Tsara Soratra

View Original

Iraka maika

Iraka maika

Mina Ilarion  

Tsy mba ny akoho lahy na ny paika famantaran’ora no nanaitra an’i Tsiahy io maraina io, fa antso tsy hay nofantarina am-pinday. Angamba tany ho any amin’ny maneno sahona na koa fodian’ny mpamosavy tany. Tolotra sakaizany io feo io, toa miendrika mbola ho nofy raha tsy ny teny tokana nanaitra tanteraka hoe : « voaroaka aho ». Nitsangana toy ny tsy teo am-pandriana ity anjely iny mbola maizim-be tsy ahita-mitsinjo iny. Ny antso koa tapaka, izy roa samy tapaka sy namana. Ny hany vavaka natao dia ny tsy handalovana ny maneno fitatra fa avy dia ny maneno akoho na ny miakatra andro mihitsy aza mba hihaonan’ireto andrian-droa ka hamaly ireo misitery mifono. Feno azy ny efitrano, tsy maty ny fitaratra hazavan’ny finday mijery izay ao, asa inona loatra re no dia tsy mahatombontsiraka azy?

-Fa ahoana ary izany? Rava ny nofinofy, inona indray no nataon’iny tany, aiza indray no ahita asa? Tsy antsasak’ireo fanontaniana mila valiny tao antsain’i Tsiahy akory ireo, ary natetika loa-bavany nandritry ny ora vitsy.

Fotoana kely tokoa mantsy sisa andrasana dia hampakatra ity mpanjakan’ny fony tokana i Tolotra, io no hiafiany andro aman’alina ka hiasany. Miambina tanànan'ny mpanan-karena iray eny Vohitsara izy. Raha ny fahaizany dia mba nahavita ny teny amin’ny ambaratonga ambony ihany, tokony ho asa saina  noho  izany  ny anjara asa mety aminy. Tsy misy sahaza izany anefa eto an-tanàna ka tsy maintsy miaina amin’ny zava-misy. Matetika tokoa ny fiainana tsy hisafidianana sarambabe fa sokajy ho safobemantsina avokoa ny misy rehetra. Tsy hainy ny manavaka fa toa loko rano iray avokoa aminy izay hitany, na dia tokony hiavaka aza ny kary sy ny saka, rehefa vandana dia iray; na tokony ho samy hafa aza ny vary sy ny tsiparifary, raha vao salohy dia ratsy. Ny tokony ho ara-drarin’ny miaina tokoa mantsy dia sandrana ny mampitovy razana amin’ny alika ny olona nahita fianarana, miondrika sy mitsaoka raha mahita azy. Tsy misy afa-tsy ny miambina tanàna ny alina anefa no anjara asany, miampy fanasana fiara tsindraindray na fandrahoana sakafon’ny ambony, miaraka amin’ny iraka izay tsy hary ho voatanisa. Saofera karana hoy ny fitenenana.

     Tsy nahasakana ity tovolahy herotrerony sy nofosana, bikàna ity tsy hihoitra amin’ny fiainany anefa izany, tsy niamboniany tena teo anatrehan’ny misy ho be palitao koa fa niofony tarondro ka nakany volon’izay hitoerana, ary trandraka nitrandraka tany mena izy ka volon-tany trandrahany ihany no arahiny. Nosanatriaviny ho vato misakana ho azy tsy hitia ilay kamboty ray sy reny ihany koa  izay mety ho isan’ny diplôma na mari-pahaizana hananany. Tiany Tsiahy, voady nohavaoziny isanorano tolotra omeny ilay tokany isaky ny mihaona. Tovolahy mendrika i Tolotra.

     Raha somary sadaikatra i Tsiahy teny am-boalohany noho ny fahafantarany ity hitia azy ka niheverany fa halany andro na filan-tsy mahita fotsiny, resy lahatra ihany rehefa nandeha ny fotoana teny am-panarahana maso ity ho tiaviny mandrakizay. Ny olo-mandalo mantsy, hono, tsy mba fiantsapy, hazo boboka tsy mba fiantehitra, mila fantatra vao manaiky. Izay vao tafaray ny tia sy ny tiana, Tolotra mahatsiaro ho manana anjely eo akaikin’i Tsiahy, itsy farany kosa manonofy eo anilan’i Tolotra.

     Indroa handalovan’ny roa ambin’ny folo volana izay ny niarahan-dry zareo nitosy raha ho avy io ririnina io. Nahalana nandalovan’ady ary nalaviran-dromoromo. Tafaray samy tia e! Ny aina no matezà.

     Ny sivifolo isan-jaton’ny mpifankatia tanora, raha tsy mihoatra an’izay aza, raha vantany miaraka herinandro farafahamarony dia ny fiaraha-matory no porofom-pitiavana voalohany tsara ary fara-tampony indrindra. Izy roa dia tafiditra tao anatin’ilay folo isan-jato ambiny. Tsy mba maika amin’izay fanakarana ny volana indray mipi-maso fa hiandry ilay mihoso-tantely hiaraha-migoka ny mamy. Mpifankatia môdely raha izay no azo hanambarana azy.

Naraina tamin’izany ny andro, angamba tsy mba nizaha fitaratra na nisafo akory Tsiahy, tsy hainy na misy farora-bava ny tavany na mikorontana ny volony. Tongotra an-katoka ny lalana mihazo an-dry Tolotra eny Tsarahonenana.

Toa tsy misy na iray aza tamin’ireny olona teny an-dalana ireny mahafantatra azy na nanatsafa, angamba koa nanidina mihitsy no nahatongavany teo am-bavahady. Tsy nisy dom-baravana fa raha nisy olona nibolaina tao dia asa?

Io Tolotra, toa misy zavatra dinihiny eo ambony latabatra. Asa na ho vitsika na ny mety ho zava-madinika noho izany fa tsy nisy boky hoe vakiana akory teo. Tsy nandre raha tsy indroa ny fanairana nataon’i Tsiahy tsinona izy.

-Fa inona ry Tolotra izany vaovao izany a? An? Hoy i Tsiahy mbola sempotra sy somary nasiaka fijery, tsy nisy manahoana tsy nisy fifampitsafana, ny naha maika no tonga dia noresahina.

-Iny efa nolazaiko anao iny Tsiahy a! Voaroaka haninkeo maraina aho, tsy haiko ny hatao, izay no hany azon’i Tolotra navaly ity malalany efa hila hivoa-po tamin’ny fahamaiza.

-Dia ahoana? Rava izany ny tsena koa. Afaka dimy taona indray vao mivady.

-Malala a! Mbola moramorainao ihany ny zava-misy? Izaho voaroaka ange tsy maninona e ! Fa ny anton-taratasiko rehetra nogiazan-dRagôva any no loza.

-F’inona izany? Hoy ny andriam-bavy toa tony tampoka.

-Ny karatro sy ny momba ahy rehetra, any daholo, hatramin’ny taratasy noforoniny hitoriana ahy.

-F’inona no nataonao Tolotra a? Sady voatsongo teo ity efa ory.

-Tsy naninona aho fa izy tonga sasakalina avy any amin’ny nalehany tany niaraka tamin’ny vehivaviny iny, no nampaneno ny fiarany, tsy haiko na im-piry fa nolazainy fa ny im-polo, hono, kely. Izaho mantsy somary rendreman’ny torimaso, teo no ho eo aho dia nantsoiny tany amin’ny biraony ary nolazainy fa efa nisy zavatra very maro, hono, tao saingy mbola niandry porofo izy. Tsy mbola nisy tratrany natory afa-tsy izaho, hono, araka ny teniny. Midika avy hatrany izany fa ny ora niasako no nahavery ireo zavatra sarobidy ireo.

       -Dia tsy mba namaly na kely  akory aza ianao ? Hizaka ny zavatra tsy natao? Hibaby ny heloky ny hafa? Hoy ny vavy nanapaka tampoka ny fitantarana tsy mbola tapitra akory.

     -F’angaha misy handatsanao ry Tsiahy Ragôva a? Ny atody koa ve hiady amin’ny vato e? Ny androngo hanohi-boay?

Dia mbola nitohy ihany ny fitantarana, nihanazava tamin’i Tsiahy ihany koa fa tsy nataon’i Tolotra io halatra tao am-piasany io. Lasa te hanampy na kely fotsiny aza ity olon-tiany izy. Tsy hainy anefa izay atao, izy vehivavy, ankizivavy raha vantanina e! Tolotra aza moa lany haiky amin’ny izay mety hatao, indrindra fa ity kofehy manara-panjaitra?

     -Ka inona ary no atao e? Hoy indray Tsiahy tamin’ny feo somary namelana afon’ny fanantenana dia ny fanampiana izany.

     -Tsy misy azontsika atao malala raha tsy azo ny kara-panondro ary voatsoaka ireo fitoriana voaomana. Izy ange olona mahalala mpiasa ambony ao amin’ny fitsarana e! Raha vantany tafiditra ny taratasiny, tonga dia dimy taona an-tranomaizina farafakeliny. Tahaka ireo efa nataony izany ary manefa ny saziny eny ambany Antsinanana.

-Lehilahy tsy vanona. F’angaha izany Ragôva izany tsy mba manan-janaka e? Hoy Tsiahy efa vonona hanozona izay mety ho taranany hiaina sy hifandimby.

-Tsy any ny olana e! Tsy hampiova n’inona n’inona izay ompa sy ozona ataontsika eto, vahaolana no ilaina.

Dia samy nangina indray, heno na ny omby mimà na ny pikan-tafo-trano daninin’ny masoandron’ny miakatra andro. Toa samy manopy mijery ny any ambony any avokoa izy roa, angamba misy zavatra hifantohany ao anatin’ny tranom-pangaraka na ny takola-panenitra.

Raha nisaina, efa an-jaton-tsegondra no teo, dia hoy Tolotra:

-Hitako ny hevitra. Ianao no hatoroko ny endriky ny ao an-trano rehetra sy ny toerana nasiany ireo taratasy dia maka azy, izay mihitsy.

-Inona a? Hoy Tsiahy taitra tao anatin’ny fahavarianany, sao mba mitapy ary ity ianao, tsy menatra akory mandroso ahy ho sorona, maninona tsy tsatohana ny antsy ho haingana e?

-Tsiahy a! Tena hevitra mety izany sady matotra, aleo hazavaiko anao. Misy fambara efa apetrak’i Ragôva ao amin’ny tranony sy ny biraony, raha vao lehilahy no miditra ao dia maneno tsy an-kijanona io fambara io. Tahaka ny mpangalatra tsinona izany, fa raha vehivavy kosa dia tsy maninona satria maro ny sipa miaraka aminy ka tsy maneno izy noho izany.

-Tsy mino ary tsy hino izany mihitsy aho Tolotra a! Aza vonoina aho, aleo aho handeha rehefa tsy mila ahy intsony ianao, izay no mba valiny avy amin’ity mba nianteheran’i Tolotra ho avotra ho azy.

-Marina izany, ianao no avotra farany ho ahy, tsy afaka handefa ny reniko na ny anabaviko ho any aho, ianao no silako. Mahatonga ny fambara tsy haninona raha vehivavy dia misolo ampela isan'andro Ragôva ka baikoiny, noho izany ireo vehivavy rehetra entiny sy mifanao fotoana aminy, tsy maninona.

-Ianao ve mino amin’ny hevitra tainginao fa tsy misy hahita ny hidirako. Na raha tafiditra ao aho ka tsy ho tratrany? Hoy Tsiahy manomboka resy lahatra.

-Efa haiko ny fandaharam-potoanany sy ny endriky ny varavarana rehetra e! Ny fahavononanao no ilaiko, hoy Tolotra toa hentitra tampoka teo.

-Izao ary e! Noho ianao dia handeha aho, maty amin’io aho dia ianao, velona amin’io aho dia anao, hoy ilay anjely mpiambina tamin’ny voady tsotra sady fohy amin’ny fanavotana ny tiany.

-Misaotra akia malala a!  Sady nofelahin’i Tolotra tamin’ny oroka nandrivorivo ny molotr’i Tsiahy.

Dia rafitra nandamina ny drafitra rehetra, satria tsy andrasana ela fa anio hariva ihany dia atao ny lahasa sao atoandro fitery ronono eo ka ilaozan’ny omby miahahaka na hariva ambi-pody eny an-tsaha ka hilaozan’angitra mivazo, ahiana ihany koa ny alim-podiana olo-mamo ka hilaozan’ny trano mifody. Narindran’ilay bandy nofosana sady tsara ati-doha ny paika rehetra. Izay ilay iraka maika, tsy andrasana hialin’andro, baiko fa tsy fiangaviana, tonga miaramila vavy ihany koa tsinona ilay anjely mpambina azy.

-Miaraka isika miala eto. Amin’ny sivy alina any ho any, manao fitafy somary manaitra sy jejo ianao, endriky ny vehivavy janga raha ny marina kokoa e ! Tsy taitra mihitsy ianao miditra eo amin’ny vavahady misy ny mpambina, fa izany mantsy no fanaon’izay manao fotoana aminy. Raha ianao no tonga aloha dia tsara be, efa misy fanalahidy ao ambadiky ny varavarana misy soratra hoe ”douche”. Raha izy no tonga aloha dia langolangoina hatory izy vao atao ny asa rehetra, izaho miandry eo amin’ny varavaran-kely ka raha vao vantany azonao ny taratasy dia hatolotrao ahy, mandeha isika aorian’izay. Amin’ny folo alina eo raha ela dia tafaverina sy vita avokoa izay, milamina ami’izy ny rehetra.

-Tolotra a! Moramorainao tokoa ity raharaha ity a! Ianao mihevitra fa tsy hanao izay tiany atao amiko izy raha ao? Mety ho gaga aza izy hoe: iza koa ity soavaly vao ity? Hoy indray Tsiahy.

-Efa maro loatra ireo   sipakely   mankao   aminy ary saika miova isan'andro aza, misy tsy tsaroany akory aza ny endriny, raha vaovao indray efa mahazatra azy izany, ny zava-dehibe fotsiny dia ny fahaizana miala ny firaisana ara-nofo aminy. Fangatahana avo indrindra tamin’ny fiainako ity “Cherie” a! Ataovy moa izay mety e!

-Maty aho dia ianao e! Velona aho dia anao, izay fa niverina ilay voady sarobidy, nifanoroka indray ny tia sy ny tiana.

Naverina nazavaina indray miampy ny pitsopitsony rehetra ny paika, nanomboka tamin’ny fomba fiarahabana izay mety hiambina eo amin’ny vavahady hatramin’ny firesaka amin’i Ragôva ambodia tsy mifidy haza hohanina sy harapaka raha sanatria tojo azy. Andriamanitra hanampy e! Daniela aza moa nalefa tao an-davaky ny liona tsy naninona fa nampian’ny anjelin’ny Tompo koa, ny fahasahiana sy ny finoana no mitondra an’io.

Rehefa tapitra ny fandaminana ara-dresaka dia handamina ny ara-pitaovana amin’izay ireo vitsika roa toa miara-mientana hitondra ny hazany ho any an-davany. Zavatra tsy mbola nataon’i Tsiahy hatramin’ny nipoirany fa noho ny fitiavana dia ho vitainy izany. Ny fitiavana no lehibe indrindra.

Efa mihaiva iny hazavan’ny fara-vodilanitra iny. Paik’ora ihany koa ny tokony hiomanan’ny miaramila hiatrika ady anaty hakata ity ali-maizi-pito ity. Niaraka niketrika ity ho nahandro, mba tsy ho may na ho be rano. Ny lahy ihany koa no efa mahalala ny tsiro mety amin’ity ho baboiny, na ny sirany na ny mety ho hakaton’ny sakafo.

Natory zaza tamin’izay ny andro. Indreo izy roa mifamihina mialohan’ny hialana ny trano tsy ho azon-tsampona tsy hidiran’angano.

-Iraka voalohany sady farany hampanaoviko anao ity malala a! Zany a! Hoy Tolotra nanoroka ny handrin’i Tsiahy.

Tsy namaly izy fa namihina fotsiny ity olon-tiany sy tokany, hanaovany vy very anio alina. Hatramin’ny fahadiovana aza mety ho hafoiny ho an’ilay tsy mifaditrovana raha ilaina noho ny fitiavana.

Dia nandao ilay akany izy roa, hitady izay hahatsara ary koa ny hahasoa, toy ny mponin’ny alina ireto fijery azy. Tolotra miedinedina fandeha mitantana ity mpivaro-tena raha ny fijery azy ivelany. Seho an-tsehatra hafa indrindra.

Vao taza-mitsinjo ny vavahady vy fiambin’i Tolotra dia nanomboka niha nifanalavitra amin’izay ny dia. Toa nisy tahotra sy hovitra ihany saingy tsy naninona izany noho ny tena akaiky sy nigadona ny varavaran’ny haizina, nojerena ny famantaranora, amin’ny sivy, mbola tsy ao an-trano Ragôva raha ny fanazavana nomena hatrany am-boalohany. Ny fivadihan-javatra no tsy hay.

Niarahaba somary tamin’ny fiteny jiolahim-bavy i Tsiahy rehefa teo anoloan’ilay mpiambina mitana hazo lava manao kiraro mainty sy satroka aro hatsiaka.

-Kaiza ry “Cherie” a? Manja indry izany androany a!

Mbola   tsy ao Rampanana fa tonga dia any  an-trano   izy andrasana e! Tonga dia miomàna fa fantatr’indry ihany rehefa avy eo e! Aza adino fotsiny ny mametraka kely ho an’ny bandy! Hoy ilay mpiambina mihevitra ho soavaly za-dalana ity olom-bao. Dia nanao kopa-tanana fotsiny Tsiahy ary tafiditra teo an-tokotany. Nitodika tany amin’ny lalana nodiaviny izy, nihevitra ny mbola hahita farany ilay olon-tiany, saingy indrisy anefa, lalan-drary vato sy talin-tany no hany tazany teo. Niezaka namerina ny toro-marika rehetra tao an-dohany ity hamita ny iraka maika. Nifangaro tao an-tsainy ny rehetra, nanan-kevitra ny hiverina tampoka teo ary izy, nisy tolo-tsaina tao anatiny fa namidin’ny Tolotra tamin’ny mpanana izy. Tsy sahy ny hiverin-dalana indray satria hisaina ratsy aminy ireo mpiambina raha izany. Ny teny nomeny an’i Tolotra no navoakany am-bitsibitsika teo am-bavany. “Maty aho dia ianao, velona aho dia anao”. Tsy tapitra akory izay dia nisy nikitika izy, saika nihiaka mafy saingy nisy nanampina ny vavany, teo vao marina ny eritrerina fa namidin’ilay olon-tiany Tsiahy.

-Tolotra ihany, hoy ilay bitsika. Izay vao niverina tamin’ny laoniny ny fony ary niala ny tampim-bava.

-Fa maninona no tonga aty sahady ianao? Hoy Tsiahy namihina ny tiany.

-Tsy any izao ny ady hevitra e! Vita ny dingana voalohany. Tsy mbola ao Ragôva, milamina sy mirindra ny paika rehetra nalamintsika, tsy ela ny raharaha noho izany. Toy ny manala parasy io, atsy ambadika atsy ilay varavaran-kely. Rehefa avy eo,   sady   norohany    indray i Tsiahy dia tsy hita teo indray izy.

-Taiza tokoa ary no nidiran’i Tolotra? Hoy indray ny sainy lasa teo. Tsy hainy tokoa fa efa tompon-tanana amin’ity toerana tsidihiny ity ny malalany, ny androtokon’ny fiainany tsinona dia ao avokoa. Rehefa tsy nahita havaly tamin’ny fanontaniany teo izy dia niditra amin’ny dingana manaraka.

Raha vao nandia ny tokonana dia nirehitra ny jiro. Noheveriny ho olona na mety ho ilay ambodia mihitsy aza, kinanjo tsy nisy na inona. Hay efa voabaiko avokoa ny ao rehetra. Nojereny ilay fitoeran’ny fanalahidy miditra ao amin’ny birao sy ny efi-trano, tsy nisy olona.

Novohainy aloha ny birao hijerena ilay kara-panondro, izany hoe dingana voalohany amin’ny faharoa ity indray io. Nataony any an’efi-tranony tsinona ilay taratasy hoe: fitoriana an’i Tolotra. Raha vao tafiditra izy dia io Tolotra eroa ambaravaran-kely manome toro-marika mba hamohana ny varavaram-pitaratra, dia nataony izany. Notondroiny ilay toerana misy ny zavatra alaina dia rafitra Tsiahy nilomay nitady, tsy ela akory dia hitany tao anaty fitoerana taratasy, ary dia natolony izany. Vita indray ny amin’iny, nohidiana ny varavaram-pitaratra dia nivoaka avy tao. Nitadidy ny toro-marika indray no natao. «Mihazo lalan-tsara, avy eo mian-kavanana, mandalo lakozia sy soratra hoe: “porte 05” » . Tsy nisy tomiaka avokoa ireo, tonga tamin’ilay varavarana kopa-telo. Fanalahidy misy soratra: “R.T” nohamohaina   azy. Vita,   tafiditra,  tranomihajasy milamina no tazana, tsyazo   notsaraina tamin’ny fitondran-tenany sy ny toetrany tokoa raha ny efi-trano onenany sy hatoriany. Efa indro eo ambony latabatra avokoa ireo sakafo maro tsy hay faritana na fantarina anarana. Nisy nandona, ny varavaran-kely. Novohainy dia lasa indray ny sopapa.

-Ao anatin’ilay “commode” eo an-doha-fandriana. Ny “case” misy azy no tsy hitako, hoy Tolotra.

-Hitako izany fa aza manahy “Cherie” a! Hoy indray ny bitsibitsiky ny ankilany no sady nampanatoniny ny vy aro loza ny molony saingy tsy nahatohoka tamin’ny molotr’i Tolotra akory.

Dia nojereny indray ny fanalahidy misy soratra: “C.D” amin’ireto vy efa ho aman-jatony angamba. Raha vao nisokatrakoa ilay fitoerana taratasy dia tsy hay fantarina hoe: mety aiza no misy ilay taratasy fiampangana lainga? Ny anarana ao anatin’ny lahatsoratra sy ny eny ambony no ahalalana azy voalohany. Tokony taratasy fitoroaiana an’i TOLOJANAHARY Anastin.

Efa ho indray mitono valala angamba izay, tsy mbola hita ihany ilay taratasy. 

-Hita ve Tsiahy a? Hoy Tolotra amin’ny bitsika mafy eo ambaravaran-kely.

-Tsy mbola, hoy ny mpamita iraka sady manohy ny asany ihany. Tonga jiolahy sy mitovy tantana tamin’ny mpamaky trano tampoka teo ilay zaza hendry sy maontina.

Ny   fitadiavana tokoa mahazaka    maniraka ary ny fitiavana mahaforon-javatra.

Raha samy variana tamin’ny nataony teo, i Tsiahy nikaroka izay nokarohiny, i Tolotra sasatra mihaino izay feo hoe: ity, ny mpiambina miandry ny higadonan’ny mpampiasany. Samy mangataka amin’ny Andriamaniny avy ny mba hivalian’ny vavany. Ny an’ny teroa ambavahady no nofidian’ny tompony ho valiana aloha, tamin’ny talaho rehetra teo. Naneno ny fiara, poa toy izay dia nigirioka ny varavaram-by tsy ampy menaka. Indro ny fiara raitran’i Ragôva fa miditra.

Poa toy izay ihany koa ny nitenenan’i Tolotra ny malalany.

-Miala any! Hoy izy tamin’ny feo vakiny.

-Marina ve? Dia ahoana?

-Hidio aloha io dia matoritoria eo am-pandriana. Miandrasa azy hatory, hoy ny toro-marika.

-Aaa, andeha aho Tolotra a! hoy ilay malalany raiki-tahotra.

-Efa izany miala ao amin’ny “garage”  izany izy, hoy Tolotra sady nidina tsy tazana intsony.

Tsy manan-tsafidy Tsiahy. Tsy maintsy manatanteraka ilay baiko. Nalaminy tamin’ny fahaizany azy ny antonta-taratasy dia lasa nitsilailay teo an-kianjan’ilay amboadia izy. Tsy ampy dimy minitra akory dia nigadona ity rangahy be volom-bava fotsy sasaka sy sola an-tampony, mipalitao, mifato-karavato an-tenda. Nitsiky izy raha vao nahita ity hazany fa tsy nisy na fiambana kely akory aza.

Tsy nisy arahaba fa avy dia ny fanontaniana no napetrany.

-Hay tonga sahady indry? F’angaha efa akaiky indry tamin’ilay nantsoiko teo ?

Tampoka sy tsy azon’i Tsiahy nodinihana akory izay mety ho valiny, tsy misy afa-tsy ny eny ihany koa no azo havaly izay fanontaniana izay. Tsy mbola nihidy ny varavaran-kely, midika izany fa ren’i Tolotra avokoa ny resaka rehetra.

-Andraso ary aloha fa hisaika vetivety aho a! Hoy Ragôva, sady manala ny akanjony no mitsiky mijery an’i Tsiahy.

-Tena ho fatin’ity alika maty tsy vanona ity aho, hoy ny tao an’eritreritr’ity ho sakafon’ny liona. Jereo ity volon-tratrany sy volon-tongony, toy ny volon-kisoa gasy natavezina herintaona.

Tsy handriny izay nivadihan-dRagôva efitrano dia namonjy ny varavaran-kely nisy ilay malalany izy.

-Ahoana Tolotra no atao a?

-Tsy taitra fotsiny ho’aho, ity misy fanafody, ataovy izay hiarahanareo misotro, levony ao ity. Matory izy avy eo dia manao ny iraka ianao e! Hoy Tolotra namoaka vovo-javatra avy any am-paosiny efa nivonona tamin’ny zavatra mety hitranga tahaka izao. Ny manatanteraka no ataon’i Tsiahy. Tsy navelan’i Tolotra mbola narindrina aloha ny varavaran-kely handrenesany izay mety hitranga ao.

Nataon’i Tsiahy   an-tsakany   sy     an-davany        ny toromarika, somary ela ihany koa Ragôva tany amin’ny nalehany tany ka nalalaka ny fanatanterahana ny asa. Mbola nisy fotoana afaka nijerena ilay tahirin-tsary teo an-dohamandrin’ity ho vadiny vonjy maika aza izy. Izay vao tonga ny anao lahy.

Tolotra kosa nahatsapa avy tamin’ny alalan’ny resaky ny mpampiasany hoe: « Efa akaiky angaha indry ilay nantsoiko teo? » Hisy olona ho tonga hifanao fotoana aminy noho izany mazava ho azy.

Ny zava-niseho tamin’ny fotoana nifanindry tamin’i Tsiahy etsy andaniny ary Tolotra ankilany dia nampihori-koditra.

Ragôva avy any am-pisaikana tsy niambahamba fa tonga dia nanoroka ny molotr’ity malalany, niezaka nitsikitsiky tamin’ny fijeriny i Tsiahy na dia tsy sitrany aza ity. Angamba efa toko sampile firy izay no vitany mangataka ny mba hivoahany velona eto, ka tsy naharenesany intsony ny tsilotsilom-bolom-bavan-dRagôva lahy antitra malanga sy mpilalao vehivavy.

Tolotra kosa niandry izay higadonan’ilay tovovavy hifanao fotoana amin’ingahy mpanana. Tsy nidify akory ny ampaham-potoana nahatongavany teo amin’ilay voninkazo nidoroboka nifanenan’izy sy Tsiahy teo dia ity tokoa zanaky ny alina miraratra any an-tampon-doha ka hatrany am-paladia.

-Salut elah? Hoy ilay tovovavy niarahaba an’i Tolotra.

-Ianao angaha ilay hifanao fotoana amin’i Bainina?

Hoy ny feo ivan’i Tolotra.

-Ie, zah mihitsy.

-Vao eo izy no nanafatra ahy hoe: tsy afaka mandray, hono, androany fa reraky ny asa be, vao avy any amin’ny faritra ihany koa ileiry ko! Dia ity no napetrany, sady natolotr’i Tolotra ilay vola angamba sahabo ho dimy na enina alina eo, izany hoetoy ny karaman’ireo isak’alina izay efa voavinavinany nialoha ka niomanany ny amin’ny tampoka.

-Hay nametraka ny adala? Saika nokotabaisiko tao mantsy raha izao no mba hianarany fitahana a! zay, “sure” elah! “Go” ny sipa, sady nomeny lamosina i Tolotra rehefa azony ny nilainy. Zarany aza nahazo karama tsy nisasatra koa, ny Andriamanitra no isaorana.

Izay vao nisento tokana ilay miaramila mampamita iraka tonga mpanatanteraka ihany koa. Feo iva nifampiresahan’ny mpiambina sy ilay tovovavy no hany re tao anatin’ny fifamalin’ angely.

-Fa angaha vita sahady? Hoy ilay mpiambina.

-Reraka , hono, ilay alika lahy iny e! Izay leitsy fa “bonsa”.

-Efa hitako mihitsy koa! Hoy ilay mpiambina naman’i Tolotra. Tsy hametraka angaha? Ny fihevitr’ity tovolahy mantsy hoe: noho ny tsy fahazakan-dRagôva hitondra roa no nampodiany ity anankiray tratra aoriana.

-Aleo leitsy “radem” a!Sady lasa izynihazonylalany niamboho vavahady.

Ny hany sisa azon’ny Tolotra natao dia namonjy ny etsy ambanin’ny varavaran-kely, hiaino ny hiakam-boron-kely viravirain’ny ambodia. Izay tsinona no lahatra fa tsy afaka manova azy raha mbola olo-miaina zinara.

Ny tato an’efi-trano kosa, rehefa avy niara-nisakafo dia namonjy fandriana hatory angamba?

-Angaha ialahy tsy hisotro “jus”? Hoy Tsiahy no sady nisafosafo ny loha solan-dRagôva, sao haniry tain-doha na volo malemy ahay.

-Ary fantatr’indry mihitsy ny zavatra tiako a! “Merci, Cherie”, dia nanoroka an’i Tsiahy indray izy.

Tolotra amin’io manongo teny atsy ivelany mihaino ny rafiny an-tsitra-po sy natolony ary ilay malalany, tsapany fa babon-dRagôva.

-Indry ve tsy mahatsapa hoe: mangatsiaka? Ao akatoko ny varavaran-kely ka, hoy ilay ingahy sola. Fanekena tsy sazoka no valiny, ny ao an-tsain’i Tsiahy mitampody any amin’i Tolotra tokany ihany, saingy toneny ny fony.

-Enga anie tsy ho tratra ao izy Andriamanitra ô! Hoy ny vavaka tora-pony ho an’ilay malala tena tiany.

Taorian’iny vao nifandona vera izy roa dia nifamim-pihina teo. Tsy naharitra indray mandrora akory dia niesona ity lambo nikasa hitongy ny saha madio.

Niverina namoha ny varavaran-kely nisy an’i TolotraTsiahydianiantsomoramorasaohanaitra ny efamandry indray. Tsy nisy namaly anefa, naveriny fanindroany, fanintelony, izay izy vao nandre famalin’olona efa rendri-tory.

-Mifohaza rangahy fa ny olona ato efa ho faty a ! Ianao mbola mahita fotoana hatoriana ihany.

 

-Oay! Azafady “Cherie” a! Vita angaha? Nikatona koa ange ny varavaram-pitaratra dia tsy nisy reko e! Hoy Tolotra niala tsiny.

-Aleo mody dia rahampitso miverina sao sanatria lany ny herin’ny fanafody ka ho taitra eo io, hoy Tsiahy.

-Malala a! Efa natao ity dia tsy maintsy vitaina hatramin’ny farany, tadidio fa ny valala tsy indroa mandry am-bavahady.

-Izaho indray izao no mitondra ny paika e! Andao hody, hoy ilay jiolahim-bavy vaovao toa hentitra tampoka teo tamin’ny fiteniny. Manova olona tokoa ny segondra sy minitra a! dia manaiky indray no hany sisa ataon’ny lahy. Izay e! Any ivelany aho andrasana.

Dia vita ny iraka, tsy nisy voakitika ny vatan’i Tsiahy, ankoatra ny molony izay nofahony tamin’ny tanany isak’izay avy norohan-dRagôva. Ny kara-panondro ihany no azo, ny taratasy fitoriana rehetra sy fanambaram-pananana very mbola any. Gadra hatreto aloha no anaran’i Tolotra. Nanome fampanantenana i Tsiahy fa rahampitso amin’nytelo ora sy dimy minitra tolakandro no miverina any fa io no fotoana nifanomezany amin’i Ragôva mpanakarem-be ao an-tranony.

-Maninona tsy natao amin’ny roa na amin’ny    teo fa amin’ny telo sy dimy? Hoy Tolotra manahy ny hisy hevitra ambadika ny resak’i Tsiahy.

-Misy dikany io e! Izaho no mitondra ny drafitra, ianao tsy mandeha fa mijanona aty a! Ny taratasy tonga eto no fantatrao. Miantso aho raha misy olona.

-Tsy nampoiziko ho ianao ry Tsiahy no hahavita izao. Adinonao ve ny voadintsika? Hoy Tolotra nanganohanon-dranomaso namihina ny tanan’ny tiany.

-Malala a! “Maty aho dia ianao, velona aho dia anao”, iraka maika sy hanavotra anao no ataoko any, matokia ahy, sady norohany Tolotra.

Nifamaly tsiky izy roa dia namonjy ny akaniny i Tolotra. Niezaka nampirina ireo baraingo mila valiny sy eritreritra mila vaniny tao an-dohany.

-Maty izy dia avy amiko, velona izy dia ahy. Izayno nandravahany ireo sary zavon-tany tsy nety nazava tao an-tsainy.

-Tiako ianao, ilaiko koa ho tia ahy.

Tamin’ny mitatao vovonana nampian’ny roa adiny ny andro, matoky tena fatratra ity tovovavy mihazo ilay kianja nilalaovany ny alina. Akanjo maontina sy mihaja kosa no nisalorany. Tolotra mahatoky zato isan-jato ny malalany ka tsy manan-tsaina akory ny hitsongo dia ilay mpamita iraka.

Mpiambina hafa no tao fa tsy ilay nifampiresaka taminy omaly intsony. Nilaza io fa efa nametraka hafatra mihitsy pata fa hisy olona hitady azy eo. Nalalaka ny lalana, mbola nentin’ilay mpiambina hamonjy ny varavarana tokony hidirany izy, na dia efa hitany aza izany. Nanolotra fisaorana i Tsiahy dia niverina ilay tovolahy. Tsy mbola nigadona teo am-baravarana akoryizy dia indro feo mivoaka eo ambon’ilay tolana milaza fa “tonga dia midira fa tsy mihidy io”. Tsy nisy izany anefa ny alina, mahay zavatra ny manam-pahaizana, izay sisa no azony novetsoina.

Raha vao tafiditra izy dia io Ragôva eo anoloan’ny latabatra, niova ho olona matotra sy manana fanahy.

-Manao ahoana ianao ramatoa kely? Hoy ny fanajany fatratra. Raha tsy mahadiso, ianao ilay mifanao fotoana amiko angamba e? satria tonga ara-potona tsara ianao.

-Eny tompoko, tena izaho indrindra, hoy Tsiahy.

-Fa, hono, ho aho, iza kay ianao e? Sady nalain-dRagôva ilay taratasy misy soratra fohy teroa an-dohamandry. Ianao no nanoratra an’ity e?

-Eny tompoko, hoy hatrany ny valiny tsy nanam-piovana.

Naverin’i Ragôva novakiana teo imason’i Tsiahy izay voarakitra an-taratasy. Hoy mantsy ny tao: “ Raha mbola ianao ilay Tsito fahiny dia miangavy anao aho tsy hiala eto rahampitso amin’ny telo ora mahery dimy minitra tsy diso. Hoy Zananoro”.

-Izay no voasoratrao. Dia mangataka fanazavana avy any aminao aho ramatoa kely tsy fantatra anarana, hoy Ragôva somary nisento, asa mety ho nisy dikany aminy angamba ity soratra fohy tao anaty hiraka ity?

-Izaho tokoa no nanoratra io , hoy Tsiahy. Izaho ilay nataonao ny fanaonao alina. Tsiahy no anarako, efa kamboty aho, Noro no anaran’ny mamako, efa maty taona maro talohan’izao izy rehefa nitolefika teny am-pihazakazahan’ny famelomana ahy. Tsy misy anaran-dray kosa ao amin’ny soram-piankohonako.

-Noro ? Hoy ilay lahy antitra nivandravandra.

-Ie ! Noro. Mampahatsiahy anao zavatra angaha izany anarana izany ? Hoy Tsiahy no sady naka zavatra avy anaty pôketrany.

Sary no indro navoakany tao, mbola nampiany fangalana tahirin-tsary teroa an-doha fandriana izany ary napetrany teo anoloan-dRagôva. Nalahany ireo sary mitovy, nahohony avy eo? Sarin’olon-droa mifamihina sy misambatra mitovy dika ireo. Misy soratra miendrika fo ao ambadika manao hoe: “Tsito sy Noro. Ho mandrakizay hiara-tsambatra”, miampy Sonia an-kiroa ery ambany.

-Noro! Ny zanako, hoy Ragôva niantoraka teny amin’i Tsiahy.

-Tsy zanakao izany aho Andriamatoa ô ! Aiza no hisy ray hametaveta zanaka? Ny biby no toa izany. Aiza no hisy ray hitsoaka ny famelomana ny sombiniainy? Maty no mety aminy,  hoy Tsiahy an-dranomaso nanilika ity noheveriny mbola amboa dia handrapaka azy. Mbola tohizanao mandraka ankehitriny ny toetra ratsinao, mba efa nametraka fanontaniana ve ianao hoe: firy ny zanakao mieli-patrana sy miparitaka eran’izao tontolo izao? Sa velombelom-poana tahaka ny akoho mihoa-bovoka na kisoa misorom-potaka? Ray tsy vanona ianao, hoy hatrany nyozona miantefa amin’ity ray tsy fanao ianao.

-Zanako ô! Diso aho, mendrika ahy ny ho faty.

Sady navoakan-dRagôva ilay poleta tao anaty vata sarihana.

-Aleo aho andeha. Efa sambatra aho tamin’ny fiainako niliba fa avo zato henin’izany ny fahitako anao androany. Ary mbola fahasambarako ny mahita anao hanosika ny faham-bala eto amin’ny handriko, sady valifatinao izany. Etsy anaka, aleo aho hizotra ho any amin’ny reninao sy ireo vadiko na zanako maty tsy nahy noho izaho.

Tsy nisy feo nivoaka fa samy nihaino ny feom-basy tokana milaza fiafaran’ny iraka maika. Fihina sy fifampitsanganana anefa no nisy.

 

-Mitsangàna ry Dada a! Hoy Tsiahy.

Teny tokana io fa misy lanjany lehibe taminy. Sambany teo amin’ny fiainany no niantsoany azy izany, midika fa andro volamena sy fahasambarana ho azy na dia amin’ny fotoana ratsy sy tsy nomanina tahaka izao aza.

-Ahy ianao. Niriako hatramin’ny notorotoronina ahy ny mba ho safosafoin’ny raiko, ny mba ho  sangisangian’ny dadako ary hiantsapazan’ny andefomandrin’ny reniko. Ankehitriny izy mamihina ahy, mahatsapa ny hadisoany, mifona sy mibaboka.

 

Tsy manana ankoatra anao aho, ny dadan’ny hafa kanto sy hendry omeny ahy ? Ny valifaty tsara indrindra ihany koa dia ny famelan-keloka, hoy Tsiahy an-dranomaso tsy hay nampanginina.

-Misaotra anaka, manomboka masonandro androany dia tsy hikatsaka afa-tsy ny hahasoa sy hahasambatra anao vavitokako aho. Mamerina in-jato, in’arivo ny fifonako aminao aho.

Dia nifamihina izy mianaka. Rehefa izay dia niantso ilay niara-niketrika taminy ny iraka maika alina Tsiahy mba ho tonga aty. Tsy nisy fiambahambana fa fankasitrahana avy hatrany no nosandain-drainy izany, fa maika hahita ny vinantony, hono, izy. Niantso ihany koa ny teny am-bavahady mba hampiditra izay olona milaza fa mitady azy ao.

Teo am-baravarana vao gaga Ragôva fa i Tolotra ity vinantony.

-Fa ahoana izao? Hoy ny anao lahy, hila hivoaka ny masony.

-Izy ry Tolotra no Tsito raiko a! Dia izy ilay vinantonao ry Andriamatoa Ragôva ô! Hoy Tsiahy nihomehy.

Dia samy nifamihina tsy satry teo. Rahefa nandeha ny resaka dia nifankahazo ihany.  Nalefa    ny   fanazavana sy famosahana ny nafenina. Hay kay ka endrikendrika sy halako bika tsy tiako tarehy fotsiny no nandroahany an’i Tolotra sy hitoriany azy. Raha ny tena marina tsy te hanondrotra ny karama sy tsy te hanome ny zo maha-mpiasa raikitra ao aminy, hono, izy ka tsy mitazona ela ireo mpiasa tamana ao aminy na manaja na tsia ny asany. Tsy hoentiny any amin’ny fitsarana akory raha ilay taratasy nampitahorany an’i Tolotra iny alina nandroahany azy iny.

Gaga koa rain’i Tsiahy raha nandre ny paik’adin’izy roa hakana ireo anton-taratasy tao an-trano.

-Mahery ianareo e ! Mahery ianareo. Tsy misy afa-tsy izay no niloaka ny vavan-dRampanana no sady tapa-tsinain’ny fihomehezana.

-Iny ilay iraka maika, namaky ny miafina rehetra ry izy mianaka, tsy nampoiziko, soa fa tsy nahafaty ilay fanafody fampatoriana natao iny, hahahaha, hoy Tolotra.

-Hay mbola nisy izany ihany koa? Ianareo ry reto an! Hahahaha.

 

Mina Ilarion

08 Septambra 2015

BEL’AIR

 

 

 

 
Teraka tamin’ny 1991 tao Andasibe iLIA HARISON Dimby Tahina izay mitondra ny anarana MINA ILARION eo amin’ny sehatry ny soratra.  Tamin’ny 2007 izy no nanomboka nandrafitra tononkalo.  Tamin’ny 2011 kosa no nanomboka namelana teny an-tendron’ny peniny ny fanoratana sombintantara, ary tsy nitsahatra izy mandrak’ity ny androany. Mpikambana mavitrika ao amin’ny Fikambanan'ny Mpanoratra sy Mpankafy Sombintantara izy.