifanajana nifampitondrana teo amin’ireo ray aman-drenintsika?
• Moa va tsara ny fampidiran’ny vazaha ny kolontsainy: fomba amam-panao, fiteny sns (indrindra ny frantsay) izay betsaka indrindra any amintsika?
Hoy Tzvetan Todorov, filozofy sy mpahay tantara hoe: "raha kolontsaina natolotra fa tsy noterena dia mety tsy hampaninona, fa raha kolontsaina sy fomba noterena kosa dia manala ny maha-izy ny firenena mandray izany".
Nisy ny valintanana taloha, izany hoe miray hina mifanome tanana ny tantsaha rehefa miakatra ny vokatra. Tsy misy intsony izany izao. Nivaha ilay tena “fihavanana” nandrafitra ny fiarahamonintsika.
Raha manao jery todika amin’ny tantara isika dia tsy tokony ho hadinoina fa tamin’ny taona 1883 dia nikomy niady tamin’ny frantsay ny Malagasy indrindra (ireo merina). Vono-olona tsy hita poapoaka nandritra ny 2 taona. Lasa zanatany frantsay isika avy eo fa naharesy ny frantsay. Tsy tokony hadinoina ny pacte de l’indigenat 1887 sy ny famonoana nataon’i Gallieni 100.000 olona raha 2.500.000 ny mponina tamin’izany teto Madagasikara!
Mponina narary isika, tsy tokony ho hadinoina ny tantara, niady hatramin’ny 1914, 4000 mpianady no maty, ka hatramin’ny 1946, ireo vy vato sakelika Ravoahangy sy Raseta nanoratra ny tantara niady ho an’ny fahaleovantena. Saro-pady izany “fahaleovantena » izany, kanefa 45% ny vola manodina an’I Madagasikara miankina amin’ny fanampiana avy any ivelany.
Anjarantsika ary no mandinika sy mamaly ireo fanontaniana etsy ambony.
Miova ny toetrandro, efa tafiditra ao anatin’ny fanatontoloana koa isika. Ahoana ary no hampivadiana izany fanatontoloana izany amin’ny rafi-piaraha-monina, ny rafi-pisainana sy ny rafi-pitaizana efa misy eto amintsika.
Ahoana no fomba hitaizana ny zanantsika? ireo tanora izay ho vato hasondrotry ny tany, ho rehareha rahatrizay, raha tany momoka no haniriany?
Tezao ny ankizy fa mbola tsy TARA.
Volatiana Rahaga.
Volatiana Rahaga: efapolo taona dia mipetraka Londra renivohitr’i Anjorotany: Angleterre), liana amin’ny asa-soratra, poezia sy ny literatiora Malagasy amin’ny ankapobeny. Manoratra amin’ny teny frantsay sy anglisy ihany koa. Nanoratra angano amin’ny fiteny telo ho an’ny ankizy ary hamoaka amboara-tononkalo amin’ny teny Malagasy tsy ho ela, sy boky hafa mikasika ny fitaizana. Liana manokana ihany koa amin’ny Siansa amin’ny ankapobeny, amin’ny Politika, Etholojia, Psikolojia, ary ny fitaizana mirona amin’ny maha-olona. Manaraka fanofanana manokana amin’izany sehatra izany ankehitriny.